Filtrer les éléments par date : samedi, 30 octobre 2021

Notanterahina androany sabotsy 30 Oktobra 2021 tao amin’ny Lapan’Anosikely ny fifidianana izay hisolo tena ny Antenimierandoholona eny anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI.

Miisa 10 ireo Loholon’I Madagasikara afaka nanatanteraka fifidianana, ka lany tamin’ny isam-bato 9/10 Razafimamonjy Laza Rabary.

Mpikambana ao amin’ny “Corps des Administrateurs Civils en Chef de Classe Exceptionnelle », Razafimamonjy Laza Rabary izay mitàna ny andraikitra Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy nanomboka ny taona 2019 mandrak’ankehitriny.

Publié dans Politique

Mitohy milamina ny fanokana-monina ireo ombivavy beronono nafarana avy any Frantsa miisa 165, ka napetraka ao amin’ny FIFAMANOR Andranomanelatra Antsirabe II.

Publié dans A la Une