Filtrer les éléments par date : lundi, 11 octobre 2021

Niakatra fampanohavana androany alatsinainy 11 oktobra ny raharaha nitazonana an'ny Profesora Auberlin Rakototiana sy ny Dokotera Rakotosamimanana Jean Marie, Directeur Adjoint Technique na DAT, izay ampangaina ho niray tsikombakomba tamin'ny fampandosirana ny gadra marary Eddy Maminirina.

Taorian'izay dia avy hatrany dia niroso tamin'ny fitsarana ny raharaha ireo mpitsara.

Efa alina anefa ny andro, ka dia nahemotra rahampitso talata 12 oktobra ity raharaha mampisahotaka ireo mpitsabo, izay manambana ny ampihato tanteraka ireo hopitaly fandraisana marary ankoatr'ireo tena mihatra aman'aina.

 

Publié dans Tselatra

Nigadona an-tanindrazana androany 11 Oktobra 2021 ireo atleta nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny fiadiana izay ho tompondaka erantany taranja Bodybuilding, natao tany Uzbekistan ny 3 hatramin'ny 6 oktobra 2021.

Nisy ny fitsenana manokana azy ireny teo am-pahatongavana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Tonga nanome voninahitra sy nitsena azy ireo teny ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Rakotozafy Rosa, izay nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Mamod'Ali HAWEL.

Teo koa ny filohan’ny Komity Olimpika Malagasy sady filohan’ny UAJ Judo aty Afrika, Siteny Randrianasoloniaiko.

Publié dans Sport

Voalazan'ny Lalampanorenana malagasy ao amin'ny :

"Andininy 23.- Manan-jo hianatra sy handray fanabeazana ny ankizy tsirairay avy ka tompon’andraikitra amin’izany ny ray aman-dreny ka hajaina ny fahalalahana hisafidy ananany.

Ny Fanjakana dia mandray ho adidy ny fampivoarana ny fanofanana arak’asa.

Andininy 24.- Mandamina fanabeazam-bahoaka maimaimpoana sy takatry ny rehetra hidirana ny Fanjakana. Ny fampianarana ambaratonga voalohany dia tsy maintsy ataon’ny rehetra.

Andininy 25.- Eken’ny Fanjakana ny fisian’ny fampianarana tsy miankina aminy ary iantohany ny fahalalahana hanome izany fampianarana izany raha toa ka mifandanja amin’ny fepetra mikasika ny fampianarana momba ny fitandremam-pahasalamana sy ny fitondran-tena ary ny lentan’ny fianarana faritan’ny lalàna.

Ireny toeram-pampianarana tsy miankina ireny dia fehezin’ny lalàna momba ny hetra araka ny fepetra faritan’ny lalàna."

Ny andininy faha 24 io izany dia milaza mazava fa : "Ny fampianarana ambaratonga voalohany dia TSY MAINTSY ataon’ny rehetra".

Publié dans Editorial

Nahazo milina mpihary herinaratra vaovao ny tanànan’Ambatofinandrahana Faritra Amoron’i Mania.

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa hahafahan’ny mponina misitraka jiro 24ora/24 ny fahatongavan’ity milina ity.

Nankasitraka ny Ministeran'ny Angovo sy Akoran'afo sy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena tamin'ny fangatahana nataon’ity farany, ny Goverinoran’ny Faritra, Mamiarisoa Radaloson.

 

Publié dans Tselatra

11 octobre : Journée internationale de la fille.

 

Publié dans Fil info

Fiara Sprinter mpitatitra olona, niainga maraina tao Fianarantsoa hiazo an'i Ihosy, no tra-doza nitsoraka avy eny ambony tetezana Antsahasoa Kaominina Ankaramena, Distrika Ambalavao io maraina io.

Mafy ny fahavoazana raha tarafina amin'ny fahapotehan' ilay fiara. Maro ireo naratra ary nisy aina nafoy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Manomboka mampiaka-peo ireo mpikambana sy ireo komity nanohana ny Kandida Andry Rajoelina, izay lany filoham-pirenena ankehitriny.

Efa roa taona tokoa manko izao no tsy mety voatendry ny Governoram-paritra aty Betsiboka.

Raha ny angom-baovao voaray, dia tafitohina tamin'ny fanazavana azon'izy ireo, fa "tsy nisy nahafapo ny Filoha ny anarana rehetra nifandimby natolotr'izy ireo" hipetraka amin'izany toeran'ny Governora izany.

Ny faritra hafa anefa dia efa misitraka ny fampitaovana sy ny famatsiam-bola ho an'ny faritra avokoa, eny na i Vatovavy izay vao noforonina ho Faritra faha 23 aza, ary narahina lanonana goavana niaraka tamin'ny Filoham-pirenena mihitsy.

Publié dans Politique

Rehefa nalefa nody raha notanana nandritra ny 48ora, ny asabotsy 09 oktobra 2021 ny Profesora Auberlin Rakototiana sy ny Dokotera Rakotosamimanana Jean Marie, Directeur Adjoint Technique na DAT, izay ampangaina ho niray tsikombakomba tamin'ny fampandosirana ny gadra marary Eddy Maminirina, dia anio alatsinainy 11 oktobra no atolotra eo anivon'ny fampanoavana etsy Anosy izy mirahalahy ireto.

Publié dans A la Une