Filtrer les éléments par date : mercredi, 27 octobre 2021

Ao anatin'ny toe-tsaina ho fanajana sy fiaraha-miasa miaraka amin'ireo Raiamandreny eo anivon'ny Fitsarana dia nihaona tamin'i Atoa Imbiky Herilaza, Mpitahiry ny tombokasem-panjakana sady minisitry ny Fitsarana, ny talata 26 okotobra, ny Filohan'ny Fitsarana Fandravana sy ny Lehiben'ny Fampanoavana ao amin'ny Fitsarana Fandravana ao amin'ny Fitsarana Tampony, nifampitafa sy nifanome sosokevitra ny hanatsarana ny fampandehanana ny raharaham-pitsarana.

 

Publié dans Politique

Tohin'ny fihaonana sy dinika nataon'i Solombavam-bahoaka voafidy tao Ambovombe, sady kestora voalohany ao amin'ny Antenimieram-pirenena, Jean Michel Henry sy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ary ny fiaraha-miasa tamin'ny Minisiteran'ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidioavana, dia ho tanterahina ny fitarihan-drano amin'ny alalan'ny fantsona lehibe hamatsiana rano fisotro madio ho an'ny faritra Anosy sy ny faritra Androy.

Efa manatanteraka ny tolo-bidy momba ny pipeline Efaho ny eo anivon'ny ministeran'ny rano tarihan'ny minisitra Ladislas Adrien Rakotondrazaka.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Un conflit est sur le point d’exploser entre les usagers et les acteurs

œuvrant au Grand Port : les compagnies maritimes, la douane et MICTSL.

Si l’Administration Portuaire, ainsi que les Ministères concernés ne trouvent aucun compromis dans dans les plus brefs délais, c’est l’économie nationale qui sera prise en otage ;

Malgré un contexte de relance économique très fragile, certains privés (manutentionnaires, compagnies maritimes, sociétés de logistiques et de transport, prestataires œuvrant dans le port) ne lésinent pas les moyens pour extorquer le maximum !

En effet, plusieurs Compagnies Maritimes pratiquent des décisions unilatérales et arbitraires à l’encontre des opérateurs touchant le métier de la logistique portuaire et douanière.

Publié dans Editorial

Manana EPP, saingy efa tena tranainy loatra ny sekoly ao amin’ny Fokontany Ampila, Kaominina Ambositra Faharoa, Distrika Ambositra ny teto anivon'ny Faritra Amoron'i Mania, no sady mitete ny tafo, kanefa dia tena marobe ny mpianatra mianatra ao.

Mazoto mampiana-jaza rahateo ny Ray aman-dReny ao an-toerana.

Hanamboaran’ny Faritra Amoron'i Mania EPP vaovao ao Ampila ho lovainjafy, ka nanomboka androany ny asa fananganana.

Niara-nanatanteraka ny fametrahana ny vatofototra tamin’ny Goverinoran’ny faritra Amoron’i Mania, Radaloson Mamiarisoa tamin’izany ny Solombavambahoaka voafidy tao Ambositra, ny Prefen’Ambositra, ny Ben'ny Tanàna Ambositra faharoa, ireo Mpanabe sy Ray aman-dReny marobe.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Hananganana fotodrafitrasa ho mozean'ny vakoky ny haino aman-jery na Havoria ilay tokontaniben'ny ORTM Anosy, toerana nisy ny RNM may nisy nandoro ka kila hotohoton’ny afo nandritra ilay Alatsinainy Mainty ny 26 janoary 2009.

Tonga nametraka ny vato fototry ny fanorenana ny Havoria, androany alarobia 27 oktobra 2021, ny filoha Andry Rajoelina. Notronin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, ny Filohan'ny Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa, ary ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy.

Haranty ao anatin'ity mozea ity ny fitaovana fahizay, miaraka amin'ny fampisehoana ireo horonan-tsary sy horonam-peo mirakitra ny tantaran'ny firenena.

Mahazaka mpijery 700 ny Havoria, ary azo hanatanterahana ireo karazana seho lehibe, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

3km monja miala amin’ny lalam-pirenena faha 4 no misy an’i Madirotelo, Fokontany iray ao anatin’ny Kaominina Berivotra 5/5, Distrika Maevatanana, Faritra Betsiboka.

Mampalahelo ny mahita ireo mpianatra ao amin’ny EPP mipetraka manao ladina an-tany fa tsy misy na dia dabilio iray aza.

Ny efitrano ihany koa amin’io efa tena ratsy, mitriatra ary atahorana sao dia hitera-doza amin’ny fahavaratra, ka sanatria hahafaty mpianatra raha tsy misy ny fanamboarana io sekolim-panjakana io.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Navoakan’ny mpanazatra Eric Rabesandratana androany alarobia 27 oktobra 2021 ny lisitr'ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy na Barea, hiatrika ireo lalao roa farany fifanintsanam-bondrona, amin’ny andro faha 5 sy faha 6, hiadian-toerana izay hisolotena an’i Afrika amin’ny fiadiana ny tompondaka manerantany amin’ny baolina kitra hatao any Qatar amin’ny 2022.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Mitohy ny fitokonan’ireo mpiasa amin’ireo toerana fandanjana fiara vaventy (Station de pesage) saika manerana an'i Madagasikara. Mitaky karama fito volana amin’ny fanjakana izy ireo.

Publié dans A la Une

Notanterahina ny talata 26 oktobra 2021 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny fifidianana izay ho solontenan’ny Antenimieram-pirenena ao amin’ny Komitim-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na CENI.

Nandritra izany no nifidianan’ireo Solombavambahoaka, miisa 118 tamin’ny 130 nandatsa-bato, an’i Houssene Adballah.

Efa nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena i Houssene Abdallah. Mpitsara misotro ronono izy ankehitriny, ary efa Minisitry ny Fitsarana tamin’ny taona 1996-1997, Minisitry ny Jono tamin’ny 1997-2002, Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Soalala, Faritra Boeny tamin’ny taona 1997 sy tamin’ny taona 2014-2018, ary mpikambana teo aloha tao amin’ny Haute Cour de Justice avy amin’ny Antenimieram-pirenena.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Notanterahina ny Talata 26 Oktobra 2021 tao amin’ny Lapan’Anosikely ny fifidianana ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny Faritany Avaratra, toerana izay banga taorian’ny nanendrena ho Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana minisitry ny Fitsarana ny tompon-toerana, IMBIKI Herilaza.

Ny Loholon’i Madagasikara, Erick Lambert Besoa no kandidà tokana natolotry ny Loholon’i Madagasikara, Bin Soufou Alidy, sy ny Loholon’i Madagasikara, Donat Tang Manasoa tamin’izany; ka lany ho Filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny Faritany Avaratra tamin’ny isam-bato 15 amin’ny 15 tonga nifidy.

Mbola banga hatreto kosa ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona avy amin’ny fanoherana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique
Page 1 sur 2