Filtrer les éléments par date : dimanche, 13 octobre 2019

Nandresy tamin’ny isa 2 noho 0 ny Barea CHAN nanoloana ny ekipa voafantina Analamanga nandritra ny lalao fitsapana natao teo amin’ny kianjan’ny Elgeco Pus by-Pass ny sabotsy 12 oktobra 2019, tolakadro.

Lalao telo, fandresena telo ho an'ny Barea CHAN tao anatin’ireo lalao fanomanan-tena natrehiny mialoha ny hiazoany an’i Namibia amin’ny lalao miverina hifanandrinany amin’i Namibia ny sabotsy 19 oktobra 2019 ho avy izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Eo ampiandrasana ny fanendrena izay ho Tale jeneraly vaovaon’ny Jirama, toerana izay banga nanomboka ny 14 aogositra 2019, dia nanapa-kevitra ny hampahafantatra ny tondrozotra hanarenana ny orinasa ny filankevim-pitantanan'ny JIRAMA, tamin’ny alalan’ny Filohany Andriamanampisoa Rasamoelina Solo.

Mifototra amin’ny teboka maromaro ny tondrozotra, araka ny fampahafantarana natao ny sabotsy 12 oktobra 2019, nanoloana ny solontenan’ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny JIRAMA, ny mpandraharaha, ny Fiaraha-monim-pirenena ary ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa.

Eto ny fanatsarana ny fitantanana ho matianina ; ny fahaiza-mitantana sy fahafehezana ny famatsiana solika hampihena ny fandaniana. Eo koa ny fanatsarana ny vokatra amin'ny alalan'ny fanenana ny fatiantoka ara-teknika sy tsy ara-teknika hampiakarana ny tahan'ny fampidiram-bola.

Publié dans Economie

14 miliara dolara no voaangona, avy amin'ny fandraisana anjaran'ny firenena maro, entina hiadiana amin'ny aretina VIH/SIDA, ny raboka ary ny tazomoka, nandritra ny fihaonambe fahaenina hamerenana ny petra-bola maneran-tany hiadiana amin'ireo aretina ireo, natao tany Lyon Frantsa ny 9 sy 10 oktobra 2019 teo.

Hitondra anjara biriky 1 tapitrisa dolara ho an’izany petra-bola izany i Madagasikara mandritra ny telo taona. Etsy ankilan’izany, mitentina 450 tapitrisa dolara ny vola ilain’i Madagasikara ho entiny manatanteraka ny paikady napetrany hiadiana amin’ireo valan’aretina telo ireo.

Publié dans Sociale
dimanche, 13 octobre 2019 12:04

Toamasina: Manana Tranoben'ny Parlemanta

Vita ary notokanana ny sabotsy 12 oktobra 2019 ny Tranoben’ny Parlemanta (Maison du Parlement) eto Toamasina. Nitarika ny lanonana ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine, notronin’ireo Parlemantera maro.

Ahitana efi-trano enina ity fotodrafitrasa ity, ka ny roa ho an’ny Loholona, ny roa ho an’ny Solombavam-bahoaka, ary ny roa ho an’ny « Secrétariat ».

Publié dans Politique

Hifanome tanana ny mpitandro ny filaminana sy ny Fokonolona amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana aty amin’ny Distrika Ambilobe, manoloana ny herisetra nandratrana olona sy asan-jiolahy mitady hahazo vahana tato ho ato.

Nidina tao amin’ny Kaominina Sadjoavato sy ny Fokontany Ambondromifehy ny sabotsy 12 oktobra 2019, ny Zandary notarihin’ny komadin’ny fari-piadidiana Zandarimaria Antsiranana, niaraka tamin’ny komandin’ny kaompania Ambilobe, nanao fanentanana ny olona, ka hananganana kalôny hiadiana syy hanafoanana ny asan-jiolahy ka hamerenana ny fandriampahalemana aty amin’ity Distrika ity.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

13 octobre: Journée internationale du hamburger.

 

Publié dans Fil info
dimanche, 13 octobre 2019 11:50

13 octobre: Journée mondiale de l’œuf

13 octobre: Journée mondiale de l’œuf.

 

Publié dans Fil info

13 octobre: Journée Internationale de la prévention des catastrophes naturelles.

 

Publié dans Fil info

Ramino Paul Abraham no tena anarany. Mpitandrina FJKM izy, ary niandraikitra nandritra ny fotoana naharitra tao amin’ny fitandremana FJKM Amparibe Famonjena Antananarivo. Ny taona 2016 no nankalazana ny faha-50 taona naha mpitandrina azy. Nodimandry ny harivan’ny sabotsy 12 oktobra 2019 teo amin'ny faha 77 taonany izy.

Publié dans A la Une
Page 2 sur 2