Filtrer les éléments par date : vendredi, 12 novembre 2021

Lalana mihazo an'i Ambatolampikely amin'ny lalam-pirenena faharoa, no maro ny kamiao mivezivezy mitatitra vato, maro ireo fitarainana azo avy amin'ny manodidina fa tsy mitsahatra ny fipoaham-bato, ary mifamezivezy ny kamiao mitaona izany.

Maro ireo trano mitresaka tratran'ny fipoaham-bato, nefa etsy ankilany tsy hitan'ny mponina ny tamberina azo amin'ity kariera ity, fa na ny biraom-pokontany aza dia tsizarizary eny an-toerana.

Misy kariera hafa ihany koa an'i Sinoa afaka kely ny toerana, izay alefa ahondrana avy hatrany any ivelany miala ao Toamasina.

Araky ny fanadihadian'ny ONE dia mihoatra lavitra noho ny famakiana vato nekena sy taterina ny misy ao ankehitriny, ka tsy voahaja ny bokin'andraikitra hanajana ny tontolo iainana.

Antenaina fa efa narenina izany lesoka izany.

Tafandria mandry e.
Patrick

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Pilo kely

Noraisin'ny Masoivohon'ny OIF (Fiombonambe iraisam-pirenena an'ireo firenena mampiasa ny teny frantsay), Andriamatoa OGNIMBA Léonard Emile tao amin'ny birao fiasany ny Governora Faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, ny alarobia 10 novambra 2021.

Ankoatry ny fitsidihana ara-pomba ofisialy, dia anisan'ny votoatin'ny resaka ny :

Publié dans Politique

Tontosa omaly Alakamisy 11 Novambra 2021 teny amin'ny Fitsarana Tampony Anosy, sy ireo Fitsarana manerana an'i Madagasikara ny fifidianana izay ho Filohan'ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM).

Lany tamin'izany Atoa Andriantsihorisoa Mbitanarivo tamin'ireo kandida telo nirotsaka.

Telo taona no fe-potoana hitarihany ny SMM.

 

Publié dans Politique

Nanao fitsidihana ara-panajana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha io maraina io ny Fivondronamben’ny Eveka, notarihin’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana.

Nisy ny fifidianana Birao vaovao teo anivon’izany Fivondronambe izany, izay nampahafantarina ny Filoham-pirenena tamin’ity fotoana ity.

Ireto ireo mpikambana vaovao handrafitra izany manomboka izao :

Publié dans Art et Culture

Avotra soa aman-tsara ireo telo mianaka, zaza vao 10 volana, zazavavy 14 taona, ary ny renin’izy ireo, nalain'ny dahalo ankeriny tany Marotsipoy, Distrika Anjozorobe, rehefa nataon'izy ireo fahirano nandritry ny 10 andro katroka nanomboka ny 31 oktobra 2021.

Naratra nandritra izany ny raim-pianakaviana saingy tafatsoaka.

Dahalo iray no lavo nandritra ny fifandonana nanavotana an'izy ireo tao Anosivolakely Kaominina Andranomisy, Distrika Anjozorobe ny 10 novambra 2021.

Publié dans Vaovao

Miroso amin’ny dingana lalindalina kokoa ny fanatanterahana ny tetikasa « Transport par câble », na Téléphérique eto Antananarivo. Nanomboka ny 10 novambra 2021 dia manatanteraka ny fitsirihana ambany tany na « travaux de sondage » amin’ireo toerana rehetra hametrahana ny gara sy ny andry lehibe (pylône) ny orinasa Colas.

Ho an'ireo zotra roa hapetraka dia miisa 12 ny gara, ary 78 ireo andry lehibe, ka toerana miisa 15 amin'izy ireo, eo anelanelan’ny Soarano, Ambohijatovo sy Anosy no hanatanterahana ny fitsirihana aloha amin’ity taona ity.

Tohizana manomboka amin’ny tapaky ny volana janoary 2022 ny sisa amin’ireo toerana hafa.

Maharitra 2 na 3 andro eo ny fanatanterahana ny fitsirihana ho an’ny toerana tsirairay ka hidina hatrany amin’ny 20m na 25m ambany tany hahatrarana ny vato any ambany izany (substratum rocheux), mba hahafahana mamaritra ny fototra hapetraka aoriana, ary indrindra hisorohana ny loza rehetra mety hitranga amin’ny lafiny ara-jeolojika.

Publié dans Vaovao

Nanainga ny alin'ny alarobia niazo an'i Espaina, ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy Vehivavy sy Tanora lahy, hiatrika ny fiadiana ny Tompondaka erantany.

Hotanterahina ao an-tananan'i Santa Susanna - Barcelone ny 12 hatramin'ny 21 novambra 2021 ny fifaninanana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport