Filtrer les éléments par date : dimanche, 07 novembre 2021

Niisa 640 ireo mpandeha avy ao Eoropa tamin'izao sidina voalohany an'ny Air Madagascar sy Air France nanamarika ny fisokafan'ny sisintany indray taorian'ny covid.

400 tamin'izy ireo dia nandeha tamin'ny sidina Air France tonga androany Alahady vao mangiran-dratsy tetsy Ivato, ary mpandeha 240 kosa tamin'ny sidin'ny Air Madagascar.

Niazo avy hatrany ny hotely fandraisam-bahiny izy ireo ary tsy hahazo hivoaka na handray vahiny raha tsy mivaly ny "Contre test PCR" izay natao azy ireo. Hentitra ny fanaraha-maso amin'izany.

Ho an'ny volana novambra : Hisy sidina roa isan-kerin'andro ny Air Madagascar :
- Sidina miainga Antananarivo - Paris ==> Alatsinainy sy Zoma
- Sidina miainga PARIS - Antananarivo ==> Alarobia sy Sabotsy.

Publié dans Vaovao