Filtrer les éléments par date : jeudi, 16 décembre 2021

Andininy 1 : Tsy mandray fanampiana intsony ny firenena Malagasy.

Hatramin'ny Banky iraisam-pirenena koa ity milaza fa anome fanampiana an'i Madagasikara, hatramin'oviana koa ny banky no anao asa sosialy ?

Tafandria mandry, fa mitady ampatory mitsangana daholo ireto izy an.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely
jeudi, 16 décembre 2021 20:45

SECES : Mitaky ny hanoloana ny Praiminisitra

Nifarana androana Alakamisy 16 desambra 2021 ny zaikabem-pirenena nataon’ny Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-Mpampianatra, na SECES, rehefa naharitra hateloana teny Ambohipo-Antananarivo.

Maromaro ny fehin-kevitra nivoaka tao, ka anisan’izany ny fitakian’ny SECES ny hanalana sy hanoloana tsy misy hatak’andro ireo olom-boatendry mitazona andraikitra ambony, izay fantatra fa vato misakana sy mpanoha riana ny fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny eo anivon’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa, voalohany amin’izany ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta.

Mangataka fihaonana amin’ny filohan’ny Repoblika ihany koa ny SECES hampahafantaran’izy ireo ny zava-misy marina sy ny olana samihafa, ary ny vahaolana manodidina ny tontolon’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa.

Raha tsy tanteraka alohan’ny faran’ity taona 2021 ity izany, hoy ny fanambarana nataon’ny SECES, dia hiroso amina Filankevi-pirenena izy ireo amin’ny fiandohan’ny taona 2022.

Publié dans Politique

Nankatoavin’ireo Solombavambahoaka androany 16 desambra 2021 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny volavolan-dalana laharana faha-023/2021 sy laharana faha-024 tamin’ny 15 Desambra 2021 momba ny findramam-bola entina mamatsy ny tetikasa « Transport par câble » na Teleferika eto Antananarivo.

Publié dans A la Une

Fiaramanidin’ny Ethiopian Airlines, manao ny sidin’ny Madagascar Airlines, nitondra mpandeha niainga avy any Paris CDG, no nisantatra ilay fiantsonana vaovao eny amin’ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato-Antananarivo, taorian’ny nanokafana azy ho azo ampiasaina amin’izay, nanomboka androany Alakamisy 16 desambra 2021.

Mivelatra amina velaran-tany 17 500 m² ny foto-drafitrasa vaovao, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, ary heverina handray mpandeha manodidina ny 1,5 tapitrisa isan-taona.

Ny orinasa Ravinala Airports no mitantana ity foto-drafitrasa eo Ivato ity sy ny ao Nosy-Be.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Maro ireo mpamongady no nasaina nadoa vidin'entana avy hatrany any amin'ny banky, dia nolazaina fa anaterana simenitra mora amidy amin'ny vidiny napetraky ny fanjakana, nefa sasa-miandry ireo mpamongady, ny vola lasa, ny entana tsy tonga.

Manomboka miakatra ny tabataba hoe avereno ny volanay rehefa tsy hita ny simenitra nampanantenaina.

 

Publié dans Tselatra

Azo zaraina telo ny fitaterana

- Anabakabaka
- An-dranomasina
- An-tanety :

Publié dans Editorial