Tsodrano nomen'i Mpanjaka Ndrenogny Ivato Vohipeno
Maro hoy izy, ireo tonga mangataka Tsodrano eto, ary omeko daholo hoy izy, fa ny ao amponao tsy miova hoy izy no ahatanteraka izay irianao.
Tsy adinoko hanatranao Dadilahy na efa tsy eto intsony aza ianao.
Patrick
(Jereo Sary Tohiny)
Faritra Amoron'i Mania : Fitsidihana ny asa fanamboarana barazy sy lakandrano
Nanao fitsidihana ireo barazy sy lakandrano ny solotenan'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana amin'ny alalan'ny FORMAPROD tao amin'ny lemak'Ankazoambo distrikan'Ambositra, faritra Amoron'i Mania.
Hita fa efa vita ny asa amin'ny ankapobeny, ary tody soamantsara ny rano, ka tsy misy atahorana ny hahatapaka azy mandritr'izao fotoana maintany izao.
Tsapa fa mihezaka ny mpampiasa rano manajary ny taniny, ka ao ny manao voly avotra, ao no manomana dobo-trondro sns.
Fitsarana : Afaka i Pr Auberlin sy dokotera Jean Marie
Taorian'ny fitsarana androany talata 12 oktobra 2021 an'i Profesora Auberlin Rakototiana sy Dokotera Rakotosamimanana Jean Marie, Directeur Adjoint Technique na DAT, izay ampangaina ho niray tsikombakomba tamin'ny fampandosirana ny gadra marary Eddy Maminirina, dia nivoaka ny didy :
- Profesora Auberlin Rakototiana sy Dokotera Rakotosamimanana Jean Marie, afaka madiodio.
- Eddy Maminirina migadra 2 taona an-tranomaizina, sazy mihatra noho ny fikasana andositra
- Mpiandry fonja 3 migadra 1 taona an-tranomaizina sazy mihatra, ireo nitondra azy nivoaka ny efitra fitsaboana
- Mpiandry fonja 1, afaka noho ny fisalasalana
- Vehivavy 1 nitsikombakomba tamin'i Eddy, migadra 1 taona an-tranomaizaina sazy mihatra.
Baskety : Natolotry ny AJRT ANDROY ny depiote Jean Michel ny amboara
Nibata amboara ny Tanora avy ao Amin'ny Club Basket AJRT Androy taorian'ny fifaninana Nasionaly nataon'izy ireo teto Antananarivo.
Natolotr'izy ireo ny ray aman-dreny mpiahy ny Faritra Androy, androany talata 12 oktobra tetsy Tsimbazaza, ny depiote Henri Jean Michel ny amboara, ho fankasitrahana sy fanomezam-boninahitra ny faritra nisoloan'izy ireo tena.
Nilaza ity Solombavambahoaka voafidy tany Ambovombe ity, sady Kestora voalohany eo anivon'ny Antenimieram-pirenena :
Rakotomalala Lucien : Hofongarina hoentina any Befandriana Sud ny taolambalon’ity depiote IRD ity
Nodimandry ny talata 7 jolay 2020, vanimpotoana nampamaivay ny valanaretina Covid-19, i Rakotomalala Lucien dit «Le Fomela», solombavambahoaka IRD voafidy tao amin’ny Distrika Morombe, Faritra Atsimo Andrefana.
Voalaza fa nanana areti-mitaiza sohika ity parlemantera ity. Talohan’ny nifaran’ny fotoam-pivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena izy no efa tsy salama, ary tsy tonga niatrika fivoriana intsony. Tao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana no nitsaboana azy, saingy tsy tana ny ainy.
Trangam-piarahamonina : Zazavavy tsy ampy taona maty nisy nanolana
Zazavavy kely vao 08 taona monja no maty nisy nanolana tao Ambatoboeny, omaly.
Efa eo anivon’ny fianakaviana ny vatana mangatsiakan’ilay zaza. Karohina ny nahavanon-doza.
ENS Ampefiloha : Nidina an-dalambe migrevy ny mpianatra
Nilanja sorabaventy nivoaka ny faritry ny sekoly, tonga teny amin’ny arabe ny andiana mpianatra avy ao amin’ny Ecole Normale Supérieure Ampefiloha-Antananarivo.
"Te hianatra izahay fa vahao ny olan'ny PAT, na ireo mpiasa sy mpandraharaha eny anivon’ny oniversite", hoy izy ireo.
Niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana, nanao izay hialan'ireo mpanao fihetsiketsehana teny amin'ny arabe tsy hanelingelina ny fifamoivoizana.
(Jereo Sary Tohiny)
Ministeran’ny Fitsarana : Notolorana mari-pankasitranana ireo Minisitra teo aloha
Voalohany teo amin’ny tantaran’ny Ministeran’ny Fitsarana, no misy fanehoana ny fankasitrahana ireo zoky ray aman-dreny teo aloha. Taorian’ny fananganan-tsaina ny Alatsinainy 11 Oktobra 2021 teto Faravohitra, dia nisy ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ho azy ireo, na ireo izay nisolo tena azy ireo toy ny zanany, avy amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, IMBIKI Herilaza.
Mitontaly 26 mianadahy ireo Minisitry ny Fitsarana na Sekreteram-panjakana miadidy ny Fitsarana teo aloha, hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantenan’i Madagasikara.
Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ny solontenan’ireto Minisitry ny Fitsarana teo aloha ireto, ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) Rakotoarisoa Florent, dia nohamafisiny ny fahavononan’izy ireo hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny asam-pitsarana, hanolo-kevitra sy hanampy amin’ny ankapobeny.
12 octobre : Journée mondiale de l'arthrite
12 octobre : Journée mondiale de l'arthrite.