Filtrer les éléments par date : jeudi, 03 octobre 2019

Ao anatin'ny mangarahara tanteraka no hanatontosana ny tolobidy momba ny fanafaran'ny JIRAMA solika, araka ny fanambarana navoakan'ny Ministeran'ny Angovo, ny Rano sy ny Akoranafo. Tolobidy iraisam-pirenena no hanatanterahana izany, hoy hatrany ny fanambarana.

Tafiditra ao anatin'ny drafitra fanarenana ny orinasam-panjakana JIRAMA izao fepetra izao.

Nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin'ny 11 septambra 2019 no nanomezana alalana an'ny JIRAMA hividy avy hatrany, tsy mandalo tsenam-barotra ny solika ampiasainy. Ny fepetra dia mila ampahafantarina mialoha ny Filoham-pirenena sy ny lehiben’ny governemanta ny fanatanterahana izany, izay ao anatin’ny fotoana voafetra ihany.

 

Publié dans Economie

Nampahafantatra ny fisiany sy ny vinam-piarahamoniny ny antoko Tia Tanindrazana ny alarobia 2 oktobra 2019, nandritra ny hetsika nataony tao amin'ny Le Pavé Antaninarenina Antananarivo.

Miditra an-tsehatra lalindalina kokoa amin’ny raharaham-pirenena ny Tia Tanindrazana ankehitriny, hoy Ramanantsoa Schall, Sekretera jeneralin'ny antoko.

Manana ny vinam-pampandrosoana mazava ny Tia Tanindrazana, izay mifototra amin’ny Fanabeazana, ny Fitsinjaram-pahefana tena izy ary ny Teknolojia, araka ny famelabelarana nataon'i Tahina Razafinjoelina, filoha nasionalin'ny antoko.

Publié dans Politique
Page 2 sur 2