Filtrer les éléments par date : lundi, 13 décembre 2021

Pilo kely : Ny mpanome vaovao indray no tadiavin'i Jirama fa tsy ilay mpiasa sy ireo mpitsetsitra herinaratra tao Moramanga

Rehefa mba misy tranga fitorohana toy izao, dia tokony omenareo medaly aza ireo mampibaribary ny halatra eo anivon'ny orinasa, fa tsy izy indray no manahirana anareo ka zahana hoe izy no nanome vaovao.

Tsara ho fantatrareo izay manao izany, fa asanay ny miaro ireo mpanome vaovao, ka aza manandrana manontany aty akory fa ho lany andro ianareo, ireo mpangalatra herinaratra, na ny nanome na ny naka no tokony ataonareo haza lambo, ary saziana mafy.

Tafandria mandry.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Mpianatra 12 izao no nivoaka ny valin'ny fitiliana fa mitondra ny otrikaretina Covid-19, ary ny 02 amin'izy ireo no misy fahasarotana, cas grave.

Nanapa-kevitra ny sekoly, hiarovana ny mpianatra fa akatona aloha ny sekoly ao amin'ny ambaratonga fototra sy ny Vohitraivo, ny Oniversité sy ny Vohijoko kosa dia fendrahana fanafody mamono otrikaretina, ka rahampitso miverina mianatra ny zoky, izay tsy misy soritr'aretina.

Hita taratra fa hafa ny trangan'aretina ankehitriny.

 

Publié dans Tselatra

Samborina toy ny dahalo ireo lehilahy lava volo, ary ampandohalihina sy ampandadizina mitety arabe, ka raha mamaly dia voafelaka sy voatoto vodi-basy, ary alaina baraka eo anivon'ny fiarahamonina.

Voatohintohina ny fahalalahana hiaina malalaka amin'izay tiainay hatao, hoy ny fitarainan'ny olona avy any Befotaka-Nord, Distrika Analalava, amin'ny afitsok'ireo miaramila avy any Antsohihy mamita iraka any.

 

 

Publié dans Vaovao
lundi, 13 décembre 2021 13:01

Teny ho eny, Antananarivo

Teny ho eny, Antananarivo

 

Publié dans Tselatra

Fitaovana maro isankarazany an'ny Eglizy katolika Romanina, Paroasy Meday Mahagaga, no lasan'ny jiolahy, araka ny fanambarana nataon'ny Goverinoran'ny Faritra Androy.


Manao antso avo amin'ny rehetra tsy ankanavaka tsara sitrapo ity farany hifanome tanana ka hanome antontam-baovao mari-pototra mikasika io halatra sy fanimbazimbana ka nahaverezana fitaovam-piangonana, izay manana ny hasiny manokana io, ka hotazomina ho tsy ambaratelo izany, ary homena valisoa izay ahazoana izany antontam-baovao izany.

 

 

Publié dans Tselatra

Manohy ny fidinana ifotony ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana IMBIKI Herilaza, ka tao amin'ny fonjabe Arivonimamo no nanatanterahany izany ny faran'ny herinandro teo.

Nifampidinika tamin'ireo tompon'andraikitra izy tamin'izany, ary nihaino sy nandray ny fepetra mahakasika ireo fitarainan'ireo voafonja ihany koa.

Tafiditra ao anatin'ny fanamby moa ny anafainganana ny fitsarana ireo voafonja vonjy maika miandry fitsarana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Vao nandray ny asa eo anivon'ny ministeran'ny fitsarana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana IMBIKI Herilaza, dia nataony fanamby ny anafainganana sy ahavitana ny 70% n'ireo vary mangatsiaka eo anivon'ny fitsarana.

Nahitana ezaka maro ny teo anivon'ny Lehiben'ny Fitsarana Fandravana sy ireo mpiara-miasa aminy amin'ny fanaovana ezaka goavana handray antanana ny famitana ireo vary mangatsiaka.

Raha 10 na 15 teo aloha ny raharaha tsaraina isaky ny andro fitsarana dia 50 hatramin'ny 60 izy izao.

Lasa nidina ifotony nitety fitsarana ihany koa ny mpiaramiasa hafa hanafaingana ny fampakarana ireo antontan-taratasy misy fangatahana fandravana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny zotran-dalamby Tananarive-Côte Est (TCE) ny atoandron’ny Alahady 12 desambra 2021.

Publié dans A la Une