Filtrer les éléments par date : lundi, 18 octobre 2021

Nataon'ny Goverinora RAFIDISON Richard laharam-pahamehana ny fanatsarana ireo lalana mampitohy ny toeram-pizahantany.

Vita tanteraka ny lalana mampitohy ny RN2 amin'ny tanànan'ny Manambato, ka vokatr'izany dia hisitraka tosika sy tantsoroka avy amin'ny Ministeran'ny Fizahantany sy ny Faritra Atsinanana ireo mpandraharaha ara-pizahantany any an-toerana, ka ho hisy amin'io "vacances de Toussaint " ho avy io ny tolotra fihenambidy ahafahana miala sasatra sady mijery ny hakanton'ny Canal de Pangalanes, lac Rasoabe, lac Rasoamasahy, ary ny ao amin'ny Akanin'ny nofy.

Vita latsaky ny 30 minitra ny lalana amin'izao raha adiny iray sy sasany teo aloha ny lalam-pirenena faharoa mihazo ny village touristique MANAMBATO (Canal des Pangalanes, lac Rasoabe, lac Rasoamasahy, Akanin'ny nofy).

 

Publié dans Vaovao

Nalaza moa tatoato ny olana misy eo amin'ny Orinasam-panjakana, toa ny Air Madagascar, izay nanapahan'ny Filan-kevitry ny minisitra fa hiditra amin'ny "procédures collectives d’apurement du passif".

Tsara ho fantatra aloha, fa ny Orinasa dia toy ny olombelona, personne physique, izay teraka (création entreprise), ka omena Taratasim-pahaterahana na soram-piankohonana, ahitana ny ray amandreny niteraka azy na Associés, ny daty nahaterahany - NIF sy STAT, ny toerana onenany na siège, ny lanjany na Capital, na ny petra-bola voalohany iainana sy hividianany fananany.

Io no antsoina hoe Personne morale.

Afaka manokatra compte en banque izy izany, afaka mividy entana, mamokatra, ary mivarotra entana, afaka mividy sy manana ny fananany izay misoratra aminy, ary afaka miteraka izy, filiale, afaka manambady izy na manao fifanaraham-piarahamiasa amin'ny société hafa.

Mandoa hetra izy, ary manaraka ny fepetra rehetra momba izany.
Afaka amidy izy, ary azo lovaina.

Publié dans Editorial

Velon-taraina ireo mpiasa mpamono valala eto Madagasikara, saika manerana ny Nosy, fa nanomboka tamin'ny 2019 ka hatramin'izao, hoy izy ireo, tsy mba nisitraka tambinkarama na dia efa mihatra aman’aina aza ny asa.

Valinteny an’avona toy ny hoe : “alaivo any amin'ny mpintantana teo aloha” no azon’ny mpiasa avy amin’ny mpitantana raha mba mangata-panazavana ny amin’ny zon’izy ireo hisitraka tambinkarama io, ary miampy fandrahonana sy sazy izay efa mihatra amin'ny mpiasa sasantsasany amin'izao fotoana izao .

Nivoitra tamin’ny tamin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 13 oktobra 2021 teo fa mivoatra miharatsy ny fisian’ny andiam-balala eto Madagasikara ary ahiana hirongatra mihitsy aza satria manampy trotraka ny tsy fahampiana ara-tsakafo mahazo ny any amin’ny faritra Atsimo.

Publié dans Vaovao

Miarahaba Tompoko.

Misy tatitra kely mba tiako atao aminao satria raha tafahaona tamin’ny mpianatra izao io maraina io dia nametraka fanontaniana vitsivitsy tamin’izy ireo :

« Marihiko dieny ety ampian-dohana fa izay valiteny hitanao eo ambany dia tsy fehezan-teniko fa ny an’ny mpianatra no hoaveriko aminao ».

Fanontaniako : Nampoizinareo ve ny vahinintsika?

Valiny :

-tena tsy nampoizinay mihitsy

-tsy nampino anay mihitsy hoe mety hahita olona toy ireny izahay (Olona mpandeha amin’ny télé, olo-malaza, Mpanao politika)

-Tsy nampoizinay hoe afaka manao paozy tsotsotra toy ireny ireny olona ireny , izahay indray no toa nizesita.

Fanontaniako: Tianareo ve ilay resaka nataon’ilay olona sa tsia?

Publié dans Editorial