Antsohihy vers Ambanja à 20km
Zaimaika : Ho vitaina mialohan’ny fetin’ny faran’ny taona
Miroso ny asa fanamboarana sy ny fanatsarana ny tsena Zaimaika Ambodifilao - Antananarivo Renivohitra.
An-dalam-pahavitana ny trano, ny 90% amin’izany no efa vita, ary ho ezahina ho vitaina mialohan’ny fetin’ny faran’ny taona ny tsena, araka ny nambaran’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina raha nijery ny fizotry ny asa teny an-toerana ny Alarobia 20 oktobra 2021.
Ireo mpivarotra taloha tao amin’ny Zaimaika no voalohan-daharana hiditra sy hisitraka ny tsena vaovao.
Nambaran’ny Talen’ny tsenan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Randrianarisoa Rija fa tazomina hatrany ny maha Zaimaika azy amin’ny fivarotana sakafo.
Hisy ny « parking » eny an-toerana, ary tsy asiana mpivarotra intsony ivelan’ny Zaimaika fa hampidirina an-tsena avokoa.
(Jereo sary Tohiny)
Sokatra : Misy mpividy 3 000 euros ny iray any ivelany
Lehilahy iray no tra-tehaka teo amin'ny Gare Routière Ampasampito nitondra sokatra voarara sy ho lany tamingana miisa 79 ny harivan'ny 20 oktobra 2021.
Avy any Toliara saika haondrana any ivelany ireto sokatra ireto, izay voalaza fa misy mpividy ho 12 ka hatramin'ny 15 tapitrisa Ariary na 3 000 euros ny iray.
Nogiazana ireo biby mandrapanatitra azy any amin'ny faritra sahaza azy. Natao andrimaso ilay lehilahy nitondra azy hanohizana ny famotorana.
Mandray an-tanana ny famotorana ny ao amin'ny Tobi-paritry ny Zandarimaria Tana-Ville.
(Jereo Sary Tohiny)
Coût terrain synthétique football
Mesure terrain homologué Fifa
longueur 105m
Largeur 68m
Surface = 7 140m²
Sous-couche 15euro/m²
Gazon FOOT 28mm sans sable - synthétique 27.50euro/m²
Total 42.50euro/m²
Total terrain : 42.50euro x 7500m² = 318 750euro = 1 466 250 000ar
Total terrain sans sous couche : 27.50euro x 7500m² = 206 250euro = 948 750 000ar
Sans transport ni taxe ni travaux d'aménagement, irrigation, ni main d'œuvre, ni gradin, ni piste athlétisme.
(Voir Suite Photo)