Rakotomalala Lucien : Nasitrika tany Befandriana Sud ny taolambalon’ity depiote IRD ity
Nodimandry ny talata 7 jolay 2020, vanimpotoana nampamaivay ny valanaretina Covid-19, i Rakotomalala Lucien dit «Le Fomela», solombavambahoaka IRD voafidy tao amin’ny Distrika Morombe, Faritra Atsimo Andrefana.
Voalaza fa nanana areti-mitaiza sohika ity parlemantera ity. Talohan’ny nifaranan’ny fotoam-pivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena izy no efa tsy salama, ary tsy tonga niatrika fivoriana intsony. Tao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana no nitsaboana azy, saingy tsy tana ny ainy.
Nampahafantatra tamin’ny alalan’ny tambazotra Facebook ny fianakaviany fa ho tanterahina ny zoma 22 oktobra 2021 eny Ambohijanaka Imerimanjaka – Antananarivo Atsimondrano ny fitondrana ny taolambalony hiazo ny tanindrazany any Befandriana Sud.
Antsiranana : Voasambotra ireo andian-jiolahy nangalatra ny ombin’ny Praiminisitra
Ravan’ny Polisim-pirenena ny tambazotran-jiolahy, mpangalatra omby sy vaky trano nampitondra faisana ny mponina tao Antsiranana sy ny manodidina.
Folo mianadahy no voasambotra ny 23 sy 24 oktobra teo, lehilahy ny valo ary vehivavy ny roa. Misy amin'izy ireto ny mpivarotra sy mpamily ary ny mpangalatra.
Omby efa manodidina ny zato no nangalarin’izy ireo, ka anisan'izany ny ombin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny reniny tao Sakaramy Antsiranana II, very tamin'ny volana Septambra 2020.
Cité Ambohipo : May ny trano, tsy manana rano ny pompier, tsy misy fiarovana amin'ny setroka
Trano iray tetsy amin'ny Fokontany Cité Ambohipo, Boriborintany faha 2 Antananarivo Renivohitra, tsy tao ny tompony, no nirehitra voalohany ny tolokandron'ny talata 26 oktobra 2021, tsy fantatra mazava hatreto ny niaingan'ny afo, fa ny toeram-pivarotana zava-pisotro teo akaikiny no tena voa mafy.
Nalaky tonga ny mpamono afo, amoron-dalana ny trano may, mihazo ny Dispensaire ambonin'ny tsena iny, fiarabe 4 no tonga, fa kely dia kely ny rano tao anatiny, ka dia ety ambonin'ny EPP no nitarika rano sahabo ho 200m miala ny toerana may.
Tonga teny an-toerana ihany koa ny Polisim-pirenena nandamina ny fifamoivoizana sy niaro sao misy ny manararoatra.
Tsy manana fiarovana amin'ny setroka ireto mpamono afo, ka sarotra ny nidirana avy eny ambony tafo namono ny afo. Arovava orona lamba no ampiasain'izy ireo, ka kohaka setroka tsy azo iainana no anaovany asa famonjena. Tsy nisy naratra na aina nafoy, samy tafavoaka avokoa ny tao an-trano.
Mahajanga : Najifan’ny mpangalatra ny solika 5 455 litatra tamina sambo iray teo amin’ny seranana
Efa tany Marovoay no sarona ny entana halatra. Notaterina tamin’ny vedety ireo solika halatra 5 455 litatra, ary teo am-pitaterana azy hiditra any an-tranon’ny olona mpandray azy no saron’ny zandary avy amin'ny vondro-tobim-pileovana Boeny ireo olon-dratsy ny 20 oktobra 2021.
Olona 4 no voasambotra, ka ramatoa mpandray ny entana ny iray, ary lehilahy ny telo. Natolotra fampanoavana ny alatsinainy 25 oktobra 2021 izy ireo, ka notanana am-ponja vonjimaika.
Voalaza fa solika 11 000 litatra no nisy nangalatra teo amin'ny seranantsabon'i Mahajanga, ka tratra.
(Jereo Sary Tohiny)
Famatsiana herinaratra : Hisitraka hazavana indray ireo Fokontany manodidina an’i Antetezambato Ambositra
Haverina hihodina ny milina rehetra. Manamboatra ireo tokony hamboarina ny teknisianina. Ho soloina ny tokony ho soloina rehetra, anisan’izany ireo andrin-jiro tranainy.
Vahaolana avy hatrany no naroson’ny Governoran’ny Faritra Amoron’i Mania, Mamiarisoa Radaloson raha tonga nijery ifotony ny olana tsy nahafahan’ny foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny rano ao Antetezambato amin’ny lalam-pirenena faha-7, Kaominina Tsarasaotra, Distrika Ambositra, ka nahatapaka efa naharitra, ny jiro tamin’ireo tanàna manodidina.
Fokontany miisa fito manodidina no misitraka herinaratra vokarin’ity toby famokarana kely ao Antetezambato ity.
Miara-miasa akaiky amin'izao famerenana amin’ny laoniny ny famokarana herinaratra ao Antetezambato izao ny Solombavam-bahoaka voafidy tao amin'ny Distrika Ambositra sy ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Tsarasaotra.
(Jereo Sary Tohiny)