Filtrer les éléments par date : samedi, 16 octobre 2021

Niainga ny sabotsy alina tamin'ny 00ora23min (zoma 16ora23 GMT), 16 oktobra 2021, tany Gobi, avaratra andrefan'i Sina, ny sambondanitra Shenzhou-13, natosiky ny fusée Longue-Marche 2F, nitondra mpanamory telo mianadahy, hiazo an'i Tianhe («Harmonie céleste »), singa voalohany tsy nisy olona amin'ny sambondanitra Tiangong («Palais céleste ») vao ahorina, nalefa tamin'ny volana mey teo.

Vao ny module voalohany, efa miodina manaraka ny tany eny amin'ny 350-400km i Tianhe. Misy module 3 izy rehefa vita, ka ireto mpanamory 3 ireto no hisantatra ny fipetrahana maharitra 6 volana ato amin'ity module voalohany ity, raha naharitra 03 volana ny an'ireo mpanamory nandeha ny volana septambra lasa teo, niaraka tamin'ny Shenzhou-12.

Hanohy ny fanomanana ny fanamboarana ity sambondanitra lehibe ity izy 3 mianadahy ireto. Anisan'ny fanamby amin'ity dia eny ambony ity, ny fijanonana ela eny ambony eny, satria noho ny tsy fisian'ny sinton'ny tany, dia mihamalemy aingana be ny taolan'olombelona, ary miazakazaka ny fahanteran'ny taova rehetra.

Hisy ny fivoahana indroa na in-telo ny sambondanitra.

Publié dans Vaovao

Mankasitraka an'izy mivady sy ny fianakaviany Mpiandraikitra ny sekoly fampianarana Teknolojia sy fitantanana eo anivon'ny ISTM Ankadikely - Ilafy Antananarivo.

Misaotra ireo mpianatra nanaraka sy nandray anjara tamin'ny fifampizarana ny toeran'ny Teknolojia eto amin'ny Firenena sy ny fivoaran'izany maneran-tany, ny mahazava-dehibe ny fahaizana mitantana, famoronana Orinasa.

Hafaliana ho ahy hatrany ny mizara ny fahaizana sy traikefa kely ananan'ny tena ho an'ny Tanora.

Vitatsika io.
Patrick 

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Editorial

« Hapetraka eto Tsiroanomandidy, izay fantatra amin’ny famokarana voanjo sy vary, ny taninketsa indostrialy voalohany manaraka ny lalan-tsain'ny fanorenana entin’ny ministera. Hanatsara ny fiainan’ny mponina ny fisian’ny ODOF (One District One Factory) ary hanamaivana ny vidim-piainana".

Nivoitra io ny alakamisy 14 oktobra, raha nidina tao an-drenivohitry ny Faritra Bongolava, ny minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Edgard Razafindravahy.

Nanamafy izy fa tsy hisy adino amin’ny fananganana indostria intsony ny Distrika sy Kaominina ary ny isan-tanàna.
Ho an'ny faritra Bongolava dia taninketsa indostrialy miisa telo fara-fahakeliny no hatsangana izay mikendry ny fampandrosoana ny faritra sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina any an-toerana.

Toerana apetraka isaky ny Fokontany na Kaominina hiveloman'ny mponina, indrindra fa ny tanora, ny taniketsa indostrialy. Mety ho tanim-panjakana io na tanin'olon-tsotra na an'ny kaoperativa.

Publié dans Economie

Miantso vonjy ireo teratany Malagasy any Chine izay maniry hody an-tanindrazana.

Manodidina ny 70 eo izy ireo, tsy maintsy mody noho ny antony samihafa. Nahavita fianarana efa amam-bolana maro fa noho ny fikatonan’ny sisintany malagasy dia tsy afaka nody. Efa lany tamin’ny fahavitan’ny fianarana anefa ny “visa”.

Misy mpiasa tapitra “contrat” ary lany “visa” ihany koa. Ao no nihevitra fa hiala sasatra fotoana fohy no nandehanana tany Chine nefa noho ny Covid-19 sy ny fikatonan’ny sisintany dia tafajanona tsy fidiny tany efa ho herintaona mahery. Manana olana amin’ny “visa” ihany koa.

Betsaka ny efa lany “visa”. Sarotra anefa ny fahazahoana ny “visa” satria tsy manana antony mazava hijanonana any Chine intsony ireo teratany Malagasy ireo. Tsy manome “visa” mihoatra ny 15 andro ny Sinoa ary misy mihitsy aza no efa tsy nomeny “visa” intsony.

Publié dans Vaovao

Une réunion a été tenue ce jeudi 14 octobre 2021 entre le Ministère des Transports et de la Météorologie, le Ministère de la Santé Publique, le Ministère du Tourisme, le Ministère de l’Économie et des Finances et l’Aviation Civile de Madagascar, en présence des compagnies aériennes, sur les modalités pratiques du plan d’ouverture des frontières.

Le secteur aérien inaugurera cette réouverture progressive suite à la décision prise lors du Conseil des ministres qui s’est tenue ce 13 octobre. Il a été convenu que seuls les deux aéroports d’Ivato et de Nosy-Be pourront être desservis dans un premier temps, par les îles avoisinantes (Maurice et La Réunion) et l’Europe.

Ceci dans un souci de la promotion de la connectivité et du tourisme, qui ont été fortement impactés suite à la suspension des activités durant ces deux dernières années. Ces destinations ont été choisies en fonction du trafic affinitaire et de la portée touristique qu’elles représentent pour Madagascar.

Publié dans Economie