Filtrer les éléments par date : dimanche, 14 novembre 2021

Hotanterahina anio 14 novambra 2021 amin'ny 4ora tolakandro eo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lalao hifanandrinan'i Madagasikara sy Tanzania, ao amin'ny Vondrona J sady andro faha6 farany amin'ny fifanintsanana hiadian-toerana izay hisolontena an'i Afrika amin'ny fidirana ny tompondaka erantany amin'ny baolina kitra hatao any Qatar amin'ny 2022.

Efa samy eto an-toerana ny ekipam-pirenena roa tonta.
Araka ny fepetra napetraky ny FIFA dia tsy maintsy "négatif" amin'ny Covid ny mpilalao mandray anjara amin'ny fitiliana atao alohan'ny fiaingana sy eo ampahatongavana.

Ho an'ireto Tanzaniana tonga ireto dia fantatra fa "positif" na voan'ny Covid ny 8 amin'ny delegasiona, ary saika mpilalao izy ireo.

Raha ny fepetra mihatra eto Madagasikara, izay ampiharina araka ny toromariky ny FIFA, dia ahiboka eny amin'ny Village Voara avy hatrany izay "positif".

Publié dans Sport
dimanche, 14 novembre 2021 14:01

Tsipy kanetibe : Tompondaka erantany i Doda

Voahosotra ho tompondaka erantany 2021 amin'ny tifitra tsipy kanetibe sokajy zandriny i Ramanandraitsiory Faneva na Doda, fifaninanana izay tanterahina any Santa Susanna - Espaina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport
dimanche, 14 novembre 2021 13:59

Phô Resto Ivato, sady tsara no mora.

Betsaka ireo restaurant hitako, fa ity tantanan'ny Malagasy, ary mihamaro ny Phô Resto eto Antananarivo, toy ny etsy amin'ny Aire du By-pass, Ampandrana, Ampasamadinika, Ankorondrano, matihanina tanteraka, efa tablette sy gestion informatisée avokoa ny commande, mandeha any amin'ny cuisine sy facturation.

Misy wifi gratuit.

Azo jifaina eo an-toerana, ary afaka manatitra any an-trano.

Mankahery ny Namana mitondra fandrosoana hatrany, ary mampiseho fa rehefa hanao zavatra isika Malagasy dia mahavita tsara.

Patrick

Publié dans Economie