Filtrer les éléments par date : mardi, 05 octobre 2021
mardi, 05 octobre 2021 19:43

Zay koa ty tsakotsako-tsika nandroany

Zay koa ty tsakotsako-tsika nandroany

Publié dans Tselatra
mardi, 05 octobre 2021 08:02

Nanjavona ry 6% omaly alina

Faly ny kaonty fako, nisento tokana nandeha natory..

Soava tsaraha aby e.
Patrick

Publié dans Pilo kely
mardi, 05 octobre 2021 07:52

Facebook : Nikatso maneran-tany

Nanomboka omaly alatsinainy 04 oktobra 2021 tokony tamin'ny 07ora hariva no nanjavona teo amin'ny serasera internet ny Facebook, ny Messenger, Instagram ary WhatsApp izay iray giropy avokoa ireo. Efa tamin'ny 1ora maraina teto Madagasikara, vao nivaha ny olana.

Tsy mbola mazava hatreto ny anton'izao fahatapahana lava be naharitra 7ora izao, izay fahatapahana lava indrindra teo amin'ity tambazotra serasera ampiasain'ny olona mihoatra ny 2.7 miliara maneran-tany ity.

Raha ny tomban'ireo mpandinika informatika, dia olana anaty sy ny tsy fahafahana mahita ny lalan-kombana manondro ny solosainan'ny Facebook na ny DNS (Domain Name System) no antony manakaiky ny marina indrindra.

Na ny fifandraisana anaty ho an'ny mpiasa aza dia nahitana olana, hatrany amin'ny fidirana ao amin'ny toeram-piasana, salle de conférence, eny hatramin'ny fampiasana ny badge biométrique ho an'ny mpiasa sasany.

Ao ihany koa moa no manombana fa nisy piraty tafiditra nampikatso an'ity tambazotra goavana ity, izay mbola tsy voaporofo aloha hatreto.

Publié dans Editorial