Filtrer les éléments par date : vendredi, 08 octobre 2021

Pilo kely (nindramina) : Ny Fizakan-tenan'ny faritra no lehibe indrindra

Maso mandidy ny eny ifotony fa tsy olona avy any Antananarivo no ibaiko sy iseho ahalala ny any amin'ny faritra tsirairay.

Raha tena ampandroso faritra dia tsy 2 milliard Ariary fotsiny mitovy amin'ny lanin'Antananarivo amin'ny fikarakarana zaridaina no teti-bola isan-taona omena ny Faritra.

Tafandria mandry e.
Patrick

Publié dans Pilo kely

Nalefa ao amin’ny ivotoerana fiompina ARMOR ao amin’ny FIFAMANOR Andranomanelatra ireo ombivavy be ronono miisa 165 izay nafarana avy any ivelany. Ao no toerana izay hanatanterahina ny fitokana-monina na « Mise en Quarantaine » izay haharitra 35 andro.

Ireo teknisianina avy ao amin’ ny sampandraharaha misahana ny fahasalaman’ny biby na DSV sy ireo teknisianina avy ao amin’ny FIFAMANOR no hanara-maso ny fahasalaman’ireo biby sy ny fiantrehan’izy ireo ny fiovan’ny toe-tany.

Etsy andaniny dia nisy ny fiofanana, mahakasika ny fomba fiompina sy ny fikarakarana ireo ombivavy be ronono ireo mandritry ny 10 andro, an’ireo teknisianina izay hanaramaso ireo biby sy ireo teknisinanina izay hiara-hiasa amin’ireo mpisitraka.

Publié dans Economie

Mitaraina ny mpianatry ny Oniversiten’i Fianarantsoa fa hatramin’izao dia valim-panadinana sasantsasany ihany no mbola nivoaka nefa efa hatramin'ny volana Jona 2021 ny fanadinana no vita.

Araka ny naoty nivoaka toarian’ny fivorian’ny COPRIES anefa dia ny Alatsianainy 4 Oktobra 2021 teo no manomboka ny taom-pianarana vaovao ary tokony miditra ny mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana, nefa hatreto dia tsy mbola heno oviana ny fidiran'ny mpianatra.

Etsy ankilany koa ny olan'ny SECES mbola eo ka mitaraina ireo mpianatra fa izy ireo no mizaka ny vokany.

 

Publié dans Tselatra

Misy lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana na chef Cisco vaovao notendren’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena hiasa ao Marolambo. Efa ao amin’ny DREN Atsinanana ny Naoty mahakasika ny fanendrena azy saingy tsy tonga eny ampelan-tanan’ilay vao notendrena.

Re fa misy olomboafidy manao izay fomba rehetra tsy hisian’ny famindram-pahefana eo amin’ny chef Cisco teo aloha sy ny chef Cisco vaovao hahafahan’ity farany mandray ny asany.

Tonga hatrany amin’ny fandrahonana hanao ampamoaka ny zava-nitranga nanodidina ny fanadinana CAE tany Marolambo ho nisy fitakiana vola ny raharaha, fiampangana izay tsipahin’ireo voakasik’izany marindrano.

Mikatso, tsy mety tontosa hatreto ny famindram-pahefana ho an’ny fitantanana ny Cisco Marolambo.

 

Publié dans Tselatra

Nametraka fitarainana ireo mponina ao amin’ny fokontanin’Antsahaondra mipetraka manodidina ny faritr’i Rova Manjakamiadana ao Ankadinandriana fa misy vatobe maromaro amin’ny toerana iray, izay efa miha-mitriatra ny ankamaroany ary ahiana ny hianjeran’izy ireo ka atahorana hanimba fananana sy mety amohizana ain’olona noho ilay toerana sady lalan’ny mponina no ahitana trano manakaiky azy io.

Tonga teny an-toerana androany zoma 08 oktobra 2021 ny tompon'andraikitra avy ao amin’ny BNGRC, solotenan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, lehiben’ny Fokontanin’Antsahaondra sy ny ekipany ary ny solotenan’ny Sosialy nijery akaiky ireo vatobe mitriatra sy ireo trano mety ho tratry ny fianjeran’ny vato.

Publié dans Vaovao

Voafidy hitantana ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy (FIVMPAMA) mandritra ny taom-piasana (2021-2023) i Rakotondrasanjy Rivo.

Notanterahina tao Soarano PK 00 androany zoma 08 Oktobra 2021 ny fivoriambe nanavaozana ny birao mpitantana ny FIVMPAMA.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Tontosa ny alakamisy 7 oktobra 2021 ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Faritra faha-23 eto Madagasikara, dia i Vatovavy. Natolotra amin’ny fomba ofisialy ho an’ny vahoakan’i Vatovavy ihany koa ny Governoram-paritra izay vao notendrena nandritra ny Filankevitry ny Minisitra farany dia ny Dr. Randriarison Maurice Lucien narahina fitokanana zava-bita.

Voamariky ny maro ny tsy nahatongavan'ny depiote Razafintsiandraofa Jean Brunelle. Avy amin'ny IRD, vovonana politika misy ny Mpitondra izy, ary filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Fianarantsoa, na voafidy tao Ikongo aza.

Publié dans Politique

Marary ao amin'ny hopitaly i Eddy Maminirina, voatana vonjimaika mbola tsy vita fitsarana tanteraka, eny Tsiafahy, noho ny resaka bois de rose. Raha ny fantatra dia nandalo fandidiana ka nanesorana ny avokavoka nefa mbola sempotra ihany ny lehilahy.

Publié dans A la Une

Tamin’ny 26 Jolay 2017 no nivoaka ny didim-panjakana mamaritra ny fifanarahana famindran-toerana ny tobin-tsolika etsy Alarobia ho amina velaran-tany 18ha eny Ambohijanaka.

Tetikasa antsoina hoe « Tanisoa » atao hitahiry ny filàna ara-tsoliky ny eto an-drenivohitra izy ity, ary efa andalam-pamaranana ny dingana voalohany dia ny fanarenan-tany amin’izao. Aorian'izay ny fananganana ity tobin-tsolika vaovao manaraka ny teknolojia farany ity.

Tena zava-dehibe ity fotodrafitrasa ity hoy ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Ramaroson Andry Heriniaina satria dia tena tsy azo atao mihitsy ny mametraka fampitaovana toy itony antampon-tanàn-dehibe fa loza ho an’ny mponina raha sanatria misy fipoahana, ary efa tsy mahasahana ny filàna ara-tsolika eto Antananarivo intsony ihany koa io tobin-tsolika misy ankehitriny io.

Publié dans Tselatra

Sakana sy sorabaventy no miranty eny amin'ireo toeram-pandanjana fiara vaventy hanamarina ny vesatra entiny, na station de pesage, amin'ny Lalam-pirenena faha-2, faha-4, faha-6 ary faha-7, entin'ny mpiasa anehoana fitakian-karama, izay ambaran'izy ireo fa efa amam-bolana no tsy voaray.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra