Antsiranana: Mitokona ny mpandraharahan’ny oniversite
Mitokona ny mpandraharaha ny oniversite Antsiranana noho ny tsy fandraisan'izy ireo karama sy mahakasika ny ECD.
Toherin’izy ireo ihany koa ny kinamanamana amin’ny fanomezana tombontsoa ny mpiasa. Mitaky ny fialan’ny DAAF ireo mpiasa mitokona.
(Jereo Sary Tohiny)
SECES Sampana Antananarivo: Hanohy ny fampiatoana ny asa fampianarana sy fikarohana manerana ny Oniversiten’Antananarivo
“Leom-boananana omaly ka tsy te-hiherika zava-boribory”, hoy ny fanambarana nataon’ny SECES Sampana Antananarivo taorian’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, ny alatsinainy 25 novambra 2019. Nanapa-kevitra ny SECES Sampana Antananarivo fa hanohy ny fampiatoana ny asa fampianarana sy fikarohana manerana ny Oniversiten’Antananarivo sy ireo Foibem-pikarohana miorina eto an-drenivohitra, mandra-pisian’ny valiny mahafa-po azo tsapain-tanana.
Hanatanteraka fivoriambe ny SECES Sampana Antananarivo ny talata 03 desambra 2019 hanaovana jery tombana ny vokatry ny fitakiana sy hanomanana ny fifampiresahana amin’ny mpianatra rehetra ny alarobia 04 desambra 2019 eo amin’ny “esplanade” Ankatso.
Antsalaka – Antsiranana II: Maniry hanaovana manara-penitra ny EPP ny ray aman-drenin’ny mpianatra
Misy ny fotodrafitrasa ho an’ny fampianarana fototra eto Antsalaka, saingy simba tsy sahaza ny toetr’andro, ary na ny fianarana aza tsy hiditra ao an-dohan’ny mpianatra manoloana ny korontana sy fahapotehana hita.
Maniry ny mba hanorenana EPP manarapenitra hanovozan’ny zanany fianarana ny ray aman-drenin’ny mpianatra eto Antsalaka.
(Jereo Sary Tohiny)
Antalaha: Manjaka ny fakana solika amin'ny bidon mavo
Efa tsy misy bedy intsony fa dia alaina toy ny matsaka rano ny solika ety amin'ny toby famarotana solika eto Antalaha, indrindra eto amin'ny Jovena, izay solombavambahoaka mihitsy no tompony.
Milahatra ary dia miandry ireo mpameno amin'ny bidon mavo ny rehetra vao mety ahazo anjara solika ho vidiana.
Dia gaboraraka tanteraka, manjaka ny varomaizina ho an'ireo tsy mahavita milahatra.
(Jereo Sary Tohiny)
29 novembre
Journée Internationale de solidarité avec le peuple palestinien.
Fisaorana sy antso avy amin'ny kandidà Rina Randriamasinoro, Antananarivo
Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa afaka namita ny adidintsika tamin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina teto Antananarivo renivohitra, ka hanehoako etoana ny fisaorana sy fankasitrahana ny vahoakan’Antananarivo tonga nifidy na dia teo aza ny tsy fahatomombanana isan-karazany ;
Tsapako ny fitaintainanareo sy ny alahelo satria maro taminareo no tonga teny amin’ny Biraom-pifidianana nefa tsy afaka nifidy, na dia manana kara-pifidianana satria tsy hita indray tao anaty lisi-pifidianana ;