Filtrer les éléments par date : vendredi, 05 novembre 2021

Voasaringotra niaraka tamin’ny Lehiben’ny Faritra Sofia teo aloha ho nanodinkondim-bola hatrany amin’ny 596 tapitrisa Ariary ity Mpanamarimbola niasa tao amin’ny Faritra Sofia ity.

Niakatra fampanovana tao amin’ny Pôle Anti-Corruption (PAC) Mahajanga ny raharaha ny 3 novambra 2021. Notanana am-ponja vonjimaika ao Marofoto ilay Mpanamarimbola taorian’izay.

Efa nisy olona sivy hafa, anisany ny lehiben’ny Faritra Sofia teo aloha, notanana am-ponja vonjimaika nanomboka ny 21 jona 2021, noho ity raharaha fanodinkodinam-bola ity.

 

Publié dans Tselatra

Manamarika zavatra hafahafa ny mpanjifa ao Moramanga Faritra Alaotra Mangoro. Tato ho ato dia maro ny hena amidin’ny mpivaro-kena ambony latabatra tsy misy marika na fitomboka manome antoka ny mpanjifa fa nandalo fitsarana ara-pasalamana.

Manana toerana famonoana biby fakana hena hohanin’ny olombelona ny Kaominina ambonivohitr’i Moramanga, mahagaga anefa hoy ny mpanjifa indraindray dia hena kisoa misy voavary no amidin’ny mpivaro-kena ambony latabatra.

Tandindomin-doza ny fahasalamam-bahoaka manoloana izany, nefa toa tsy misy te ho tompon'andraikitra, na ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa aza tsy ahenoan-teny, ka anaovan’ny mpanjifa fanairana ny manampahefana isan’ambaratonga.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
vendredi, 05 novembre 2021 18:31

No comment

No comment

 

Publié dans Tselatra

Mitondra faisana ireo Orinasa mpikojakoja lalana. Aman-jatony izy ireo no nanao asam-panjakana, asa efa vita herintaona lasa mahery nefa tsy nahazo vola hatramin’izao, na teo aza ny fitakiana sy fanairana nataon’ireo mpandraharaha tompon’ny Orinasa.

Nisy tsirim-panantenana tamin’ireo mpandraharaha raha nisy tsenan’asam-panjakana vaovao navoakan’ny fanjakana, vatsian’ny « Fonds Routier » vola tamin’ny jona 2021. Tsy vitsy ireo Orinasa nahazo asa vaovao ara-dalàna fikojana lalana, ary efa nanomboka asa tamin’ny tapaky ny volana oktobra 2021 iny, asa tokony haharitra roa volana eo.

Nilatsaka anefa ny filazana ny 27 oktobra 2021 mampiato ny asa rehefa efa natomboka, tsy misy tsenam-panjakana vaovao.

Toy ny sosoa voata-podrano ireo mpandraharaha mpikojakoja lalana nanoloana io fampiatoana asa nataon’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny « Fonds Routier » io, ka kepoka tanteraka.

Publié dans Tselatra