Filtrer les éléments par date : jeudi, 11 novembre 2021

Pilo kely : Tsy gaga aho raha nahiliky Rainilaiarivony tsy andova azy (déshérité) ilay zanany nikasa hanongana azy.

Tafandria mandry.
Patrick

(Tahirin-tsary Praiminisitra Rainilaiarivony)
....
Ramangalahy, sixième fils de Rainilaiarivony, a étudié la médecine et était en passe de devenir un médecin prospère, mais est décédé des suites d'une maladie.

Trois autres se sont tournés vers le crime : Rajoelina, qui a violé les lois de son pays pour s'enrichir en vendant de l'or de contrebande à une société anglaise;
....
Aucun des fils de Rainilaiarivony n'a pu prétendre à sa succession à la tête du pays.

(Wikipédia)

 

Publié dans Pilo kely

Nodimandry androany teo amin’ny faha 85 taonany i Frederik de Klerk, ity farany izay nahafahan’i Nelson Mandela nivoaka ny fonja nitazomana azy naharitra.

Publié dans A la Une

Sambo iray niditra an-tsokosoko tao amin'ny seranan-tsambo ao Sainte Marie no tratran'ireo miaramila ao amin'ny Tafika an-dranomasina, omaly 10 novambra 2021.

Tsy nisy ny fampandrenesana nataon'izy ireo ny tompon'andraikitra tany amin'ny tany niavihana sy ny tao Sainte Marie ka niroso avy hatrany tamin'ny fisavana ireo mpitandro filaminana.

Teratany vahiny roa no tao anatin'ilay sambo kely ka tsy manana fahazoan-dalana (visa) hipetraka eto Madagasikara ny iray tamin'izy ireo.

(Loharano : MDN)

 

Publié dans Tselatra

Hisokatra ofisialy ny 17 novambra, amin'ny 04 ora tolakandro, ny taom-piotazana lodsia ao amin'ny faritra Atsinanana amin'ity taona 2021 ity.

Nisokatra nanomboka omaly 10 novambra, ao amin'ny Lapan'ny Faritra Atsinanana, ary tsy hifarana raha tsy ny marainan'ny 17 novambra ny "Guichet unique" ahafahan'ny mpandraharaha maka fahazoan-dalana hanangom-bokatra sy hanondrana.

Nivory androany alarobia folakandro ireo tompon'andraikitra rehetra voakasik'ity fotoan-dehibe ara-toe-karena:

- Ny ekipan'ny Faritra Atsinanana notarihin'ny Tale DiD,
- Ireo Fitaleavana sy Sampan-draharaha rehetra,
- Ny mpitandro filaminana isan-tsokajiny,
- Ny GEL na vondron'ny orin'asa mpanondrana lodsia
- Ny solontenan'ny mpanangom-bokatra

Publié dans Economie

Ho mpanolotsaina an'i Madagasikara ny “Rothschild & Co” manomboka izao. Vondrona iraisam-pirenena mahaleo tena sy matihanina manokana amin'ny torohevitra amin’ny Fanjakana sy ny orinasam-panjakana eo amin’ny fitantanam-bola ny “Rothschild & Co”.

Niasa nandritra ny efa-taona tao anatin’io vondrona io i Emmanuel Macron, talohan’ny naha minisitra ka lasa filoham-pirenena frantsay azy.

Asa nomena ny “Rothschild & Co” ny fiomanana amin’ny fidiran’ i Madagasikara ao anatin’ny tsenam-bola iraisam-pirenena na “marché financier”, ary ny “notation inaugurale” sy ny fanatsarana ny “indicateurs de compétitivité” an’i Madagasikara ;

Publié dans Politique

Saika niakatra 200% avokoa ny vidin'ny fitaovana fanamboarana trano sy lalana.

Raha simenitra fandalorana teo amin'ny 21 000ar teo aloha dia efa lasa 32 000ar, ny simenitra fanaovana béton 28 000ar lasa 43 000ar, ny fer 6 azon'ny 6 000ar ny 12m, efa lasa 17 000ar. Ny briky 80ariary lasa 140ariary.

Ny fitaterana ny entana moa tsy resahina intsony.

Ny tsenan'asam-panjakana anefa dia voafaritra mialoha tamin'ny tolo-bidy natao izay neken'ny fanjakana tamin'ny alalan'ireo fifaninanana nahazoana azy. Tsy misy ny fanitsiana na fanovana fa tsy maintsy atao sy vitaina ny asa.

Ny filazan'ny fanjakana amehana vokatry ny rivo-doza, na horohoron-tany, na ady na rotaka maharitra, izay amoahana didim-panjakana ihany no ahafahana manao fanitsiana ny tolo-bidy.

Publié dans Editorial

Avotra soa aman-tsara tsy nanahy ilay Ramatoa 59 taona nalain'ny andian-dahalo ankeriny tao Antanetibe Anativolo, Distrika Anjozorobe ny alin'ny 08 hifoha 09 novambra 2021.

Ireo andiana zandary no nanao vonjy taitra nanavotana azy.
Raha vao nandre ny tranga fanafihana ny Kapiteny Komandin'ny Kaompania Imerina Centrale dia nidina tany an-toerana nanao hetsika vonjy taitra nanampy ireo zandary tany an-toerana.

24 ora taty aoriana dia sarona ireo andian-dahalo nahavanona izany tao Androvakely tamin'ny sasakalin'ny faha 10 novambra.

Nisy fifandonana mahery vaika, avotra soa aman-tsara i Bebe Dety izay nalain'izy ireo ankeriny, maro ireo dahalo no naratra vokatry ny fifampitifirana, saingy mbola afa-nandositra nanararaotra ny haizin'ny alina. Tsy nisy nanahy ireo zandary.

Nitaky vola 60 tapitrisa Ariary ireo dahalo taorian'ny fakana ankeriny, tsy nisy na Ariary aza naloan'ny fianakaviana tamin'ireo dahalo fa natoky ny fandraisan'andraikitry ny Zandarimaria izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Ny 6 novambra 2021 no nanao sidina voalohany ny Madagascar Airlines. Ny “licence” an’ny Air Madagascar no ampiasainy, ary manofa fiaramanidina ity kaompania nasionaly ity amin’izao fanombohany mitrandraka sidina izao.

Heverina ho efa-bolana eo no haharetan’ny fanofan’ny Madagascar Airlines fiaramanidina, fotoana hanamboarana amin’ny alalan’ny fanoloana motera ny Airbus A340 iray an’ny Air Madagascar sy fanofanana ny mpiasa, izay ampahany avy amin’ireo mpiasa tao amin’ny Air Madagascar.

Nanohana ara-bola mitentina 5 tapitrisa dolara ny fanjakana ho fanatanterahana izay, araka ny fanazavan’ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Tinoka Roberto.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Hiatrika fitsarana etsy amin’ny Fitsarana momba ny ady heloka bevava Anosy ny alakamisy 11 novambra 2021 ireo efa-dahy voarohirohy amin’ny famonoana an’i Danil Radjan.

Efa nafahan’ny Fitsarana izy efatra ireo saingy naverina any am-ponja avy hatrany indray vao nivoaka ny lapan’ny Fitsarana Anosy taorian’ny nivoahan’ny didy, araka ny toromariky ny minisitry ny Fitsarana teo aloha.

Hifanatri-tava manoloana ny Fitsarana indray izany i Lionel Lelièvre sy ny fianakavian’i Radjan. Leziônera frantsay teo aloha, lasa mpandraharaha ara-toekarena eto Madagasikara misehatra eo amin’ny lafiny fiambenana sy fiarovana itsy voalohany, no voampanga ho atidohan’ny famonoana an’i Danil Radjan, avy amin’ny fianakaviana Radjan.

Efa notsaraina ity raharaha ity tamin’ny jona 2021, ary dia nafahan’ny Fitsarana i Lionel Lelièvre sy ireo Malagasy telo lahy voarohirohy niaraka taminy, noho ny tsy fisian’ny porofo mamatotra azy ireo.

Publié dans Vaovao
jeudi, 11 novembre 2021 09:22

Koti kota : Fitokanana ilana tsipaipaika

Ilay zavatra tokanana trosaina fa tsy voaloa vola, ireo mpandraharaha nanao ny asa tsy misy voaloa, ialana zigla amin'ny dizitalizasio, ny fitokanana andrasana tsipaipaikan'ny vahoaka eny ifotony... inona ihany izany no aloan-dry zareo ?

Ndao fa lalana e.
Patrick

 

Publié dans Politique