Filtrer les éléments par date : samedi, 23 octobre 2021
samedi, 23 octobre 2021 20:38
Kaoperativa FIFIZAM : Miato mandritra ny folo andro ny fitrandrahana zotra Antananarivo-Tanambe
Nandraisan'ny Ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro fepetra ilay fiara Sprinter niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena RN44 ny alin’ny alarobia 20 oktobra lasa teo, ka namoizana ain’olona valo sy naharatrana mpandeha maro.
Nosintonina ny fahazoan-dalana miasa na "licence d’exploitation".
Nosintonina ny fahazoan-dalana mamily fiara "catégorie D" ho an’ny mpamily.
Miato mandritra ny folo andro ny fitrandrahana zotra Antananarivo-Tanambe.
Tsy maintsy manaraka fiofanana avokoa ireo mpamily sy tompona fiara ao amin’ny kaoperativa FIFIZAM.
Miato mandritra ny iray volana ny fanomezana ny taratasim-panjakana rehetra eo anivon’ny ATT (licence d’exploitation, autorisation spéciale).
(Jereo Sary Tohiny)
Publié dans
Tselatra