Barikadimy Toamasina : Nalefa naka sasatra avokoa ny mpianatra rehetra
Ho fiarovana amin'ny valanaretina Covid-19, dia nofaranana ny fampianarana eto amin'ny Oniversité Barikadimy manomboka ny alatsinainy 20 desambra 2021.
Mbola tsy voalaza ny fotoana hidirana, ary mbola tsy misy ny programam-panadinana.
Apollo21 : Nivoaka ny didim-pitsarana
Nivoaka androany zoma 17 desambra 2021 ny Didim-pitsarana momba ny raharaha Apollo21, izay niapangana olona ho nikasa amono ny Filoham-pirenena sy nikasa anongam-panjakana.
- Paul Rafanoharana: 20 taona asa an-terivozona
- François Marc philippe sy Razafindrakoto Aina Marie : 10 taona asa an-terivozona tsirairay avy
- Andrianandrianina Voahangiarisoa Nomenjanahary : 5 taona asa an-terivozona
- Rozette Brigitte sy Razakarimanana Ferdinand : Afahana noho ny fisalasalana
- Andriazanakolona William Yvon dit Sareraka sy Ramahatra Victor : 5 taona an-tranomaizina sazy mihantona
- Afahana madiodio: Rakotondramanana Alain José - Rakotoarimanana Nomenjanahary Maminiaina Patrice - Diary Rivohasina Angelot Gaston - VALOMILA Bien Aimé - Harisoa Princy - Diambelou Euclide - Andria Tiana Michel - Ravelonarivo Jocelyn - Totoarisoa Rakotoarison Alphonse Anthony - Rapo Nicholson Edouard - Dabaka Jean Michel.
(Sary : Omena eto ireo dossier ireo ho an'izay te handalina ny votoatin'ady, sy ireo fiampangana ary fiarovan-tenan'ny tsirairay.
Ny didim-pitsarana efa anaty publication io.)
Nosy be : Nosamborina i Ninie Donia dia navotsotra fa tsy tana ny vahoaka niaro azy
Tsy milamina i Nosy be amin'ny fakan'ny vahiny sy ireo mpanam-bola ny tany. Nitsangana tsy nihemotra ireo vahoaka, ary i Ninie Donia, mpanankanto, mpanjakavavin'ny Salegy no isan'ny lohany amin'ny fiarovana ny tanindrazana.
Nosamborina i Ninie Donia, fa nihetsika ireo vahoaka marobe niaro azy, ka dia navotsotra malaky fa sao hipoaka ny sarom-bilany.
Anisan'ny anenjehana an'i Ninie Donia ny fiampangana azy ho mizara ny tanin'i Sirama amin'ny Vahoaka.
Misy raharaham-pitsarana efa mandeha moa izy ity, fa izao nisy sakoroka izao indray, ka nanirahana ireo zandary hisambotra azy izao.
(Jereo Sary Tohiny)
Faritra Atsinanana : Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny Région Normandie
Nihazo an'i Rouen ao Frantsa, ny Governora Faritra Atsinanana Rafidison Richard Théodore, sy ireo mpiara-miasa aminy, ka nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa amin'i Région Normandie France.
Misy teboka 5 ny fiaraha-miasa :
- Tetikasa momba ny fambolena
- Fampiofanana arakasa
- Ireo tetikasa momba ny tanora, singanina amin'izany ny kolo-tsaina sy ny fandraisana andraikitra eo amin'ny fiaraha-monina
- Ireo sehatrasa mikasika ny seranan-tsambo, sy ny ranomasina. Napetraka ny fiaraha-miasa amin'ny maha samy Faritra manana ny seranan-tsambo lehibe, eo amin'ny Toamasina sy Port du Havre
- Fiovaovan'ny toetrandro sy ny fiarovana ny tontolo iainana.