Fifidianana kaominaly: Sary fitokanana, olom-panjakana mameno « clip » fampielezan-kevitra
Miparitaka eny amin’ny tambazotra sosialy Facebook sy Youtube ireo « clip » na horonantsary fanentanana ataon’ny kandida Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina, hifidy azy ireo. Misy amin’ireo « clip » propagandy no ahitana sary lanonana fitokanana zava-bita, misy sarina olom-panjakana.
Hita mibaribary izany ao amin’ny « clip » an’i Andriantomanga Mokhtar Salim, ity farany izay kandida Ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Mahajanga, avy amin’ny IRK ivondron’ireo antoko manohana fitondrana.
Misy sarin’ny Prefen’i Mahajanga sy lehiben’ny Faritra mpisolo toerana ao anaty « clip ». Mbola ahitana sarina miaramila sy solontenan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ihany koa. Mpanohana ny kandidan’ny IRK ve no nampidirana ny sarin’ireo solontenam-panjakana ireto ao anaty « clip » sa efa nahazo fahazoan-dalana ho amin’izany.
Orinasa mpamokatra siramamy: Mampanantena ny hanokatra indray ny SUCOMA Morondava i Andry Rajoelina
« Tsy maintsy hosokafantsika ny SUCOMA », hoy ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina raha tonga nitsidika ity orinasa mpamokatra siramamy ao Analaiva – Morondava ity, omaly. Mila handefa « expert » izy hanadihady sy hitondra ny vahaolana teknika rehetra amin’izany.
Mbola nanambara izy fa « azo atao tsara koa ny manokatra orinasa iray hafa, afaka hamokatra siramamy eto Morondava mba hanomezana asa sy hanodinana ny toekarena ary hanatsarana ny sosialy eto amin'ny tanàna manodidina ny SUCOMA eto Morondava ».
Nikatona tamin'ny taona 2014 ny SUCOMA (SUcrerie de COmplant de MAdagascar) na SIRANALA teo aloha, noho ny olana ara-pitantanana. May ny ampahan’ny orinasa, voaroba ny fitaovana noho ny disadisa teo amin’ny mpiasa sy ireo Sinoa mpitantana ny orinasa.
Minisitra samihafa no nifandimby nidina nandamina, sy nampanantena ny hisokafan’io orinasa io indray fa tsy mbola tafarina hatreto.
(Jereo Sary Tohiny)
10 novembre: Journée internationale des stagiaires
10 novembre: Journée internationale des stagiaires.
10 novembre: Journée mondiale de sensibilisation aux tumeurs neuro-endocrines
10 novembre: Journée mondiale de sensibilisation aux tumeurs neuro-endocrines.
Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.
www.gasypatriote.com
Copyright © GasyPatriote
10 novembre: Journée Mondiale de la science au service de la paix et du développement
10 novembre: Journée Mondiale de la science au service de la paix et du développement.