Filtrer les éléments par date : mardi, 21 décembre 2021

Tonga nitsidika ny AKAMASOA, iandraiketan'i Père Pedro eny Andralanitra, IMBIKI Herilaza, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana.

Maro tokoa ireo ankizy, tanora ary vahoaka miankina amin'ny fanampiana sy asa omen'i AKAMASOA.

Tonga nitondra ny anjara vitany IMBIKI Herilaza, niaraka tamin'ireo tanora mpianatra an-jatony entanim-pitiavana, izay tarihan'i Zaylahy Rodriguez.
Sakafo mafana miisa 1000 sy vary 10 taonina ny natolotra tamin'izany, ho fiaraha-mifaly ny Noely.

Naneho ny fisaorany an'i Père Pedro moa IMBIKI Herilaza, nanaiky nandray azy ireo, ary nanamarika azy manokana izao fifanakalozana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Mpiofana miisa 60 mianadahy mpisehatra amin'ny fizahan-tany no notolorana marim-pahaizana, niompana indrindra amin'ny seram-barotra eo anivon'ny aterineto (Internet) na ny Digital Marketing, Community Manager ary Web 2.0.

Ny tanjona dia ny hanapariahana ny toerana sy vohitra azo tsidihina eto Madagasikara, ka atao amin'ny alalan'ny tranon-kala na ny (Siteweb).

Natao ihany koa mba hifehezana ny pitsopitsony rehetra mahakasika ny lamin'ady hapetraka eto anivon'ny aterineto hisintonana mpitsidika, ka hiteraka tombontsoa hoan'ny tsirairay, hoy ny manam-pahaizana manokana momba ny Sera ara-Teknolojia, ary mpitantana ny Web Agency e-fandray.com izay namapanao ny fiofanana, Nyh Gabriel Andriamitantsoa.

Ny tetik'asa MIATRIKA COVID no tompon'antoka, izay vatsian'ny Banky iraisam-pirenena vola.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Notokanan'ny filoha Andry Rajoelina ny 18 septambra 2021 ny tsena vaovao ao Analavory Itasy. Telo volana aty aoriana, tsy mbola misy mpivarotra ao anatiny, fa hoe : miandry fandaminana.

Mitete ny trano, tsy mandeha ny sasany amin'ireo jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro. Ankoatra ny vovoka, dia ahiana haniry bozaka indray ny toerana.

Mahazaka mpivarotra manodidina ny 500 eo ny tsena vaovao. Avo roa henin'izay anefa ny mpivarotra tokony hiditra ao anatiny.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
mardi, 21 décembre 2021 11:58

PK109 RN 44 Antanimafy avaratr'Ambohimena

PK109 RN 44 Antanimafy avaratr'Ambohimena, rehefa avy nandalovan'ny orana nalatsaka

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nitrangana loza an-dranomasina namoizana ain’olona ny 20 desambra 2021 tamin’ny 09 ora maraina, tao amin’ny fokontany Ampanjalava. Olona miisa 130 no nandeha tamin’ny sambo mpitondra entana.

Tsy manana fahazon-dalana hitondra mpandeha ny sambo antsoina hoe : « MS Francia », mitondra ny laharana S/M 2102, niainga avy tany Antanambe, Mananara-Avaratra ny alatsinainy maraina tamin'ny 02 ora sy 25 minitra, hiazo an'i Soanierana Ivongo.

Rendrika teo anelanelan'i Antseraka sy Andrangazaha io sambo io noho ny fidiran’ny rano sy ny fitongilanan’ny sambo tampoka.

Publié dans Tselatra

Angidimby iray an’ny Tafika Malagasy no nianjera ka tsy hita tao anaty ranomasina, manakaiky ny fokontany Ambatomalama, Kaominina Mahambo, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana omaly tamin'ny 7 ora hariva, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena.

Publié dans A la Une