Filtrer les éléments par date : mercredi, 13 octobre 2021

Terena ireo mpiasa eo anivon'ny serasera ministeran'ny fanabeazam-pirenena hamorona compte fako eo amin'ny facebook, hiarovana sy hamaliana izay fanehoan-kevitra mety anohitohina ny ministera na ny MEN. Entina koa anatsarana endrika andramatoa minisitra sy ny filoham-pirenena.

Nisy renfort mihitsy anampiana ireo mpiasa efa miasa ao, ka mahatratra 45 ireo mpiasa asaina hisahana ny serasera.

Mianto-tena na ny fitaovana na ny crédit, araha-maso, ary angonina anaty fichier ny anarana sy ny compte fako noforonina, ary misy ny fanaraha-maso iza no manao iza no tsy manao.

Voarahona voaroaka, na alefa affectation, ireo mpiasa tsy manaraka ny toro-marika.

Misy moa ny groupe secret hivondronan'ireo mpiasa mpanao com hilazana ny zavatra atao isan'andro.

Dia entina aiza re ity fanabeazana ny tanora Malagasy ity e, raha ianareo hianteherana indray no anary ny fanabeazana any anaty fako.

Tafandria mandry.
Patrick

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Pilo kely

Atomotra ny fotoana hanondranana jirofo. Nampahafantatra ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana fa ho entitra ny amin’ny fanarahana ny lalàna, koa tsy maintsy manaja ny fepetra rehetra ireo mangataka alalana hanondrana any ivelany.

Ao anatin'ireo fepetra lehibe amin’ny fahazoan-dalàna ny famerenana eto Madagasikara ny vola vahiny sy ny maha ara-dalàna ny orinasa mpanondrana manoloana ny sampan-draharahan’ny hetra.

12 000t ka hatramin’ny 15 000t ny jirofo vokarin’i Madagasikara isan-taona. Faharoa eran-tany isika amin’ny fanondranana jirofo, manarakaraka an’i Indonezia, izay mamokatra hatramin’ny avo fito heny hoharina amin’i Madagasikara.

Publié dans Economie

Efa-taona androany 13 oktobra 2021 no nahafatesan’ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert. Nomarihana tamin’ny fametrahana fehezam-bonikazo tetsy amin’ny tsangambato an’ny Filoha Zafy Albert Ambohijatovo izany.

Tonga nanatrika ny lanonam-pahatsiarovana sy nametraka ny vonikazo teny an-toerana ramatoa Thérèse Zafy, vady navelany sy ny fianakaviany, notronon’ny Ben’ny tanàna an’Antananarivo Naina Andriantsitohaina mivady, ny filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, sy ny solontenan’ny Loholona, ny Filohan’ny HCDDED ( Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit) , ireo mpiara-dia aminy.

Publié dans Politique

Norobain’ny jiolahy ny banky iray ao Ilakaka, Distrika Ihosy Faritra Ihorombe. Ny alin’ny alatsinainy 11 oktobra 2021 no nitrangany. 925 tapitrisa Ariary no lasan’ireo jiolahy.

Nandeha avy hatrany ny sakana tamin’ny lalam-pirenena taorian’ny fanairana azon’ny mpitandro ny filaminana.

Nampiasa fiara tsy mataho-dalana roa ireo jiolahy, namerezan-dia ny mpitandro filaminana. Nampiasa ny fahaiza-manaony maha matihanina azy anefa ireto farany ka tra-tehakin’ny FIP Toliara ny alin’ny alatsinainy 11 oktobra 2021, tao anaty fiara tsy mataho-dalana iray ny jiolahy efatra raha hitodi-doha ho any Toliara izy ireo.

Tratra tao ny volabe sy taratasim-bola maromaro ary basy poleta iray nentin’izy ireo.

Anatin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao, ahitana ny marina amin’ity raharaha ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nesorina ny Lehiben'ny Faritra, nefa tsy nisy Governora nasolo azy efa roa taona mahery izao. Notendrena vonjimaika ny misolo toerana ny lehiben'ny Faritra, nefa tsy mahazo alalana hamoaka volam-panjakana ankoatran'ny karaman'ny mpiasa, ny karaman'ny sefo fokontany sy izay kojakoja mifanentana amin'izay, ary ny fanefana ny Jirama.

Tapitra notetezina avokoa ireo mpivarotra sy mpandraharaha afaka nitrosana entana sy kojakoja ampandehanan-draharaha eo an-toerana, fa efa tsy misy manaiky hakana entana trosaina avokoa.

Publié dans Politique

Notokanana tamin'ny fomba ofisialy ny talata 12 oktobra 2021 ny sampandraharaha misahana ny vonjy aina nasiam-panavaozana sy fanitarana tao amin'ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana, izay feno 130 taona ankehitriny.

Nanome toromarika ny filoha Andry Rajoelina, izay tonga nitokana ny asa fanavaozana sy fampitaovana, fa ireo marary rehetra tonga manatona ity sampandraharahan'ny vonjy aina ity dia tsy maintsy raisina avy hatrany ary tsy mandoa vola fa maimaimpoana ny « premiers soins ».

Publié dans Sociale

Nivoitra io nandritra ny fivoriana ho fanomanana ny fisokafan'ny sisintany, notarihin’ny filoha Andry Rajoelina tao amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, izay niarahany tamin'ny Minisitry ny Fizahantany, ny Minisitry ny Fitaterana ary ireo tompon’andraikitra eo anivon'ny Kaompaniam-pitaterana Air Madagascar.

Mikasika ny zotra anabakabaka manokana dia nodinihina nandritra izao fihaonana izao ny momba ny fanarenana ity orinasam-pitaterana anabakabaka Air Madagascar mibaby trosa mitentina 72 tapitrisa dolara nandritra ny fiaraha-mitantana tamin'ny orinasa Air Austral.

Anisan'ny anton'izany ny tsy fifehezana ireo fandaniana teo amin'ity orinasam-pitaterana ity, toy ny hofan'ireo fiaramanidina ATR izay avo roa heny ny tokony ho izy, eo ihany koa ny fandaniana eo amin'ny lafiny fitantanana na "coût de gestion".

Publié dans Economie

13 octobre : Journée internationale de prévention des catastrophes.

 

Publié dans Fil info

Malagasy iray isika, manana ny fombantsika, manana ny fiaviantsika, manana ny mahasamihafa antsika amin'ny firenen-kafa sy ireo mponina hafa.

Misy ireo fomba sy finoana ary fivavahana niditra teto amintsika taty aoriana. Misy ny tsara, ary mety misy ny ratsy amin'izy ireny. Mety misy mifanentana, mety misy mifanipaka amin'ny fombantsika.

Isaky ny faritra eto Madagasikara, dia samy manana ny fombany sy finoany avy ihany koa, misy ny tsara, ary mety misy ny ratsy.

Mivoatra arakaraky ny vaninandro io fomba io, na dia misy aza ny fototra tsy miova. Misy ireo voasoratra, nefa maro ihany koa ny mifindra am-bava sy miampita amin'ny taranaka amin'ny alalan'ny fitezana.

Izaho dia avy any avaratra ny fiaviako, teraka tany Fenoarivo atsinanana Toamasina, ny reniko avy Babaomby, Zafin'i Mena Antsiranana, ny raiko avy Mandritsara Mahajanga, manambady Merina aho, mazava ho azy tsy hitovy fomba sy finoana amin'ireo havana Malagasy amin'ny faritra hafa. Tsy midika izany ny hifanavakavaka, fa harena lehibe ho antsika io tsy fitoviana sy fananana fomba sy finoana samihafa io.

Publié dans Editorial