Filtrer les éléments par date : mardi, 15 octobre 2019

Raha atao kajy tsotsotra, dia mirefy 16 780m ny manodidina ny tetikasa Tana Masoandro, manana velarana 938ha na 9 380 000m².

Ny haavon'ny toerana farany iva amin'ny manodidina dia 1246m miala ny haavon'ny ranomasina, ny salanisan'ny haavon'ny toerana dia 1251m, ary ny farany avo dia 1269m.

Ireo toerana manodidina ny Tana masoandro, toa an'i Ambohitrimanjakana ao avaratra dia manana haavon-toerana 1252 - 1300m; ny reniranon'Ikopa ato antsinanana dia 1251m, ny digue Ampasika Kianja Maky mandeha eny amin'ny Fivarotana asa tanana Malagasy, artisanat, sampanana ho any Ambohitrimanjaka dia 1252m.

Ny aty Itaosy tanàna ny atsimo kosa dia 1260-1280m;

Ny ato andrefana indray ny reniranon'ny Sisaony 1251m ary ny digue dia 1252m.

Publié dans Editorial

15 octobre: Journée internationale des fossiles.

 

Publié dans Fil info

15 octobre: Journée Mondiale du lavage des mains.

 

Publié dans Fil info

15 octobre: Journée Internationale de la femme rurale.

 

Publié dans Fil info

15 octobre: Journée Internationale de la Canne Blanche.

 

Publié dans Fil info

15 octobre: Journée mondiale contre la douleur.

 

Publié dans Fil info

Tontosa ny alatsinainy 14 oktobra ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny Faritra Menabe, mpisolo toerana Sabira Jérôme sy ny Governora Randriantsoa Mong Wai Tune Serge Lucky. “Menabe mandroso ary lavitry ny kolikoly” no filamatry ny Governora vaovao.

Nanome voninahitra ny fotoana i Tinoka Roberto, minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, izay nanambara fa “hiainga avy aty ifotony ny fampandrosoana ny Faritra manomboka izao, ary ametrahana ny fitondrana tsara tantana”.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Araka ny voatondron’ny andininy faha-75 amin’ny Lalampanorenana dia mivory ara-potoana ny Antenimieram-pirenena sy Antenimierandoholona manomboka ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra, fivoriana natokana indrindra handaniana ny tetibolam-panjakana. Enimpolo andro no aharetan’ny fivoriana.

Anisany vary mangatsiaka hodinihin’ny parlemantera ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny satan’ny mpanohitra eto Madagasikara.

Miandry izay ho fihetsiky ny solombavambahoaka manoloana ireo zava-manahirana toy ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fanadinana bakalôrea, ny fanatanterahan’ny fanjakana ny tetipivoarana vaovao na ny PEM ihany koa ny vahoaka.

 

Publié dans Politique
Page 2 sur 2