Filtrer les éléments par date : mardi, 09 novembre 2021

Betsaka hoy ireo mpanohana fanjakana ny fanamboarana fotodrafitrasa ataon'ny fitondrana ankehitriny, ka dia lasa any daholo ny vy sy ny ciment, ka izay no mampiakatra ny vidin'ny fitaovana fanamboaran-trano, lalànan'ny tolotra sy tinady.

Ny mahagaga ahy anefa ny "teinte Orange" tsy niova ny vidiny, nefa iny aza no tena nampiasaina, satria na ireo trano marobe efa niorina aza dia tapitra nolokoina volomboasary aby.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Niantsona teny amin'ny 400km ambonin'ny tany, ka nipetraka tao amin'ny station spatiale internationale ISS ireo astronaute 4 mianadahy, frantsay Thomas Pesquet, Japonais Akihiko Hoshide ary Amerikanina roa Shane Kimbrough sy Megan McArthur nandritra ny 6 volana.

Niala ny ISS omaly alatsinainy 08 novambra 2021 izy ireo, ary tafaverina ety an-tany vao maraina androany talata 09 novambra 2021, raha niodidina ny Station ISS aloha izy ireo, nandritra ny 1ora sy sasany, naka sary ny station ahitana ny mety fisian'ny fahasimbana vokatr'ireny météorite na vato manidina midona aminy ireny.

Izay vao nizotra nihazo ny tany amin'ny hafainganam-pandeha 27 000km/ora.
naharitra 7min teo ny fidirana ny atmosphère izay miteraka hafanana hatrany amin'ny 1800°C, izay ilana ny fiarovana ilay Capsule misy azy 4 mianadahy ireto, satria dia tapaka koa eo ny fifandraisana rehetra.

Afaka izay, dia nisokatra ny elon'aina lehibe 4, nampidina azy ireo ny fari-dranomasin'i Golfe du Mexique manamorona an'i Floride, Amerika, ka dia nisy sambo sy angidimby nitsena azy ireo.

Publié dans Vaovao

Voanjo 5 taonina isan'andro no ahodina orinasa madinika iray ao Ambatondrazaka, ka hamokarany menaka 250 litatra.

Manome asa an'olona 30 eo ity orinasa ity, araka ny hita nandritra ny fitsidihana nataon'ny DRICC Alaotra Mangoro omaly, ary misy mpandray avokoa na ny menaka na ny faikan'ny voanjo avy nakana menaka, milanja 3,5 taonina, avoakany.

Mampirisika mpandraharaha toy izany, ny minisitera misahana ny indostria hiditra ao amin'ny Taninketsa Indostrialy, mba hitondra fampandrosoana any ifotony.

Hitondra fanamaivanana ho an'ny andavanandron'ny mponina ireo mpamokatra entana ilaina andavan’andro na PPN, sy ireo mpanodina vokatra ho sakafo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

Taorian’ny fanambaràna izay mandiso tanteraka ny zavatra nolazaiko dia tiako ny mitondra ireto fanazavàna ireto :

Nisy ny resaka nifanaovako tamin’ny mpanao gazety izay niresahana momba ny fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny toe-draharaha nitranga teto amin’ny firenena ny 21 aprily 2018. Ny voalazako tamin’izany horonam-peo izany anefa dia niniana notapahina sy navadika ho resaka mahakasika ny voka-pifidianana ho Filoham-pirenena natao tamin’ny taona 2018.

Averiko ary hamafisiko hatrany, fa ny didim-pitsarana izay navoakan’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàm-panorenana izay nifandraika tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana tamin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena natao tamin’ny taona 2018 dia maneho marina ny safidin’ny maro an’isa, ary nifanaraka tanteraka tamin’ny zava-nisy rehetra nandritra iny fotoam-pifidianana iny rehefa natao ny fandinihana sy ny fanaraha-maso araky ny voasoratra amin’ny lalàna velona.

Niombon-kevitra tanteraka tamin’izany didim-pitsarana izany ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara fa indrindra ireo mpanara-maso ny fifidianana na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany, niara-nanaiky ny fahatomombanan’ny fizotran’ny fifidianana sy niara-nankatoa ny vokatr’izany.

Publié dans Politique

Nisokatra ny 08 Novambra 2021 ny herinandro manerantany natokana ho an'ny fandraharahana (GEW) izay natrehan'ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana Edgard Razafindravahy, sy ny Minisitra Lefitra misahana ny Tanora Juliana Ratovoson.

Tsy latsa-danja amin'izany fankalazana izany i Madagasikara. Manohana tanteraka ny tanora hiroboka anatin'ny tontolon'ny fandraharahana ny minisitera ho fampandrosoana sy tombontsoan'ny ny firenena.

Nibahana nandritra ny fanokafana ny GEW 2021 ny fahavononan'ny fanjakana hanome fanampiana ireo tanora manana tetikasa manodidina ny fandaharanasa Taninketsa Indostrialy. Tanjona ny fampiroboroboana sy fampitomboana ny famokarana ifotony.

Publié dans Economie

Any Frantsa ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ankehitriny. Iray volana taorian’ny nahavitan’ny famindram-pahefana tamin’i Andry Rajoelina ka anaovan’ity farany fihanianana amin’ny maha filoham-pirenana voafidy ara-demokratika azy, i Hery Rajaonarimampianina no niala teto Madagasikara. Nambarany fa safidiny izany.

Nisy ny faran’ny herinandro teo ny fankalazana ny tsingerintaona nahaterahany, ny 6 novambra, nanotronan’ireo namany, mpiara-miasa akaiky taminy ary koa mpikambana HVM izay antoko noforoniny.

Nandritra io fotoana io no nanaovany antso amin’ny mpitondra fanjakana mba hampitsahatra ny fanenjehana ara-politika hisian’ny fitoniana, ary koa hamoahana ireo gadra politika.

Niantso ny mpikambana HVM hanamafy ny tanjaky ny antoko, mialohan’ny hiatrehana ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 2023, izay handraisan’ny HVM anjara araka ny nambarany.

 

Publié dans Politique
mardi, 09 novembre 2021 08:52

No comment

No comment

 

Publié dans Fil info

Nidina an-dalambe ny mpiasan'ny orinasa SECREN ny alatsinainy maraina 08 novambra 2021, ary nitokona nanoloana ny Hôtel de Ville Antsiranana.

Miaramila no nitsena azy ireo sady nandroaka no nisambotra ny mpitarika miisa roa.

Mitaky fandoavana ny karama sy ny tombontsoa ary koa ny hialan'ny Tale jeneralin'ny SECREN ireo mpiasa mitokona ireo.

 

Publié dans Tselatra