Sary tsy ankiteniteny
Fisorohana ny fanapoizininana ara-tsakafo : Nahazo toromarika ireo tsy manaja fahadiovana
Midina ifotony ireo ekipa avy amin’ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, sy ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, nanara-maso sy nanentana ny mpivarotra hani-masaka ho fisorohana ny fanapoizininana ara-tsakafo amin’izao ankatoky ny fety izao.
Toy ny tany Ambatondrazaka dia nahazo toromarika ireo tsy manaja fahadiovana. Nampatsiahivina ihany koa ny rehetra fa misy ny sazy mihatra raha mahapoizina mpanjifa.
(Jereo Sary Tohiny)
Maroantsetra : SOS hopitalim-bahoaka
Manana otrikarena maro afaka ampandrosoana azy raha i Maroantsetra, iray amin'ireo Distrika mandrafitra ny Faritra Analanjirofo, mahantra kosa izy raha foto-drafitrasa toy ny lalana, sekoly, eny hatramin'ny hopitalim-bahoaka, izay hiankinana hatrany amin'ny fitondrana foibe.
(Jereo Sary Tohiny)
Tany tan-dalàna sy Zon’Olombelona : Nanohana ara-bola 55 tapitrisa dolara ny PNUD
Tontosa ny Talata 30 novambra 2021 teny amin’ny Foiben’ny Rafitry ny Firenena Mikambana eny Andraharo-Antananarivo, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy, nosoloin’ny Ministeran’ny Fitsarana tena, sy ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD).
Mitentina 55 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho amin’izany, ka ny 31 tapitrisa dolara no efa vonona avy hatrany.
Sehatra ho voasahan’izao famatsiam-bola izao ny fametrahana ny Tany tan-dalàna, ny Fanjakana tsara tantana, ary ny fanajana ny Zon’Olombelona izay tafiditra anaty Velirano faha-16 nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara.
Nanao sonia izao fiaraha-miasa, endriky ny fifampitokisana izao, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza sy ny Solontena maharitry ny PNUD eto Madagasikara, Rtoa Natasha VAN RIJN.
CENI : Amperinasa manomboka androany ireo mpikambana vaovao 9 mirahalahy
Tontosa tetsy amin’ny Fitsarana tampony Anosy androany 1 desambra 2021 ny fianianan’ireo mpikambana vaovao 9 mirahalahy mandrafitra ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI). Lanonana ara-pitsarana, natrehin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana IMBIKI Herilaza sy ireo tompon'andraikitra ambony avy amin’ny tontolon’ny Fitsarana, ny Parlemanta, ny Governemanta.
Kestora Jean Michel Henri : Nitsodrano ireo tanora avy amin'ny Faritra Anôsy hahavita fianarana
Tsodrano zava-mahery ! Nitsodrano ireo tanora zanaka avy amin'ny Faritra Anôsy ao amin'ny Fikambanana "HOAVIGN'ANÖSY" izay vao tonga eto an-drenivohitra handrato fianarana Atoa Jean Michel Henri « mba hahaleo hahalasana, ho salama tsara tsy harofy hahavita soa ny fianarana izay hataonareo aty ».
« Zava-dehibe ny fahafoizan-tena, namela ny Ray aman-dReny, havana aman-tsakaiza any amin'ny toerana niaviana sy nahabe, ka tonga aty an-tany lavitra mba handrato fianarana hanomana ny hoavy, efa nitso-drano anareo ireo Ray aman-dReny niteraka talohan'ny niainganareo, koa androany, mijoro eto koa izahay misolotena ireo Ray aman-dReninareo sady amin'ny Filohan'ny FIZAFATO ahy », hoy Atoa Jean Michel Henri.
Ity farany moa dia Kestora voalohany ny Antenimieram-pirenena ary solombavam-bahaoaka voafidy tao Ambovombe Androy.
(Jereo Sary Tohiny)
Kaominina ANTENINA, Soanierana Ivongo : Misy faritra tsy androso ve raha omena azy ny fahefana hitantana ny hareny ?
Kaominina ANTENINA, Soanierana Ivongo, Toamasina, any amin'ny Kaominina izay lavitra indrindra ao anatin'io distrika io.
Dia hoy ianareo hoe tsy ho vitan'ny mponina sy ny zanaky ny faritra avy any ampandroso tanànandreo io raha omena azy ny mitantana ny vola sy fananandreo any, ka tsinjaraina ho an'ny 1600 kaominina manerana ny Nosy ny 25% n'ny teti-bolam-pirenena.
Raha tena hiroso dia toy izao izany ny tetibola isan-taona tokony tantanan'ny:
* Fokontany 50% (Zaraina 20 000): 625 000 000 Ariary (3 milliards fmg)
* Kaominina 25% (Zaraina 1 600): 3 900 000 000 Ariary (20 milliards fmg)
* Faritra 10% ( Zaraina 3): 850 000 000 000 Ariary (4 250 milliards fmg)
* Foibe 15%: 3 750 000 000 000 Ariary (18 750 milliards fmg)
Vitatsika io.
Patrick
Famatsiana rano : Mijaly hatreny Ambatobe misy ny toeram-ponenan’ny Filoha
Toerana maro eto an-drenivohitra sy ny manodidinaa no mitaraina ho mijaly rano avy amin’ny Jirama. Ankatso, Anosizato Est II, Ambavahaditokana, Ambatomaro...eny hatreny Ambatobe misy ny toeram-ponenan’ny Filoham-pirenena.
Ho an’ity farany aza, dia kamiao citerne no mamatsy rano azy ao.
CENI : Hanao fianianana ireo mpikambana vaovao
Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana tampony Anosy anio ny lanonana ara-pitsarana handraisana ny fianianan’ireo mpikambana vaovao miisa sivy ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na CENI, mialoha ny handraisan’izy ireo ny asany.
1 décembre : Journée mondiale de lutte contre le sida 2021
1 décembre : Journée mondiale de lutte contre le sida 2021.