Filtrer les éléments par date : samedi, 13 novembre 2021

Rongony milanja 5 taonina sy 100 kg ary menaka jamala 3,5 litatra no tratra, ary nodorana tao Ambanja omaly 12 novambra.

Vokatra azo tamin’ny « opération » nataon'ny Zandary nanomboka ny 12 oktobra hatramin'ny 2 novambra tany Agnalabe izy ity.

Nisy rongony 200 kg hafa koa no efa nodorana tany an-toerana, talohan’izao.

Niatrika ny fandoroana ireto rongony ireto ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena faritanin’Antsiranana, ny Prefen’Antsiranana, ny komandin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria DIANA, ary ny solombavambahoaka sy manampahefana any an-toerana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
samedi, 13 novembre 2021 19:48

Zavakanto : Nodimandry i Biry (Railovy)

Very olomanga ny tontolon'ny mozika Malagasy. Nodimandry androany 13 Novambra 2021 teo amin'ny faha 87 taonany i Biry.

Mpamoronkira, mpihira ary anisany namorona ny tarika Railovy niaraka tamin'i Jérôme Randria, rahalahiny izy.

 

Publié dans Art et Culture

Ramatoa iray marary "nidiran'ny tahona mangahazo ny masony, ka tapaka tao amin'ny masony ka tonga dia tsy mahita intsony" no hitan-dramatoa Radaloson Mamiarisoa, Goverinora Amoron’i Mania, teny an-dalana Antatao akaikin'ny Kaominina Fahizay Imady ny zoma alina, raha avy nidina ifotony tany amin'ny Kaominina Mahazoarivo sy Kaominina Sandrandahy Ambony izy sy ny mpiara-miasa aminy.

Noho ny hamehana sy vonjiaina, ny andro rahateo maizina, ny lalana mbola lavitra, izy efa tena marary sy tsy mahita intsony dia noentin-dramatoa Goverinora avy hatrany namonjy ny hopitaliben’Ambositra ilay ramatoa marary sy ny rainy.

Nanaraka tamin’ny moto ireo fianakavian’ny marary.
Efa mahazo fitsaboana sahaza azy ilay ramatoa. Noraisin'ny Faritra ihany koa ny fikarakaràna rehetra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

La vasectomie est une méthode de stérilisation masculine. C’est une opération mineure qui consiste à couper et bloquer les canaux déférents qui transportent les spermatozoïdes à partir des testicules.

Elle est pratiquée sous anesthésie locale dans le bureau du médecin et dure environ 10 minutes.

 

Publié dans Fil info

Mbola loza mitatao amin’ny fiainan’ny Malagasy an-tapitrisany maro ny tazomoka, tsy mamela ny ankizy handeha an-tsekoly sy ny olon-dehibe hanatanteraka ny asany, ary sakana lehibe ho an’ny fampandrosoana.

Olona maherin’ny 450 no matin’ny tazomoka teto Madagasikara hatramin'ny fiandohan'ny taona.

Nanomboka ny hetsika famendrahana odimoka ny atin-trano mba hiadiana amin’ny tazomoka ny governemanta amerikana sy ny Fandaharanasa Nasionaly Miady amin’ny Tazomoka (PNLP) an’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, hiarovana mponina miisa 850 000 any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Ihorombe.

Publié dans Vaovao

Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina rahampitso Alahady 14 novambra 2021, ny lalao hifanandrinan’i Madagasikara sy Tanzania.

Lalao farany hatrehin’ny ekipa roa tonta ao amin’ny vondrona J misy azy, iadiana toerana hisolontena an’i Afrika amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra, hatao any Qatar amin’ny taona ho avy io.

Maimaimpoana ny fidirana, araka ny fanambarana an-tsoratra nataon’ny Federasiona malagasy ny baolina kitra, tamin’ny alalan’ny filohany Rabekoto Arizaka Raoul, ho fanehoana ny firaisankiana, ary ihany koa ho fisaorana ny rehetra amin’ny fanohanana ny Barea.

Hisy araka izany ny tapakila fidirana ho zaraina eny amin’ny Jumbo Score Ankorondrano anio manomboka amin’ny 9 ora maraina.

 

Publié dans Sport