Filtrer les éléments par date : lundi, 04 octobre 2021

Panne mondiale chez le groupe Facebook, Messenger - Instagram - WhatsApp

Publié dans Fil info

Notanterahina tetsy amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, androany, ny fananganan-tsaina fanao isaky ny Alatsinainy ho an’ny fianakaviamben’ny ministeran’ny Fitsarana.

Nandritra izany no nanoloran’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, IMBIKI Herilaza, solosaina miisa 20 sy « onduleurs » avy amin’ny tenany manokana ho fanampiana amin’ny fanafainganana sy fanatsarana ny fomba asa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Dradraina lava ny hoe fahalalahan'ny fanaovan-gazety sy ny fahalalahana maneho hevitra.

Amiko, tsy misy idiran'ny fanjakana na kely aza ny asa fanaovan-gazety, tsy misy ilana ny minisitry ny serasera arak'izany, minisitry ny kolo-tsaina no ampiarahana amin'ny ministera hafa, na mitokana arakarak'izay politikan'ny mpitondra.

Mila malalaka ny fananganana radio sy télé, fa tsy be fepetra toy izao, ka izay mpomba ny mpitondra hatrany no mahazo, na lasa bizina andoavana miliara ariary mihitsy ny fahazoan-dalana.

Anjaran'ny sampana OMERT no mandrindra ny resaka fréquence mba tsy hifanitsaka ny onjam-peo sy sary, resaka tekinika izany.
Toy ny firenen-dehibe maro, na klioba mpanao basket aza te hanangana radio ho azy, dia afaka manao izany.

Manana ny sampana miandraikitra azy ny haino aman-jerim-panjakana, ny ORTM, izay tsy tokony hitsabahan'ny fanjakana ihany koa, tokony hanana teti-bola tapahan'ny Solombavam-bahoaka, an'ny rehetra io fa tsy an'ny mpitondra ka izay tiany atao ao no atao.

Publié dans Editorial

Nanokana andro hanaovana hetsika sosialy hanampiana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny Faritra Amoron'i Mania. Ho fanao isaky ny zoma eo anivon’ny Faritra izy io anatin’ilay Zoma Mahafinaritra na "Vendredi magnifique".

Hetsika "katsaka sy ronono" atolotra isaky ny zoma atoandro ho an'ireo mpianatra eny amin'ny EPP, ka ny EPP Antoetra, Cisco Ambositra no nanombohana azy ny zoma fiandohan’ny volana teo.

Radaloson Mamiarisoa Aline, Goverinoran’ny Faritra Amoron’i Mania sy ny mpiara-miasa aminy no mikarakara sy nizara izany.

Sady sosialim-bahoaka no fifanampiana amin'ny ray aman-dreny izao hetsika izao, hoy ny Goverinora.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Ny 1 oktobra no natokan'ny Firenena Mikambana ho an'ny zokiolona. Efa nisy hetsika notanterahina nakomboka teo nentina nanamarihana izany, fa anio alatsinainy 4 oktobra no hanatanterahana ny fankalazana nasionaly, izay hotanterahina ao Toliara.

 

Publié dans Tselatra

Tontosa tao Sandrandahy, Distrikan'i Fandriana Faritra Amoron'i Mania ny 2 sy 3 oktobra ny Festival de la Mania, andiany voalohany.

Tonga nanokatra sy nanome voninahitra izany tao an-toerana ny Minisitry ny Asa tanana sy ny hai-tao, Sophie Ratsiraka, notronin'ireo manampahefana ato amin'ny Faritra, notarihin'ny Goverinora Mamiarisoa Radaloson.

Nisongadina ny hamerenana ny lazan'ny Faritra, ary ny hitazomana hatrany amin'ny maha Renivohitry ny asa-tanana ny Faritra Amorin'i Mania.

Nitety ireo toeram-pivarotana sy fanaovana asa tanana tao Ambositra, ary nihaona sy nifampidinika tamin'ireo mpanao asa-tanana ny minisitra, niaraka tamin'ny manam-pahefana ao an-toerana izay notarihan'ny Goverinora.

Publié dans Politique

Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Efa tokony havaozina ny mpikambana mandrafitra ny birao. Eo no mampifandrirotra ka mampizara ny samy mpanao gazety andaniny, ary ankilany ny mpanao gazety sy ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina.

Publié dans A la Une