Fahasalamam-bahoaka : Hisy ivontoerana famindrana voa eo Andohatapenaka
Nankatoavina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny hametrahana ny Ivontoerana Famindràna Voa (Centre de Transplantation Rénale) eo Andohatapenaka.
Noho ny fandrosoan’ny fahaiza-manao sy ny fivoaran’ny fitsaboana dia miara-manaiky ireo manampahaizana manerana izao tontolo izao fa azo sorohina amin’ny alalan’ny famindràna taova ny fahafatesana sy ireo olana ara-pahasalamana goavana ateraky ny fahasimbana taova.
Ao anatin’ny vinan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanomezana alalana ny famindrana sy fanaovana grefy taova eo anivon’ireo CHU an’ny fanjakana izay manana ny fitaovana ilaina sy takiana ahafahana manatanteraka izany ao anatin’ny fanajàna tanteraka ny fenitra.
Ho an’i Madagasikara, fandaniana mihoa-pampana ny fandefasana olona hitsabo tena any ivelany mba hanatanteraka famindràna voa. Izay antony izay etsy andaniny no namporisika ny fanjakàna hametraka izao ivon-toerana voatokana izao.
Etsy ankilany kosa ny fanaovana volavolan-dalàna mikasika ny famindràna sy fanaovana grefy taova hafa ankoatran’ny voa.
Diplomasia : Fifandimbiasan'ny fampiraharahana sy ny ady hamahana olana
Matetika heno ny resaka hoe diplomasia, ka adika vilana hoe fiatsaram-belatsihy.
Inona tokoa moa izy io ?
Firenena roa mifandray no tena ampiasana azy.
Ny samy firenena dia natao hiaro ny tombon-tsoany sy ny mponina ao aminy.
Misy izany ny fifampiraharahana rehefa tsy mitovy ny tombon-tsoa harovana, ka miroso amin'ny famahana olana ampilaminana, tsy mampiasa hery na fanafitohinana. Ezahana hatrany ampanjakana ny filaminana mandritra ny dinika ahazoan'ny roa tonta tombon-tsoa.
Rehefa tena tsy voavaha kosa ilay olana, dia mety hitranga ny fampiasan-kery, eny mety hiafara amin'ny ady sy fampiasana fitaovam-piadiana hifanandrinan'ny roa tonta.
Mipetraka hatrany izany ny fifandanjan-kery, na amin'ny fifampiraharahana ampilaminana, na amin'ny ady miaraka amin'ny fampiasana fitaovam-piadiana.
Araka ny Convention de Vienne (Autriche), izay fifanarahana iraisam-pirenena neken'ny maro tamin'ny 18 aprily 1961, ary nanomboka nampiharina ny 24 aprily 1964, dia manamafy fa ny Firenena roa dia afaka mifanaraka ny ampiantrano ny andaniny sy ankilany ao aminy, ka hametraka toeram-piasana sy toeram-ponenana vonjy maika na maharitra ao amin'ilay firenena ivahinianany.
Io no antsoina hoe Ambassade na Mission diplomatique na Masoivoho. Mety ho birao fiasana fotsiny io, na mety misy toeram-ponenana mihitsy any amin'ilay Firenena ivahinianana.
RDC vs BAREA : Anio tolakandro ny lalao
Tanterahina anio ao amin’ny Stade des Martyrs - Kinshasa any Repoblika Demokratikan’i Congo ny lalao hihaonan’ny Léopards RDC sy Barea Madagasikara, amin’ny fifanintsanana hiadiana toerana izay ho solontenan’i Afrika amin’ny Mondial 2022 hatao any Qatar.
Amin’ny 2ora any an-toerana, na 4ora eto Madagasikara ny lalao, ary hivantana amin’ny TVM.
Tsiahy ny vokatra tamin’ireo lalao dimy farany nihaonan’ny ekipam-pirenena roa tonta :
- Jolay 2019 : Madagasikara (4) 2 - 2 (2) RD Congo (CAN 2019)
- Jona 2016 : Madagasikara 1 - 6 RD Congo (Elim. CAN 2017)
- Jona 2015 : Madagasikara 1 - 2 RD Congo (Elim. CAN 2017)
- Jona 2000 : Madagasikara 3 - 0 RD Congo (Elim. Mondial 2002)
- Aprily 2001 : Madagasikara 0 - 1 RD Congo (Elim. Mondial 2002)
Faritra Vatovavy : Hapetraka amin’ny fomba ofisialy anio
Hotanterahina ao Mananjary anio alakamisy 7 oktobra 2021 ny lanonam-panjakana hametrahana amin’ny fomba ofisialy ny faritra faha-23, Faritra Vatovavy, izay distrika telo no mandrafitra azy, dia i Mananjary, sady renivohitry ny Faritra, Ifanadiana ary Nosy Varika.
Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny didim-panjakana manendry an’i Randriarison Maurice Lucien ho « Governoran’ny Faritra Vatovavy ».
Noraisina tamin’io fotoana io ihany koa ny didim-panjakana manendry an’i Andriamihitsakisa Timothée Roger, ho « Préfet » an’i Mananjary.
(Sary nindramina)
Akademia Malagasy : Pr Rajaoson François no Filoha vaovao
Pr Rajaoson François no Filoha vaovaon'ny Akademia Malagasy taorian'ny fifidianana natao ny talata 05 oktobra 2021.
Ny taona 1969 izy no nahazo diplaoma doctorat, ary nampianatra teny amin'ny oniversite.
(Jereo Sary Tohiny)