Filtrer les éléments par date : mardi, 02 novembre 2021

Tanterahina aty Morondava renivohitry ny Faritra Menabe, manomboka androany 02 novambra ny fihaonambe nasionalin'ny mpitsabo mpanampy eto Madagasikara.

Ao amin'ny Salle d'œuvre Namahora no atao ny fihaonana, eo ambany fitarihan'ny ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, ary ny Ministeran'ny rano.

Nisy ny diabe natao namakivaky ny tanàna nentina nanamarihana izany talohan'ny fanokafana.

 

Publié dans Vaovao

Dinihina eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’izao fotoana izao ny tolo-dalàna manova sy mameno ny fepetra sasany voafaritry ny Fehezan-dalàna n°2011-002 momba ny Fahasalamana (Code de la Santé).

Ny fanovàna aroson’io tolo-dalàna io dia mikasika ny toerana tokony hisy ny toby fivarotam-panafody iray (dépôt de médicaments) amina faritra ijoroana farmasia.

Milaza ireo mpiantsehatra eo amin’ny tontolon’ny Farmasia (Farmasianina sy mpamongady) fa ny fanovàna andininy iray monja ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Fahasalamana dia manimba ny fifandrohizan’ireo andininy samihafa ao aminy izay natao indrindra ifameno.

Milaza ireto farany fa efa misy ankehitriny ny fandinihana sy famolavolana rafitra momba ny tontolon’ny Farmasia, ary hanan-toerana ao amin’izany ny toby fivarotam-panafody.

Publié dans Sociale

Mpitsara miisa efatra (04) niakatra filankevitry ny fitsipi-pifehezana (codis) ny faran’ny herinandro teo nanoloana ny filankevitra ambonin’ny mpitsara na CSM (Conseil Suprême de la Magistrature).

Iray amin'izy ireo ny mpitsara, sady tale jeneralin’ny CNaPS teo aloha, no filohan’ny federasiona malagasy miahy ny baolina kitra : Arizaka Rabekoto Raoul.

Ho an’ity farany dia nofoanana ny maha mpitsara azy, ary foana toraka izany ihany koa ny fandraisany karama amin’ny maha mpitsara azy, araky ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana Imbiki Herilaza.

 

Publié dans Politique