Filtrer les éléments par date : mardi, 19 octobre 2021

Natolotra androany ny Senatera Besoa Éric Lambert, loholona vaovao notendren'ny filohan'ny Repoblika. Izy no hisolo toerana ny loholona Imbiki Herilaza, ity farany izay voatendry ho Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana minisitry ny Fitsarana nanomboka ny 15 aogositra 2021.

Mpandraharaha ara-toekarena, avy any amin'ny Faritra Analanjirofo i Besoa Éric Lambert.

 

Publié dans Politique

Tetezana mampitohy an'i Danyang sy Kunshan (Pékin - Shanghai).

4 taona no nanamboarana azy, tetezana mitondra fiaran-dalamby haingam-pandeha. Natomboka ny taona 2006 ny asa, ary nisokafana ny 30 jona 2011 ho an'ny rehetra, nandaniana vola 8.5miliara dolara teo.

Misy tetezana 9km eny ambony rano miampita ny ranon'i Yangcheng.
Mpiasa maherin'ny 10 000 no niaraka nanamboatra azy.
80m eo ho eo ny elanelana isaky ny tsatoka milanja azy avy ato ambany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Masomboly soja nanodidina ny 20 taonina no nozarain'ny Ben'ny tanànan'i Betafo, Randriatahinamalala Livasoa Moratiavina ho an'ny tantsaha nanodidina ny 16 000 isa tany an-toerana, ny sabotsy 17 Oktobra 2021 teo.

Fiaraha-miasa tamina mpandrahara sy amin'ny anaran'ny fikambanana Firaisankina, izay tarihiny no nanaovany izao hetsika izao.

Distrika telo ao Vakinankaratra no hisitraka izao tetikasa izao, dia i Betafo sy Mandoto ary i Faratsiho amin’izao fiandohany izao, saingy hihitatra any amin'ireo distrika hafa izany aoriana.

Fantatra moa fa ny fikambanana ihany no hanangona ny vokatra amin'ny fotoam-piakarany, ary mbola hanangona ny vokatr’ireo tantsaha hafa ihany koa satria soja 24 000 taonina no ho kendrena amin'ny taom-piakarana ho avy io.

Nialoha ny fizarana ny masomboly dia nisy ny fanofanana ireo tantsaha hisitraka izany, ary hisy mpiasa hanara-maso ara-teknika ny fambolena ihany koa.

Publié dans Sociale

Ny EASY PARK no nitantana ny toeram-piantsoanana teo aloha, ankehitriny dia noraisin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na CUA tanteraka ny fitantanana izany amin’ny alalan’ny SMGD na Sociétè Municipale de Gestion Digitale.

“Tsy misy intsony ireo olona mpaka vola hafa eny amin’ny “parking” fa efa notsoahina”, hoy ny tale jeneraly misahiana ny “Sociétè Municipale de Gestion Digitale”, ANDRIAMANANONY Thierry.

Eny amin’ny “kiosque “ na toerana izay efa natokana hanjifana izany, na ihany koa mampiasa “mobile money “ no andoavana ny saram-piantsonana, hoy hatrany ity farany.

 

Publié dans Tselatra

« On ne fait plus confiance en la justice Malagasy» décrie les familles des prévenus dans l’affaire Danil RADJAN, en réaction à l’arrêt de cassation du 24 Septembre 2021, qui casse l’arrêt d’acquittement et renvoie le dossier devant la Cour criminelle.

Ils ont martelé que les droits de la défense ont été bafoués tout au long des procédures : que leurs aveux ont été extorqués à coups de violences policières, leurs images salies et ternies quotidiennement dans les média et réseaux sociaux, à travers de désinformations qui les désignaient coupables, mais surtout diverses pressions ont été/et sont exercées sur les magistrats en charge du dossier.

Au rappel des faits, un ressortissant français « KARANA » a été assassiné en septembre 2020 ;

Depuis des polémiques n’ont cessé d’alimenter les réseaux sociaux ;

Publié dans Politique

Tsy matoky ny Fitsarana intsony ny fianakavian’ireo voampanga amin’ny raharaha Danil RADJAN tao aorian’ny fandravana didy navoakan’ny Fitsarana tampony ny 24 Septambra 2021 teo. Nambaran’izy ireo fa voazimbazimba hatrany ny zon’ny voampanga satria dia efa nandeha teo ny vono mba ahazoana fieken-keloka tany am-piandohan’ny raharaha, ny fanosoram-potaka isan’andro amin’ny haino aman-jery sy ny famoahana vaovao mitanila sy manameloka sahady, fa indrindra ny tsindry atao amin’ny Fitsarana.

Nanaitra ny maro misehatra ao amin’ny tontolon’ny Fitsarana tokoa mantsy ny sori-dalàna maro napetrak’ity raharaha ity. Raha tsiahivina ny toe-draraha, dia nisy famonoana teratany karana iray, Danil RADJAN, ny volana septambra 2020. Raha vaovao sy resabe nanintona no fahitan’ny be sy ny maro ny toe-draharaha dia fandikan-dalàna sesilany no fahitan’ny mpahay lalàna azy, satria hoy izy ireo tsy fanajana ny “présomption d’innocence” ny familiviliana ny saim-bahoaka natao tamin’ny fanamelohana maro samihafa tamin’ny haino aman-jery, sy tambazotra, ary ny fiparitahan’ireo tsiambaratelo marobe, vidéo sy fitanana an-tsoratra, dia tsy fanajana ny tsiambaratelon’ny famotorana (secret de l’instruction).

Publié dans Vaovao

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tao Zatobe, Kaominina Marotampona, Distrika Tsiroanomandidy ny Sabotsy 16 oktobra 2021 ny fampanarahana entin-tanana ho an'ny omby vavy gasy ho fanatsaràna ny taranak’omby. Nitarika izany tany an-toerana ny Minisitra lefitra misahana ny fiompiana Dr Raymond.

Tsapa fa mihen-danja ny omby raha manodidina ny 200-250 kg ny lanjany ankehitriny ka tsy maintsy irosoana ny « fampanarahana entin-tanana » avy amin’ny omby tsara karazana.

Endrasana ny ahazoana taranak’omby tsara kalitao sy tsara lanja (hatrany amin’ny 450 à 500 kg), omby matanjaka afaka miasa-tany hoentina mamokatra sy amokarana hena ara-pahasalamana, ampy amatsiana ny filàn’ny mponina sy entina hampivoarana ny fiharian-karenan’ny mpiompy.

Publié dans Economie