Filtrer les éléments par date : lundi, 29 novembre 2021

Nihaino an'ilay minisitra nanazava hoe ny mpamongady solika milaza fa ananany vola ny fanjakana, nefa hoy hatrany izy hoe ny fanjakana no manambola any amin'ireto mpamatsy solika.

Dia tsy hay iza izany no manam-bola amin'iza, ka sao mila hividianana carnet épicerie reo olona ireo dia soratana carnet digital ny entana nalaina tsy naloa vola, na ny vola hetra tsy nomena.

Fitantanana inona re ty e.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Efa tonga eny amin'ny Fitsarana ankehitriny ity ady tany hifanolanan'ny fokonolona miisa 30 000, ao anatin'ny fianakaviana 300, amin'ny Filatex.

Nisy tany tokoa manko, tamin'ny taona 1923 no nalain'ny colon, ka rehefa lasa izy ireo, dia ny fokonolona no nanamasaka sy nanajary ny tany.

Ny taona 2018 anefa dia tampoka teo ny Orinasa Filatex no nilaza nahazo ny tany, ka anaovana famokarana herinaratra mandeha amin'ny masoandro, veliranon'ny Filoham-pirenena, amin'ny tany mirefy 14ha.

Publié dans Vaovao

Hatramin'izao ny vola karama fisotroandronono alefa amin'ny banky dia mbola tsy voaray ny volana novambra 2021.

Nanapa-kevitra nanova karatra vaovao ny fitondrana ankehitriny, ka ireo
mpandray amin'ny alalan'ny trésor hatrizay ny faha 10 volana foana tsy diso.

Ireo mpandray amin'ny alalan'ny virement na fandefasana amin'ny banky kosa dia ny faha 16 volana dia efa tokony tonga.

Hatramin'izao faha 29 novambra 2021 izao anefa dia mbola tsy manangasanga ny fiveloman'ireto be antitra, ny distributeur n'ny BNI rahateo lazaina misy olana lava, mitelin-karatra na tsy mamoaka vola, nefa ny mari-bola tombohany toy ny vola efa nalaina.

Velon-taraina ireto be antitra nahavita adidy teto amin'ny fiaraha-monina sy ny firenena ireto, ka ny kely tsy nahitana fisondrotany, no mbola tsy azo ara-potoana ihany.

Tena mbola tsy nisy toy izao, hoy ity Ray aman-dreny iray ity, tao anatin'ny 60 taona.

 

Publié dans Tselatra

Ny Filoham-pirenena mihitsy moa no mamerimberina fa ny CVO ihany ny azy no hiarovany sy hitsaboany ny tenany sy ny fianakaviany, na dia tsy nandrara ny ampidirana sy anaovana vaksiny Covid-19 aza izy ho an'izay te hanao izany.

Efa miditra amin'ny 5è vague ny any ivelany ankehitriny, ary efa betsaka ireo manidy trano sy mandray fepetra henjana mba tsy hiparitahan'ny valanaretina izay tsy mitsaha-mihombo sy miova endrika.

Eto Madagasikara dia manomboka miakatra ireo voan'ny aretina, izay efa misy ampolony ny cas grave na ahitana fahasarotany.

Hatreto dia tsy misy ireo fepetra entitra, toy ny fitandremana amin'ny fivorivoriana, ny fety sy fifampikasohana isan-tsokajiny, zara raha manao arovava orona ny eny amin'ny arabe.

Publié dans Editorial
lundi, 29 novembre 2021 14:19

Toamasina : Nihato ny famatsiana solika

Vitsy ireo mpaninjara solika no nahazo famatsiana, satria dia tsy nety andoa ny haba ireo mpamongady solika, niato arak'izany ny famatsiana solika.

Nampivory haingana ireo voakasik'izany ny tompon'andraikitra aty Toamasina hitadiavana vahaolana.

Tsy misy ny fitokonana eo anivon'ny fadintseranana, araka ny resaka mandeha.

 

Publié dans Tselatra

Ny alatsinainy 11 oktobra hifoha ny talata 12 oktobra 2021 dia nisy tranga fanolanan-jaza 8 taona tao Ambatoboeny, Faritra Boeny, Faritany Mahanjanga, ka namoy ny ainy ity zazavavy kely ity.

Publié dans A la Une

Teraka ny Alahady 28 novambra ny iray tamin'ireo omby (taranaka "Normande") nafaran'ny Fitondram-pankajana.

Zanak'omby voalohany, ka nampitombo isa ho 166 ireo taranak’omby « Montbéliarde » sy « Normande » nafarana, izay nigadona teo ivato ny 5 oktobra 2021.

Salama tsara avokoa ireo omby vavy be ronono, ary voaara-mason'ireo teknsiana misahana ny fahasalaman'ny biby hatrany, ao amin’ny ivotoerana fiompina ARMOR ao amin’ny FIFAMANOR Andranomanelatra, Antsirabe Faritra Vakinankaratra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

29 novembre : Journée internationale de solidarité avec le peuple palestinien 2021.

 

Publié dans Fil info

29 novembre : Journée internationale de solidarité avec le peuple palestinien 2021.

 

Publié dans Fil info