Filtrer les éléments par date : mardi, 08 octobre 2019

Nanomboka androany ny fampidirana ireo mpivarotra ao amin’ny tsena vaovao ety amin’ny Kaominina Ivato, vavahadin’i Madagasikara, Distrika Ambohidratrimo.

Heverina fa ho tafiditra ato anatin’ny herinandro avokoa ireo mpivarotra araka ny sokajin’entana amidiny avy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Ankoatran'ny resaka fanabeazana sy fitondran-tena amin'ny fiainana, andao mba kajiana kely ny vola lany raha mianatra sy manaraka ny fenitra eto Madagasikara. Toy ireny fampiasam-bola rehetra ireny, dia misy ny vola laniana, ary misy ny vola miditra antenaina, ary ny tombom-barotry ny fampiasam-bola.

Raisina ohatra eto, ny fianakaviana misy olona 5 (Ray sy Reny ary zanaka 3), ambany fidiram-bola, mandray ny karama SME farany ambany, noferan'ny fanjakana ho 200 000 ariary.

Noraisina anaty kajy ny hofan-trano 100 000 ariary isam-bolana zaraina isan'olona, izany hoe 20 000 ariary isan'olona. Ny antsasa-bidy ihany no heverina anjaran'ny fampiasam-bola ho an'ny fampianarana satria miaina manao zavatra hafa koa ilay ankizy. 10 000 ariary izany no anjaran'ny hofan-trano ampiasaina amin'ny fianarana.

Toy izany koa ny Jirama, raha 20 000 ariary isam-bolana ny tokan-trano, dia 4 000 ariary isan'olona, ka ny antsasany ihany no lany amin'ny fampiasam-bola fampianarana, 2 000 ariary isam-bolana izany.

Publié dans Editorial
Page 2 sur 2