Faritra Sofia: Hasongadina ireo otrikarena hisarihana ireo mpampiasa vola hiteraka fampandrosoana
Hotanterahina ao Antsohihy ny 28 ka hatramin’ny 30 oktobra 2021 ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Faritra na ny JIR (Journées Internationales des Régions) ho an’ny Faritra Sofia.
Hasongadina sy homen-danja mandritra io hateloana io ireo otrikarenan’ny Faritra, hisarihana ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola ary ny mpiara-miombon’antoka mba hampiroboroboana ny Faritra sy hananany fizakantena hisian’ny fampandrosoana.
Manana sisin-dranomasina tsara indrindra eto Madagasikara ny Faritra Sofia. Miavaka ny gana fotsy maso, izay tsy hita afa-tsy ao Bemanevika Bealanana irery ihany. Manana lavanila tsara kalitao ihany koa ny Faritra Sofia.
Andiany fahatelo ity hetsika ity, taorian’ny teto Analamanga sy tao Itasy, izay tarihin’ny ministeran'ny Raharaham-bahiny sy ny ministeran'ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
Toerana manan-tantara : Rova roa no saika ravan’ny afo tao anatin’ny 24 ora
Mandravarava ny afo. Rehefa tsy doro tanety dia haintrano. Afo mitoman-davana, setroka matevina sy tanety mainty no hita amin’ny toerana maro manerana ny Nosy. Tanàna maro no potiky ny afo, olona aman’arivony no traboina, nisy mihitsy aza no namoy ny ainy.
RN4 : Mitohy ny firehetan'ny tanety
Manomboka any Firarazana, mandalo an'i Mahatsinjo, ary 78km hiditra an'i Maevatanana, dia may sy mijoalajoala avokoa ny afo mandoro ny tanety izao alarobia 20 oktobra izao.
Tanety amina hektara maro no hotohoton'ny afo, amina tendrombohitra efatra tsy latsaka.
(Jereo Sary Tohiny)
Antenimieram-pirenena : Ho amboarin’ny Sinoa ilay Lapa tsy nety vita, naniry lomotra eo Tsimbazaza
Nontanterahana tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza androany 20 oktobra 2021 ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Assemblée Populaire Nationale de la République Populaire de Chine, izay nataon’ny Ambasadaoro, Guo Xiaomei sy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine, ary natrehin’ny mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra sy ireo Solombavam-bahoaka anatin’ny vondrom-pifankatiavana Madagasikara-Chine.
Marolambo : Mahatsiaro ho zanak’ikalahafa
Nitrangana haintrano goavana tao an-tananan’i Marolambo ny alahady 15 aogositra 2021. Roa volana aty aoriana, sady tsy nisy fanampiana azon’ireo traboina, no tsy nisy tompon’andraiki-panjakana mba tonga nampahery azy ireo, na eo aza ny tatitra nataon'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga.
Nisy loza nitranga toy izao tany an-toeran-kafa. Nidodododo ny mambra ny governemanta mampitraka ireo niharam-boina sy nanatitra fanampiana, fa i Marolambo kosa tsy mba nisy, toa zanak'ikalahafa ka nanao fanaraina ny zanak'i Marolambo.
Distrika farany atsimo, ao anatin’ny Faritra Atsinanana i Marolambo ; 130km miala an’i Mahanoro.
(Jereo Sary Tohiny)
Firarazana RN4 : Mirehitra ny tanety
207km tsy hidirana an'i Maevatanana, eo amin'ny lalam-pirenena faha 4, dia may tanteraka ny tanety sy ny ala kininina, mirefy 15km any amin'izao ora izao, alarobia 20 oktobra 2021.
Mitaraina ny mponina manodidina, tsy fantatra ireo mahavanon-doza.
IST Diego : Mitokona ny mpampianatra
Mikatso ny asa fampianarana ao amin’ny Institut Supérieur de Technologie na IST Antsiaranana.
Tsy ampy ny fitaovana entina mampianatra, ratsy vokatr'izany ny kalitaon'ny fampianarana.
Tsy voahaja ihany koa ny fifanarahan-kasa eo amin'ireo mpampiatra.
Mitokona ny mpampianatra rehefa tsy nivahana ny olana tamin’ny fitakiana « vacations » tsy azo hatramin’ny taona 2017-2018, taorian’ny fe-potoana nomen’izy ireo ny fitondram-panjakana ny faran’ny herinandro lasa teo.
Mijanona arak'izany, ao anatin'ny fepotoana tsy voafetra, ny asa fampianarana rehetra eto amin'ny IST Antsiranana.
(Jereo Sary Tohiny)
Fitantanam-bola : Lasa aiza daholo ireo mpanara-maso ?
Isan'andro dia ahenoana resaka foana ny fitakiana vola nanamboarana foto-drafitrasa, karama tsy voaloa, tambikarama tsy voahefa, vatsim-pianarana tsy voaloa, grevy etsy, grevy eroa, miafara amin'ny fifandonana miteraka faty olona mihitsy aza.
Ny volam-panjakana io anefa dia tsy mitovy amin'ny fitantanana volan'ny Orinasa. Eny na fiara 2 mitovy ananan'ny ministera aza, dia mampigadra ny maka ny kodiaran'ny fiara iray efa maty motera, ka afindra amin'ilay iray mandeha nefa sola pneu. Tsy maintsy misy taratasy mazava voasonian'ny tompon'andraikitra ny fanalana sy famadihana ireo kodiaran'ny fiara roa ireo.
Mila voasoratra mialoha avokoa na 1 ariary aza. Io no dinihan'ny Solombavam-bahoaka isaky ny volana oktobra alohan'ny taona ho avy, izay ampiharana ilay teti-bola. Ary ny volana mey ny taona diavina no misy fivorian'ny Solombavam-bahoaka indray manitsy ilay teti-bola raha tiana asiana fanovana ny taona diavina.
Misy efa ho 1000 pejy io teti-bola io, voasoratra amin'ny antsipirihany avokoa ny ampiasana ny vola rehetra, isaky ny andrim-panjakana, ny ministera, ny servisy isaky ny ministera, ny vondrom-bahoakam-paritra, eny isaky ny sekoly, isampokon-tany, isaky ny hopitaly sy CSB ary oniversité. Ny vola omena ny Orinasam-panjakana, ny fanefana trosa isan-tokony, hatramin'ny anjaran'ny Masoivoho samihafa.