Filtrer les éléments par date : mardi, 30 novembre 2021

Saron’ny zandary tao Ambinany, Antalaha, ny alin’ny alatsinainy 29 novambra 2021 ny sambo haingam-pandeha iray nitondra lavanila efa voakarakara 11 lasaka sy jirofo 50 kilao, izay tsy nanana taratasy ny tompony.

Naninona ny jirofo mora vidy no nisy balance nandanjana azy 50kg, fa ny vanille lafo vidy no nolazaina fa 11 lasaka, samy maminavina ny haben'ny lasaka sy ny lanjan'ny vanila ao anatiny izany?

Nogiazana ao amin’ny biraon’ny zandary ao Antalaha ny vokatra, ny tompony ary tsy nvela nihetsika ny sambo haingam-pandeha.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Raha ny tsiliantsofina voaray dia ny 25 novambra vao nalefan'ny Paierie Générale d'Antananarivo any amin'ny Banky foibe ny karaman'ireo Be antitra mandray amin'ny banky, ka raha 7 andro eo ny faharetan'ny fandefasam-bola na ny virement, any amin'ny kaontin'ny tsirairay, dia tapitra ihany izany ity volana novambra ity, nefa ny karaman'ny Be antitra mbola tsy miditra, raha hatramin'izay tsy mandingana ny 16 n'ny volana dia efa azo raisina izany.

Manontany tena izany ny rehetra hoe, fa inona no mitranga, no miseho izao zavatra tsy ary nisy teo amin'ny fandoavana ny fisotroandronono izao.

 

Publié dans Tselatra

Hatramin'ny Zoma 26 Novambra lasa teo no efa tapaka ny jiro ety Anosizato Est II Antananarivo ka tsy mbola niverina hatramin'izao fotoana anoratana izao.

Mitaraina ny mponina manoloana izany. Potika ny asa fihariana, mitebiteby koa amin'ny tsy fandriampahalemana.

Niezaka nifandimby niantso ilay centre d'appel Jirama (3547 laharana maitso) ny mponina ety an-toerana fa dia valinteny fandrirarirana hatrany no azon'izay niantso.

Mametram-panontaniana ny olona raha tena misy tokoa ilay centre d'appel Jirama sa fombafomba hampandrina adrisa fotsiny ?

Nb : Tsy afaka maka sary fa lany vatoaratra tanteraka ny finday noho ny tsy fisian'ny angovo.
Merci à vous ☺

 

Publié dans Tselatra

Tonga teto Toamasina ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana IMBIKI Herilaza, ka nandray anjara tamin'ny hetsika fizarana fanomezana avy amin'ny fikambanana AFF hoan'ny fikambanana rahavavy MITIA, izay miahy zaza sahirana maherin'ny 350 eto Mangarivotra, Toamasina.

Taorian'izay izy dia nitsidika ny fanamboarana ny fonja misy fiarovana manokana eto Antananambo, 20km miala ny tanànan'i Toamasina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Saron’ny zandary tao Ambinany, Antalaha, ny alin’ny alatsinainy 29 novambra 2021 ny sambo haingam-pandeha iray mitondra lavanila efa voakarakara 11 lasaka sy jirofo 50 kilao.

Tsy manana an-tontan-taratasy fanamarinana ny tompony, ary tsy nandoa tamberimbidy ho an’ny Kaominina niaingany ihany koa.

Nogiazana ao amin’ny biraon’ny zandary ao Antalaha ny vokatra, notazonina ny tompony, tsy mahazo mihetsika ny sambo haingam-pandeha, ary mitohy ny fanadihadiana amin'ny fihavian'ireto lavanila sy jirofo nentina tamin'ny andro alina ireto.

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanairana tamin’ny tambazotra sosialy facebook i Monja Roindefo, praminisitra tamin’ny tetezamita 2009, sady filoha nasionalin’ny antoko Monima Kamivimbio, fa niteraka savorovoro ny « nisamboran'ny Zandary ao Bekily ny solontenan'ny Mponina avy ao amin'ny Kaominina Tanambao Tsirandragne Distrika Bekily, raha saika haka Taxi-brousse hiakatra aty Antananarivo, hitondra ny fitarainan'ny vahoaka amin'io Kaominina Tanambao Tsirandragne io, noho ny afitsoky ny Solombavam-bahoaka sy ny Ben'ny Tanàna ao ».

« Tezitra noho izany fandikàna ny Lalàmpanorenana ataon'ny Zandary any an-toerana izany ny Mponin'ny Kaominina Tanambao Tsirandragne, ka dia mirohotra izy ireo mankany Bekily hitaky hiara-ho gadraina miaraka amin'ny solontenany telo lahy ireo », hoy ity mpanao politika ity.

« Olona an-jatony maromaro no mirohotra mankany, ka ahiana ny hisian'ny fitrangan-javatra tsy voafehy » hoy i Monja Roindefo.

Ity farany izay nampahatsiahy fa : « Afaka mivezivezy malalaka eto amin'ny tanin'ny Repoblika Malagasy ny teratany Malagasy sy ny entany araky ny Lalampanorenana».

 

Publié dans Politique

Mifarana androany ny fe-potoana fifanarahana fanjakana malagasy sy ny orinasa Sinoa amin'ny fanamboarana ny kianja Barea. Ny 7,99% ny asa no tsy vita : fampiangona ny "gradin" sy ny fanajariana ny ivelan'ny kianja - izay mitentina 6 tapitrisa dolara mahery kely eo ny vola aloa aorinan'ny fahavitan'ny asa.

Misy ny antoka herintaona ny asa vita, ka mbola anjaran'ny orinasa Sinoa avokoa ny manarina izay rehetra mety tsy ho fahatomombanana mandritra izany, hoy ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toera-ponenana, Andriamanohisoa Gérard.

Marihina moa fa amin'ny mahatompon'asa ny fanjakana malagasy, ny ministeran'ny fiarovana, dia izay drafitra nampanaovina ny Sinoa no tanterahiny, fa tsy anjarany izay mety fahadisoana na tsy fahampiana teo ampanaovana ny fandinihina ny asa.

Izay tsy mifanaraka amin'izay asa nampanaovina izay ihany no andraikitry ny orinasa sinoa nanatanteraka ny baikon'asa, ka ny orinasa mpanara-maso nanankinana ny fanatontosana ny bokin'andraikitra no anisan'ny tompon'antoka miaraka amin'ny tompon'ny asa raha misy olana toy ireny dobon-drano ireny.

Publié dans Vaovao

Mitohy ny fitakian'ireo fokonolona ny tany nolovaindreo, izay nalain'ny Colon tamin'ny taona 1923, ka rehefa lasa izy ireo, dia ny fokonolona no nanamasaka sy nanajary ny tany.

Nitsangana ny fikambanana FIPAMA (FIKAMBANAN'NY MPAMBOLY MANAMBATSIO) ivondronan'ireto fokonolona ireto, izay nifampidinika tamin'ny fitondrana, ny fikasana hanaovana famokarana herinaratra mandeha amin'ny masoandro, veliranon'ny Filoham-pirenena, amin'ny tany mirefy 14ha, izay amin'ny ampahany mifanindry ihany koa amin'ny toerana hakana tany sy fasika anotorana ranomasina hanitarana ny seranan-tsambon'ny Toamasina.

Ity toerana ity, dia efa nifampidinihina tamin'ny solotenam-panjakana, ny ONE fa rehefa vita ny asa fanitarana ny Port Toamasina dia alamina ka averina amin'ny fokonolona ny toerana.

Publié dans Vaovao

Efa aparitaka manerana ny Nosy ilay simenitra Lucky nafaran’ny Fanjakana.

1891 taonina no tonga ho an’ny Faritra Analamanga. 13 ny isan’ireo mpandraharaha mivarotra azy, ary hita eto an’Antananarivo izany : Andravoahangy, 67Ha, Anjomakely, Ivato, Ivandry, Ambatolampy, Talatamaty, Mahitsy, ary Ambohitrimanjaka.

Tonga tamin’ny sabotsy lasa teo, ary hamidy 29 000Ar ny any Morondava sy Miandrivazo izay samy nahazo ny simenitra Lucky 32 taonina avy.

Ho an’ny faritra hafa dia simenitra 1401 taonina any Anosy, 1108 taonina ho an’ny DIANA ary 708,5 taonina ny an’ny Atsinanana.

Publié dans Economie

Tsy misy henomby eny an-tsena, no maloto tsy mendrika hivarotana sakafo ho anina ny bazar.

Efa herinandro maromaro izao no tsy nihinana henomby ny mponina eto an-drenivohitry ny Faritra Menabe.

Vokatry ny fampidirana am-ponja ireo delegem-panjakana no voalaza fa antony, satria tsy mety manapaka FIB (Fiche Individuelle de Bovin) ireo delegem-panjakana, hany ka tsy misy omby amidy eny an-tsena.

Manaitra ny fitondrana ny mpanjifa fa dia maloto ny bazar eto Morondava.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2