Filtrer les éléments par date : samedi, 06 novembre 2021

Taorian'ny Ambovombe Androy, dia notohizan'Atoa Député Jean Michel Henri, Kestiora Voalohany ao amin'ny Antenimieram-pirenena, ny asa sosialy izay nataony, ka dia niroso tamin'ny Famoràna faobe, tao amin'ny Kaominina Sihanamaro, Distrika Ambovombe, Faritra Androy.


Vahoaka an'arivony dibon-kafaliana no nandray sy nitsena an'Atoa Depiote Jean Michel Henri sy ny Governoran'ny Faritra Androy tao Sihanamaro.

Zaza lahy maherin'ny Dimanjato no noforaina tao Sihanamaro, ary samy nahazo fanomezana toy ny vary, savony, bonbons, biscuits, sy kilalao ary malabary avokoa ireo zaza ireo taorian'ny famoràna.

Velom-pisaorana ireo Ray aman-dReny nahazo izao fahasoavana sy fanampiana lehibe izao.

Publié dans Sociale

Tonga ao Sambava ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana IMBIKI Herilaza ka natomboka tamin'ny fihaonana tamin'ireo tompon'andraikitra ambony notarihan'ny Ben'ny Tanàna ao Sambava, izay sady Filohan'ny Fikambanan'ny Ben'ny Tanàna miisa 86 ao amin'ny faritra SAVA, niaraka tamin'ny Sekretera Jeneraly ao amin'ny Faritra SAVA, ary ireo Lehiben'ny fitaleavana isan-tsokajiny.

Notohizana tamin'ny fitsidihana ny Centre Sainte Famille izay mitaiza no mampianatra zaza kamboty sy sahirana miisa 700 mahery.

Notohizana tamin'ny fitsidihana ny fanamboarana ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany. Narahina atrik'asa tao amin'ny Biraon'ny Kaominina.

Ny fandalovana ny Avenue de l'émergence izay vita soamantsara noho ny ezaka goavana ataon'ny Ben'ny tanàna. Nifarana tamin'ny fijerena ny fonja.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

6 novambra 1995 - 6 novambra 2021, 26 taona lasa izay no may kila hotohoton'ny afo ireo lapa samihafa sy ny fasana fitomiandalana tao Anatirova.

 

Publié dans Tselatra

Nanolotra fanampiana sy fitaovana toa ny fanamiana mitovy na survetement ho an'ireto tanora manana fahasembanana teto amin'ny Faritry Amorin'i Mania ny Governora Mamiarisoa Radaloson, mba hiatrehan'ireto tanora ireny ny championnat izay natao tany Fianarantsoa.

Raha nitana ny lohalaharana hatrany ireto tanoran'i Amoron'i Mania ireto hatrizay, dia nilatsaka kely kosa ny laharana tamin'ity, fa tsy natao ahakivy izany, hoy ny Governora nankahery azy ireo hatrany, satria reharehan'ny mponina eto anivon'ny Faritra ny fisolon-tena avo dia avo toy izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Notsaraina tao amin’ny Fitsarana ady heloka bevava Anosy ny Alarobia teo ny raharaha fakana an-keriny an’i Anil Karim, tompon’ny Sophasu izay orinasa mpamatsy fanafody, nitranga ny aprily 2020.

Karana roalahy, dia i Moustafa Radjan sy Dilavarhoussen Razanamamode no voatondro ho atidohan’ity fakana an-keriny ity. Nohelohin’ny Fitsarana hanao asa an-terivozona mandritra ny 20 taona avy izy ireo. Samy mbola miriaria any izy roalahy ireo, ary tsy nisy nipoitra tamin’io fitsarana io. Namoahan’ny Fitsarana didy fampisamborana izy ireo noho izany.

Sivy ny voampanga tamin’ity raharaha fakana an-keriny ity no niatrika ny Fitsarana Anosy tamin’io fotoana io, ka vehivavy ny telo. Efa voatana am-ponja tao Tsiafahy nandritra ny roapolo volana izao ireo teratany Malagasy voasaringotra amin’ity raharaha ity, fa ireo Karana voatondro ho atidohan’ity fakana an-keriny ity nanao sambo nilentika, mbola miriaria any.

Voatonona amina raharaha maloto maro i Moustafa Radjan, indrindra ny fakana an-keriny na « kidnapping ». Manamafy izany ity didy navoakan’ny Fitsarana momba ny ady heloka be vava, ny alarobia lasa teo ity.

Publié dans Vaovao