Filtrer les éléments par date : dimanche, 17 octobre 2021

Maty momoka, tsy nisy resaka intsony hatreto ny amin’ireo Kaominina miisa 24 namoahan’ny Fitsarana didy fa tokony haverina ny fifidianana Ben’ny tanàna miaraka amin’ny fifidianana mpanolontsaina.

120 andro aorian’ny naharaisan’ny ministeran’ny Ati-tany ny fampahafantarana ny didim-pitsarana nanambarana ny vokatra ofisialy ny fifidianana Kaominaly natao tamin’ny 27 novambra 2019 navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no voalazan’ny lalàna fa anatanterahana ny famerenana ny fifidianana.

Mbola ny lalàna no manondro fa manao fangatahana volavolana tetiandro avy amin’ny CENI ny governemanta, izay ny CENI vao manolotra ny tetiandro hanatanterahana io fifidianana io.

Publié dans Politique

Notanterahina tao Ambositra ny sabotsy 16 oktobra 2021 ny fankalazana ny "Andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona" ho an’ny Faritra Amoron'i Mania notarihan'i Governora, Ramatoa Mamiarisoa Aline . Lohahevitra ny hoe : "Tsy natao hanilihana ny Zokiolona ny Fahanterana".

Nanamarika izany fanomezana "fanafody", andiany voalohany, ireo ray aman-dreny, izay nitaraina ny amin'ny tsy fahampian'ny fanafody hitsaboana tena sy hijerena ny mikasika ny ara-pahasalaman'izy ireo.

Publié dans Sociale
Page 2 sur 2