Filtrer les éléments par date : mercredi, 06 octobre 2021

Sa misy ifandraisana amin'itony vokam-pifidianana itony, nefa ny an'ny hafa aza mba resy be nefa nahazo.

Tafandria mandry e.
Patrick

Publié dans Pilo kely

Nihaona tao amin'ny Masoivoho Britanika, tao Ankorondrano, androany maraina alarobia 06 oktobra 2021, ny Solombavambahoaka voafidy tao Toliara 1, sady Filohan'ny federasionin'ny Judo aty Afrika, Siteny Randrianasoloniaiko sy ny Ambasadaoro David Ashley.

 

Publié dans Tselatra

Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny talata 5 oktobra 2021 ireo ombivavy be ronono miisa 165. Taranak’omby « Montbéliarde » sy « Normande » izy ireo, ary samy mitondra vohoka 5 volana avy.


Voalaza fa efa nandalo fizaham-pahasalamàna sy « quarantaine » avokoa ireo omby vahiny ireo, araky ny fenitra iraisam-pirenena takiana amin’ny fanafarana omby, ka tsy ahiana hitondra aretina eto an-toerana.

Hampiakarana ambony ny tahan’ny famokarana ronono eto Madagasikara, ka hisitrahan’ny Malagasy sakafo be « protéines », hampihenàna ny fanafarana ronono, ary ampitomboana ny fidiram-bolan’ireo tanora sy tantsaha misehatra amin’ny fiompiana omby sy fanodinana ny vokatra ronono no voalaza fa anton’izao ezaka fanafarana omby izao.

Raha eo amin’ny 4 litatra isan’andro eo no ronono azo avy amin’ny omby malagasy, dia ho tafakatra 25 litatra hatramin’ny 30 litatra isan’andro izany, ary hahatratra 7 500litatra isan-taona isaky ny omby vavy be ronono iray.

Publié dans Economie

Mandeha tsara ny asa rehetra ato anatin'ny distrika efatra mandrafitra ny faritra Amoron'i Mania, izay veliranon'i Filoham-pirenena no ezaka himasoan'ny ministeran'ny fahasalamana sy ny Governora-paritra izay tarihan'ny Ramatoa Mamiarisoa Aline.

Ny teny filamatra amin'izany dia ny "fahasalamana hoan'ny rehetra".

Hita amin'izany ny fotodrafitrasa antsangana ao amin'ny :

Publié dans Sociale

Taorian'ny fihaonana tamin'ny vahoaka, izay nataon'ny Filoha Andry Rajoelina tao Ambovombe, dia niara-niainga tamin'ny angidiby ny Filoha sy ny solombava-mhoaka voafidy tao Ambovombe, sady Kestora voalohany, Jean Michel Henri, ary ireo olo manan-kaja maro nihazo an'i Erakoke, izay misy torapasik'i Maroalomainty.

Tao no nisy fihaonana manokana teo amin'ny Filoha sy ny Député Jean Michel nandinika mivantana ny tohin'ny fampandrosoana an'Androy, ankoatr'ireo izay efa mandeha amin'izao fotoana izao.

Tamin'ny firahalahiana sy fitiavana tokoa no nihaonan'izy mirahalahy mianaka.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique
mercredi, 06 octobre 2021 11:03

Baolina kitra : Léopard vs Barea

Nigadona tao Kinshasa, Repoblika Demokratika an'i Kongo ny delegasiona niainga avy tany Madagasikara, izay ahitana ireo mpilalao izay milalao any La Réunion sy ireo milalao eto an-tanindrazana, izay notarihin'ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Mamod'Ali Hawel.

Ao amin'ny Hôtel Royal ny delegasiona no mivantana.

Efa tonga any an-toerana koa ireo mpilalao avy any Etazonia, any Eropa ary any Afrika.
Efa miatrika fanazarantena izy ireo mialoha ny lalao.

 

Publié dans Sport

Nitrangana haitrano tao Malaimbandy Distrikan'i Mahabo ny talata 05 oktobra 2021. Trano 26 tafo no may kila hotohoton’ny afo tamin'izany, ary 197 olona no tsy manan-kialofana.

Nanao antso avo amin’ny governemanta ny depiote voafidy tao Mahabo, Razafindrazalia Yvonne, mba hijery akaiky izao fahavoazana izao, sy ny hanampiana ireo traboina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nakaton'ny mpiasa sy mpandraharaha ny vavahady fidirana eny amin'ny oniversite Ankatso - Antananarivo ny talata 05 oktobra, nitokona teo amin'ny Esplanade nanehoan'izy ireo ny fitakiana handoavana ny karamany izay tara lava ny fandoavana izany.

Tapitra ny faran'ny herinandro teo rahateo ny 72ora nomen' izy ireo handoavana io karama io, nefa tsy mbola nivaha ny olana, ka dia izao roso amin'ny fampikatsoana ny asa aman-draharaha izao izy ireo.

Ny 4 oktobra no tinapaky ny COPRIES fa hanombohan'ny taom-pianarana amin'ny oniversitem-panjakana, nefa izao mifanojo amin'ny fitokonan'ny mpiasa sy mpandraharaha izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanolotra solosaina roa ho an'ny EPP Ankadifotsy II-Antananaribo ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana sady minisitry ny Fitsarana IMBIKY Herilaza sy ny reniny.

"Anjara biriky ho an'ireo tompon'andraikitra, fa indrindra ireo zanaka izay matetika avy amin'ny fianakaviana tena sahirana ao amin'io Fokontany io izao tolotra izao", hoy ny minisitra.

"Nampianatra tao ny reniko nanomboka ny taona 1979 hatramin'ny nisotroany ronono. Nianatra tao ny tenako nanomboka kilasy T1 ka hatramin'ny T5. Manana adidy sy tamberin'andraikitra izahay mianaka satria nahitanay soa io toerana io. Nanabe, nikolokolo", hoy hatrany izy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale