Filtrer les éléments par date : vendredi, 10 décembre 2021

Nandefa taratasy fitarainana tamin'i Ramatoa Christine Razanamahasoa, filohan'ny Antenimieram-pirenena ny mponina, soloin'ny FIMPAMA tena, anairana azy ireo amin'ny tsindry ataon'ny Filatex amin'ny tany izay ny fokonolona no nanamasaka azy, rehefa lasa ny Colon naka ny tanindreo tamin'ny razandreo ny taona 1923.

Namafisin'ny FIMPAMA (FIKAMBANAN'NY MPAMBOLY MANAMBATSIO) ivondronan'ireto fokonolona izay efa nanajary ny tany, fa "Prescription aquisitive" teo anivon'ny Tribonaly no nahazoan'ny Filatex an-taratasy ny tany, nefa izay fomba fazahoan-tany izay, tsy maintsy olona efa nanamasaka sy nitoetra maharitra teo amin'ny tany, tsy latsaky ny 20 taona vao tokony hisitraka an'izany.

Ny Filatex anefa tsy nandingana ny toerana akory hatramin'ny naha teo azy, ary heverin'ireto fokonolona fa kolikoly no nahazoany izao taratasy izao, satria na indray maraina aza, tsy nisy sampan-draharahan'ny fananan-tany na ny Tribonaly nidina sy nanamarina tany an-toerana fa nonina mihoatra ny 20 taona teo an-toerana ny Filatex.

Rahateo mbola anarana Kaominina hafa no misoratra amin'ny "situation juridique", fa tsy ny Kaominina izay tena misy ny tany bodoany arovan'ny EMMO ankehitriny.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Voasambotry ny Dinan'i Betsiboka ny Alahady 05 Desambra 2021 tao Betanatanana, Kaominina Andriamena, Distrikan'i Tsaratanana i Le Tsiminambary, mpimasy na koa Ombiasy iray izay fanta-daza malaza amin'ny fanaovana ody bala ho an'ireo dahalo mpanao "kidnapping".

Niaiky ny lehilahy tamin'ny fanadihadiana izay natao taminy fa izy no mpamatsy ody bala an'ireo dahalo Rain-dahany toa an'i Del Kely sy ny namany, isan'ny taizany ihany koa ireo olona telo lahy matin'ny Dina tao Ambatomitsangana, Kaominina Andriamena.

Maro ireo anaran'olona notononiny ho mpiray tsikombakomba tamin'ny resaka "kidnapping" toy ny olom-boafidy, mpandraharaha, mpiasam-panjakana ary karazan'olona maro isan-karazany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Hapetraka ny sata mifehy ny Parlemanta Nasionalin'ny Tanora na ny Parlement National des Jeunes (PNJ) ka tsy maintsy vitaina mialohan'ny taona vaovao ny fametrahana ny PNJ.

Nivoitra io nandritra ny dinidinika nifanaovan’ny minisitra lefitra misahana ny tanora Ramatoa Juliana Ratovoson raha tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa teny Tsimbazaza izy.

Anisan'ny votoatin-dresaka nifampidinihan'ny roa tonta ny mahakasika ny fametrahana ny Parlemanta nasionalin'ny tanora. Fantatra ary fa ho arafitra ny fifanaraham-piaraha-miasa na ny «convention tripartite» iarahan'ny Antenimieram-pirenena, ny Antenimierandoholona sy ny Ministeran'ny tanora amin'ny alalan'ny Minisitra lefitra misahana ny tanora.

 

Publié dans Politique

Napetraky ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana IMBIKI Herilaza ho fanamby ny fifanakalozan-kevitra, ka nihaona tamin'ireo tanora maromaro miara-miasa amin'i Zaylahy Rodriguez izy, ka nilazany fa "Hoavin'ny Firenena ny tanora ka mila kolokoloina sy tsinjovina".

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique