Filtrer les éléments par date : jeudi, 04 novembre 2021

Nisokatra nanomboka androany ary haharitra efatra andro etsy amin'ny Forello Expo Tanjombato ny Salon International de l'Habitat andiany fahatelo.

Anisany nivoitra nandritra ny fanokafana ity hetsika ity teny Tanjombato, androany ny nanambaran’ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gérard, fa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay maniry ny hisitraka ny trano fonenana sahaza « logements sociaux ».

Afaka misoratra anarana amin’ny tranokalan’ny ANALOGH www.analogh.mg ireo maniry hisitraka ny trano fonenana sahaza.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Androany 04 novambra 2021 no nodinihan’ny Solombavambahoaka tamin’ny fivoriambe azon’ny besinimaro atrehina ny tolo-dalàna laharana faha-003-2021/Pl manova sy mameno ny andininy sasany amin'ny Lalàna laharana faha 2011-002 momba ny Fahasalamana na "Code de la Santé" natolotry ny depiote Voninahitsy Jean Eugène, voafidy tao Morafenobe.

Rehefa niady hevitra nandritra ny adin’ny telo ireo Solombavambahoaka mahakasika ny tokony hitsaharan’ny asan’ny « Dépôt de médicaments » rehefa misy Farmasia eny amin’ny 10 km manodidina azy dia tapaka fa ahemotra ny fandinihana ity tolo-dalàna ity noho ny fahitana fa mbola mila fifampidinihana lalindalina kokoa izany mba ho tombotsoan’ny rehetra.

Marihina fa nitaky ny fampiatoana ny fandinihan’ny Antenimieram-pirenena ity tolo-dalàna momba ny toby fivarotam-panafody ity ny Holafitry ny Farmasia.

Publié dans Politique

Un procès de la plus haute importance avait rendu son verdict à la Cour criminelle d’Anosy hier. Il s’agit de l’affaire liée au rapt du propriétaire de la pharmacie Sophasu, Anil Karim, en avril 2020. Deux karana dont Moustfa Radjan et Dilavarhoussen Razanamamode ont été reconnus comme étant les cerveaux de ce kidnapping, et ont écopé de vingt ans de travaux forcés chacun.

Il reste maintenant à appliquer cette peine puisque les deux hommes sont toujours dans la nature et ne se sont pas présentés au procès d’hier. Raison pour laquelle la Cour a également émis un mandat d’arrêt à leur encontre.

Neuf accusés au total se sont présentés devant les juges hier au tribunal d’Anosy dont trois femmes. Tous des malagasy qui ont déjà été sous mandat de dépôt à Tsiafahy pour la plupart depuis vingt mois. D’ailleurs, les questions se posent justement pourquoi ce sont les personnes reconnues comme étant les cerveaux de cette affaire qui ont manqué à l’appel durant ce procès.

Moustafa Radjan n’est plus à présenter dans le milieu des affaires « louches ». Son nom a été cité à plusieurs reprises dans des affaires de kidnapping, ce qui a été confirmé par le verdict rendu par la Cour criminelle hier. Il est également connu dans le trafic d’or et plusieurs articles de presse le cite d’ailleurs comme étant impliqués dans des tentatives d’exportation illicite d’or.

Publié dans Politique

Nanomboka tamin'ny 21 oktobra 2021 no nahatsikaritra ny tsy fahitana azy ireo tao Morafeno ny fianakaviany. Ny harivan’io dia tonga nampandre ny zandary ao amin’ny Poste Fixe Antsalaka.

Ny apitson’io dia roso ny fikarohana, hay nalevin'ireo tsy matahotody tamina lavaka efa ho 30 metatra izy mivady.
Efa andalam-pahasimbana ny razana. Tamin’ny fizahana nataon’ny dokotera no nahitana fa nisy ratra, izany hoe novonoina aloha, avy eo nodorana, dia nototofana fotaka taorian’izay.

Ny alika nompian'izy mivady nihaodihaody tsy nety niala teo amin'ny manodidina ilay lavaka no nahalalana fa tao no nandevenana azy ireo.

Very ny akoho aman-jatony sy vary akotry tamin'ny bidon maromaro an'izy mivady ireto.

Publié dans Vaovao
jeudi, 04 novembre 2021 12:40

4 novambra : Tsiaro an’i Didier Ratsiraka

Mitsingerina amin’ity androany 4 novambra ity ny andro nahaterahan’ny Amiraly Didier Ratsiraka. Teraka tao Vatomandry ny 4 novambra 1936, ary nodimandry teto Antananarivo ny 28 martsa 2021.

Ho fahatsiarovana azy dia misy androany ny fotoam-pivavahana tao amin’ny Chapelle Saint Michel Amparibe, fametrahana voninkazo eny amin’ny Mausolée ilevenany ary hetsika fitadiavam-bola amin’ny alalan’ny fiaraha-misakafo ho fanohanana ny Fondation Céline et Didier Ratsiraka.

Filoha mpanorina ny antoko Arema izy. Filoham-pirenena teo aloha, nitondra teo anelanelan’ny 15 jona 1975 ka hatramin’ny 27 martsa 1993. Niverina teo amin’ny fitondrana indray ny 9 febroary 1997 ka hatramin’ny 5 jolay 2002.

 

 

Publié dans Tselatra

Raikitra amin’ny alahady 07 novambra 2021 izao ny fifidianana ireo Conseiller(e)s de Madagascar eny anivon'ny Consulat de France manerana ny Nosy.

Misy lisitra 4 no nilatsaka ho fidina, ka anisan’izany ny Association Français du Monde Madagascar. Olona efatra amin’ireo Association ireo no ho voaray ho « Conseillers des Français de Madagascar » arakaraka ny isan’ny vato azon’ny Association tsirairay.

Inona no asan’ny Conseillers des Français ?

Publié dans Politique