Filtrer les éléments par date : dimanche, 03 octobre 2021

Mitohy ny fidinana ifotony sy fanatonana akaiky ireo mpiara-miasa, ataon'ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana IMBIKI Herilaza. Tao Maevatanana sy Ankazobe ny delegasiona notarihiny ny Sabotsy 2 Oktobra 2021.

Vao tonga tao Maevatanana dia ny Fonjambe avy hatrany no nojerena, nizahana sy namantarana ny fiaimpiainan'ireo voafonja. Taorian'ny fifampiresahana dia tapaka fa ho jerena manokana ny fomba hahafahana mamatsy rano ao.

Hatomboka koa ny ezaka hahavelona ny "camp pénal".

Toerana mafana i Maevatanana ka hanolotra "ventilateur" ny Minisitra ary efa nanome vola hividianana vary sy hena mba hiova kely ny sakafon'ireo voafonja.

Nandritra ny fihaonana tamin'ireo Mpitsara sy mpiasan'ny Fitsarana kosa dia nametraka ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana IMBIKI Herilaza, ny amin'ny fanafainganana ny asam-pitsarana sy ireo fomba fiasa mila arahina, hiarahan'ny rehetra hanova ny fomba fijerin'ireo vahoaka.

Publié dans Politique

Nahitana taolam-paty roa gony teo amin'ny Port Fluvial Mahanoro androany Alahady 03 Oktobra maraina.

Misokatra ny fanadihadiana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Hohajariana tanteraka ny moron-dranomasin'i Libanona izay tena mampalaza ny tanànan'i Tolagnaro, ary tsy ho mena-mitaha amin'ireo morontsiraka malaza any ivelany.

Napetraka, ny sabotsy 2 oktobra 2021, ny vato fototra ho mariky ny fanombohan'ny asa.

Ho tanterahina miaraka amin'ny orinasa TELMA ny asa fanamboarana, ary afaka 8 volana no vinavinaina ho vita ny asa.

Hisy toerana fanaovana fampisehoana, toerana fialana hetaheta sy hahafahan'ireo mpitsangatsangana mijery ny masoandro mody ao an-toerana.

Apetraka ao an-toerana ihany koa ny "connexion WIFI" maimaim-poana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
dimanche, 03 octobre 2021 11:24

France : Bernard Tapie n'est plus

Après un combat contre le cancer, Bernard Tapie est décédé ce matin dimanche 03 octobre 2021 à l'âge de 78ans.

 

Publié dans Fil info