Filtrer les éléments par date : mercredi, 10 novembre 2021
mercredi, 10 novembre 2021 20:15

Kapiky nazom-boay

Kapiky (tortue) nazom-boay, ateligny tsy lany, ariagna tsy foy.

Samy mandry mifôha.
Patrick

Publié dans Pilo kely

Drakaka milanja 227kg nokasaina alefa any Toamasina no tratran'ny mpanara-mason'ny jono tao amin'ny toeram-piantsonan'ny taxi-brousse ao Morondava Centre ny 8 novambra lasa teo.

Avy ao amin’ny Kaominina Bemanonga no niavian'ireto drakaka ireto, ary olon-tsotra tsy mpisehatra amin'ny jono an-dranomasina, ary tsy manana karatra ara-dalàna no nitondra azy.

Naverina avy hatrany tany anaty ala honko ireo drakaka ireo araky ny lalàna mifehy ny jono.

Marihana fa mikatona nanomboka ny 16 oktobra hatramin'ny 15 desambra ny taom-panjonoana hazandranomasina, ary tafiditra ao anatin'izany ny fangalana sy fanondranana drakaka.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nisokatra nanomboka androany 10 novambra ao amin'ny efitrano malalaky ny Faritra Atsinanana ny « Guichet Unique » entina hikirakirana sy hikarakarana ny antontan-taratasy rehetra mikasika ny asa Taom-piotazana lodsia 2021.

Navondrona amin’ny toerana iray ao avokoa ireo Sampan-draharaha rehetra tokony hatonina sy lalovana.

Tsy mbola voafaritra kosa ny andro hisokafan’ny taom-piotazana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie
mercredi, 10 novembre 2021 19:38

Ankizy very : Miisa 09 ireo hitan'ny Polisy

13 hatramin'ny 16 taona eo ny salan-taonan'ireto ankizy hitan'ny Polisy ireto, ka vavy ny valo ary lahy ny iray.

Nisy tamin'izy ireo no nifampitarika nanao ny ditrany tany ivelany tany ka izao hita izao. Nisy koa ny milaza fa nobedesin' ireo Ray aman-dreniny ka tsy niverina tao an-trano intsony.

Araka ny fampitam-baovao nataon’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena dia saika ditra ataon'ireo ankizy no nahatonga ny Filazana azy ireo ho very fa tsy nisy hatreto ny trangana hala-jaza.

 

Publié dans Tselatra

Nahitana taolam-paty tao amin’ny Fokontany Ambalanomby, Kaominina ambanivohitr’i Morondava androany. Efa potika ireo taolana hita tao anaty gony ny alain'ny Alatsinainy teo.

Raha ny tombana nataon’ny Médecin Inspecteur sy ny Polisy ary ny mpiasan’ny Kaominina Morondava nanao ny fizahana dia mety taolam-paty narian’olona efa ela izy ireo.

Nalevina taorian’ny fizahana sy fanamarinana natao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Manodidina ny 3 hatramin’ny 5 ny isan’ireo rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara, ary 1 hatramin’ny 3 no mety hiditra an-tanety mandritra ity vanim-potoanan’ny fahavaratra 2021-2022 ho avy ity.

Noho ny fiovan’ny toetrandro dia rivodoza iray mahery vaika ihany dia mety hiteraka fahavoazana goavana raha ratsy fiomanana.

Amin’ny fotoana tsy ampoizina no mety hipoiran’ny rivodoza, hoy ny manampahaizana momba ny toetrandro. Ireto farany izay mampirisika ny rehetra dieny izao mba hiomana.

 

Publié dans Tselatra

Mialohan'ny fahatongavan'ny Filoham-pirenena taty amin'ny faritra SAVA, dia nialohavana minisitra maromaro andro vitsy, andamina ny mpanao lavanila izay tsy faly amin'ny zava-nitranga momba ity sehatrasa ity, indrindra ny fitotongan'ny vidin'ny lavanila izay fampanantenana nataon'ny Filoha fa hakarina izany vidin-davanila izany.

Nisy ihany koa ny fanentanana ny olona hiatrika sy hitsena ny Filoham-pirenena, ka maro ireo notaterina tamin'ny fiarabe avy ambanivolo rehetra.

Nisy omby 18 novonoina nozaraina tamin'ny olona, ny tao Sambava fotsiny, ary nisy ny mpihira malaza izay nandaniana vola be hanentana sy anampy amin'ny famoriam-bahoaka.

Tetsy ankilany anefa dia nampanantenaina ireo ben'ny tanàna tato amin'ny Faritra SAVA fa izay mahavory vahoaka dia omena vilany be sy omby.
Misamaritaka anefa ny ben'ny tanàna sasany izay milaza fa nahavory olona maro nefa tsy nahazo ny vilany be sy ny omby nampanantenaina.

Publié dans Politique

Les quatre accusés sur le meurtre de Danil Radjan devront repasser devant la Cour criminelle demain jeudi 11 novembre 2021. Déjà acquittés lors d'un premier procès, ils ont été "retenus" en prison à la demande du ministre de la Justice de l'époque.

Un nouveau face à face entre Lionel Lelièvre et la famille Radjan devra se tenir bientôt devant le tribunal. Le premier, ancien légionnaire français devenu opérateur économique à succès, spécialisé dans le gardiennage et la sécurisation à Madagascar, est accusé d’avoir commandité le meurtre de Danil Radjan, un des membres de la famille Radjan. Lors d’un premier procès devant la Cour criminelle au mois de juin 2021, il avait déjà obtenu une première victoire en ayant été acquitté avec ses trois autres co-accusés malagasy faute de preuves.

Mais sur ordre du ministre de la justice de l’époque, ils ont été remmenés en prison et le verdict cassé. Selon notre information, un nouveau procès est programmé pour bientôt et qui sera certainement un des procès les plus suivis de cette fin d’année.

Publié dans Politique

Tonga teny Faravohitra ireo solontenan’ny Vondron’ny Mpandraharaha eto Madagasikara (GEM), notarihin’ny Filohany, Atoa Rajaona Thierry, ny Talata 09 Novambra 2021.

Nihaino ny hetahetan’izy ireo ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza, ho fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fiaraha-miasa.

Voalohany amin’ireo ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Fitsarana. Maika arak'izany ny famerenana ny fahatokisan’ireo mpandraharaha Malagasy ny Fitsarana satria iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ny fandraharahana ka mila arovana.

Tafiditra anaty andraikitry ny Ministeran’ny Fitsarana ny fiarovana ny fampiasam-bola sy ny famatsiam-bola eto Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique