Filtrer les éléments par date : dimanche, 24 octobre 2021
dimanche, 24 octobre 2021 20:22

Nosy Be : Gorobaka ny sisintany !

Mampametra-panontaniana ny maro ny tranga roa niseho tamin’ity herinandro ity, andro vitsy nialoha ny fisokafan’ny sisin-tany amin’ireo Nosy manodidina.

Volamena milanja 22,5kg nivoaka tao, ary soa fa tratra tatsy amin’ny nosy Seychelles. Teo koa ny fivoahan’ny praiminisitra teo aloha Ravenolarivo Jean, nefa olona nosazian’ny Fitsarana higadra an-tranomaizina.

Fa nahoana no tafavoaka ireo ? Gorobaka ny sisintany ? Fa nahoana ao Nosy-Be ? Aiza ho aiza ny andraikitry ny mpitandro ny filaminana manoloana izany, manomboka any amin’ny “Poste avancé” ka hatrany amin’ny Fari-piadidian’ny zandarimaria sy ny Polisim-pirenena any DIANA, izay Faritra fiavian'ny praiminisitra lehiben’ny governemanta sady lehiben’ny asam-panjakana rahateo.

Hisy tohiny sa vitavita ho azy ny tranga toy itony ?

 

 

Publié dans Editorial

Potika tena efa hatry ny ela ny lalam-pirenena faha 34 anelanelan’Antsirabe sy Betafo amin’izao fotoana, ary raha sanatria ho tratry ny orana eo, dia izay no vita, hoy ny vahoaka.

Raha tena laharam-pahamehana ho an’ny fitondrana amin’izao ny lalana, tsy tazanim-potsiny toy izao ny fahasimbany, ny volan’ireo mpikojakoja lalana rahateo aza moa tsy mbola voavaha hatreto hoy ireo mpampiasa iny lalana iny.

Nahita maso ny fahasimbana ny minisitry ny asa Vaventy tamin’ny volana Jona 2021 raha nizara “titre” faobe tany Betafo. Vao haingana no nandalo teo ny filohan’ny Antenimierandoholona nanao fitsidiham-paritra, nefa dia mandalo fotsiny ity lalana ity.

Nanakiana mafy ny minisitry ny Asa vaventy ny depiote voafidy tao Betafo tamin’ny IRD, ary nilaza fa efa ny lalana indray no ambany noho ny tanimbary, ary nanao antso avo ny mba hijerena azy ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
dimanche, 24 octobre 2021 15:29

24 octobre : Journée des Nations Unies

La Journée des Nations Unies est célébrée chaque année à la date du 24 octobre, jour anniversaire de l'entrée en vigueur de la Charte des Nations Unies en 1945.

 

Publié dans Fil info

Lasibatry ny mpamaky trano ny Fiangonana Pentekotista Mitambatra ao Ambodiakondro Moramanga, ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 23 oktobra. Lasan’ny jiolahy tamin'izany ny fanamafisampeon’ny Fiangonana.

 

Publié dans Tselatra

Hatsangana amin'ny velaran-tany manodidina ny 15ha ao amin'ny seranan-tsambon'i Ehoala any Tolagnaro ny Taninketsa Indostrialy voalohany ho an’ny faritra Anosy.

Nitsidika an'io toerana io ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy ny zoma 22 oktobra tao aorian’ireo atrikasa ifotony natrehany.

Hanampy betsaka ny mpandraharaha eny ifotony amin’ny fanodinana ireo vokatra fanilo mampiavaka ny faritra ny fisian’ireo Taninketsa Indostrialy. Hanamora ny famatsiana ny faritra sady hanafaingana ny fanondranana ireo vokatra voahodina ao an-toerana ihany koa.

Nanentana ireo mpampiasa vola ao an-toerana, na teratany na vahiny ny Governoran'ny faritra Anosy, Raharimbola Jocelyn handray anjara amin’ny fanatanterahina ny tetikasa ho fampandrosoana ara-toekarena mahomby sy maharitra manerana ny faritra Anosy.

Nohamafisin'ny minisitra Edgard Razafindravahy rahateo ny fanohanan'ny MICC ara-teknika an’ ireo mpandraharaha amin’ny alalan’ny fampiofanana sy fanomezana azy ireo fitaovana matihanina, miaraka amin’ny fikojakojana an'izany fitaovana izany.

 

 

Publié dans Economie