Pilo kely
-
- samedi, 25 mars 2023 08:23
Tsy ao amin'ny CENI, na ny lisitry ny mpifidy mihitsy no anaovana hala-bato
Fandrebirebena fotsiny ny fitabatabana ny anovana ny mambran'ny CENI, na ny resaka lisitry ny mpifidy. 10% n'ny hala-bato ihany no ao amin'ny resaka lisitra, satria iny, na misy doublon sy triplon aza, dia mifankahalala avokoa ny olona any amin'ny biraom-pifidianana, ka raha miverina indroa mifidy, dia efa eo aloha ny ranomainty tsy azo fafana amin'ny tanana, raha voasasa sy afaka, mbola mifankahalala ny olona, raha vahiny ao amin'ilay biraom-pifidianana dia fantatr'olona. Mandany vola be ihany koa izany ho an'ny kandida hangala-bato, satria dia tsy maintsy tambazana vola ilay olona hifidy indroa na in-telo, nefa ny isam-bato ho azo amin'izay kely dia kely.Lire la suite ... -
- mardi, 21 mars 2023 17:09
Fa ny préfet Toamasina moa zany lasa mpanjaka kely ambonin'ny lalàna ?
Nanome baiko ny vadintany rehetra ny Préfet, fa ahantona daholo ny fandroahana olona amin'ny tany na trano, izay didy avoakan'ny fitsarana, ary ahantona avokoa ny fanomezana mpitandro filaminana hanampy ny vadintany amin'izany fanatanterahana didim-pitsarana izany. Ny antony, hoy hatrany ity baiko nomen'i Prefet Ambinintsoa Jean José ny 09 martsa 2023 ity, dia noho ny mety korontana aterak'izany fandroahana olona izany, nefa hiatrika fifidianana filoham-pirenena isika ny 09 novambra 2023, ny fihodinana voalohany, ary ny 20 desambra 2023 ny fihodinana faharoa. Raha io taratasy midika baiko io izany, dia ny prefet Toamasina no lehiben'ny governemanta izay manapaka ny datim-pifidianana, izay hatreto mbola tsy nisy fanapahana momba izay teo anivon'ny Filan-kevitry ny Governemanta na ny Filan-kevitry ny Minisitra.Lire la suite ... -
- lundi, 20 mars 2023 09:20
Ireo tsy nianatra no maro an'isa, ka izay safidin'ireo no lany, Diso be
Ekena fa maro an'isa ireo tsy nianatra, na tsy lasa lavitra ny fianarana nataony eto Madagasikara. Ireo hoy isika no tena mifidy, ka rehefa mahazo vary iray kapoaka, tee-shirt, koveta sy baolina dia mifidy izay olona mpampandihy vody fotsiny. Ka na te hanova zavatra aza ny nianatra dia tsy tafa. Diso be izany. Tadidio fa 1 200 000 ny isan'ny vato azon'ny mpifaninana iray dia tafiditra 2ème tour izy. 50 000 isan-taona isika mahazo licence, ingeniorat, dokotera, agronome, juriste...Tao anatin'ny 10 taona lasa izany dia efa 500 000 ireo nivoaka Bac+3, tsy resahiko ireo afaka Bac isan-taona fa tsy nahatody licence. Izahay 30 taona lasa no vita fianarana, ka raha tato anatin'ny 20 taona monja izany, tamin'ny taona 2000 no mankaty, dia efa 1 000 000 isika no manana licence. Dia ilay dadatoatsika any ambany volo tsy nianatra 1 ve dia tsy vitatsika ny andresy lahatra azy, ka tsy aleo rovitina ny diploma?Lire la suite ... -
- dimanche, 19 mars 2023 18:11
Ny sahirana no mividy rano lafo
Rano 500ar bidon mavo 20 litres tonga ao an-trano, Ho an'ny fianakaviana misy olona 4, dia amin'ny ankapobeny mila 8bidons x 3/semaine= 24 bidons x 4= 96bidons/mois na 1 920litres na 2m3 eo isam-bolana, Mitentina 96 bidons mavo x 500ar = 48 000ar, izany hoe 48 000ar/2m3 = 24 000ar/m3. Tsy maintsy mifoha amin'ny 1 maraina, na amin'ny 3 maraina milaha-drano, na mamoaka bidon ho an'ny mpikarama matsaka.Lire la suite ... -
- samedi, 18 mars 2023 09:01
Sarotra be ve mahazo an'izany resaka izany ?
Tsy hitako ny antony amonoana tena, sy andaniana vola mampiana-janaka, raha mbola hifidy olona tsy nianatra, fa hizara tee-shirt, koveta sy baolina ary vary fotsiny no andeha ataony. 'Ndao fa lalana e.PatrickLire la suite ... -
- jeudi, 16 mars 2023 09:25
Pilo kely : Aza milatsaka ho fidiana izay tsy manana hélicoptère
Izany indray zao no vohizina, fa izay tsy manam-bola, tsy manana haino aman-jery, tsy manana hélicoptère, dia aza milatsaka ho fidiana Filoham-pirenena fa mandany andron'ny mpifidy. Mba tiako ho hita ny filazam-pananan'ireo milaza manana sy mampiasa hélicoptère. Ary indrindra ny hetra naloany mifanandrify amin'izay fananany izay. Raha tsy izany dia famatsiam-bola avy any ivelany, izay voararan'ny lalàna, tsy inona fa famarotana tanindrazana alohan'ny fotoana. Mazotoa homana Papy, fa iny indray tsy hiraisantsika hevitra. Averiko foana, atsika jiaby nianatra io moa zany bado, ka manaiky entin'ny olona bado sy tsy nianatra? PatrickLire la suite ... -
- mardi, 14 mars 2023 19:56
- Sary nindramina
Na zaza ty aza tseriky
Taiza foana ity kilalao nalefan'ny Fiangonana amerikanina, kilalao nangonin'ireo zaza amerikanina, omena zaza malagasy, andron'ny Noely, tsy hita zay nanjavonany, nifampitadiavana teny amin'ny fadin-tseranana, nisamaritaka ireo zaza amerikanina nanontany lava raha efa tonga ny sambo nitondra ireo kilalao, nanontany raha hita sy nozaraina ireo kilalao anaty boite, izay indraindray boite misy vola dolara kely, misy taratasy sy sary kely vokatry ny fon'ireo zaza amerikanina. Iny fa hita eee, nozarain'ny dadatoa noely.Tafandria mandry e. PatrickLire la suite ... -
- dimanche, 12 mars 2023 21:10
Mahazo sprinter iray boninokany d'efa faly be
Anontanio ry zareo Ambatolampy, raha anao fety raha mbola sprinter iray no alahatra anao taxi-brousse. Madagascar Airlines anefa midehaka ery vao ampiditra rôplanina Embraer iray. Ethiopian Airlines, ilay firenena kere be iny, manana floty 150 fiaramanidina eo. Ka ny antsika aza moa DG Cnaps efa nanaovana fikarohana, iny mipoitra iny tsy misy bedy iny indray, mandray ny fitantanana ny kompaniam-piaramanidina, ny mpitantana ny filan-kevitra moa efa tsy hay intsony ireo zavatra tsy mazava nahatafiditra azy, ny fintantanana ny habakabaka, toa omena ilay raikalahy nitsoaka resaka volamena 73kg iny koa. Izay marina angaha ilay antsoina hoe iray ampiana iray, mira iray. Soavadia e.PatrickLire la suite ... -
- vendredi, 10 mars 2023 10:39
Marina fa be loha zahay Polytech, fa aza dia rangitina an
Nakaton'ny filohan'ny Oniversite ny Toeram-pianarana ambony eny Vontovorona noho ny hetsika fitakiana fanatsarana ny trano sy ny fandoavana ny vatsim-pianarana nataon'ny mpianatra. Nalefa mody avokoa ny mpianatra hiala ny toeram-pianarana.Tsy fahefan'ny Filohan'ny Oniversite irery anefa izany, fa tsy maintsy miantso ny Sojabe sy ny CONSEIL SCIENTIFIQUE izy, vao afaka mandray fanapahan-kevitra amin'ny fampiatoana fianarana. Fanapahan-kevitra ara-pampianarana no raisiny, ka tsy maintsy ny CONSEIL SCIENTIFIQUE no manapaka izany. Nandritra ny telo andro nisian'ny olana, ny mpanolo-tsaina sy mpiandraikitra tao amin'ny Ministeran'ny fampianarana ambony no hita hatrany namaha ny olana teny Vontovorona, tsy hita izay fandraisana andraikitry ny Filohan'ny Oniversite.Lire la suite ... -
- jeudi, 09 mars 2023 07:27
Nanafika olona, nandratra, namono olona ianao tsy niresaka Zon'olombelona
Ahoana moa no itakiana ny Zon'olombelona amin'ny olona tsy nieritreritra na ny kely aza ny Zon'olon-kafa, nandrava, nandratra, nanolana, eny namono ilay olona, nanapa-doha, dia mbola ilay olona ihany koa, na ny fianakaviany no andoa hetra hividianana gagazo hoaninao any am-ponja manaram-penitra, manaja ny Zon'olombelona, nefa ilay noratrana sy novonoina, mandry anaty trano vondro, bozaka tsy misy fanajana Zon'olombelona. Mila dinihina ity resaka famonjana velomim-potsiny ity, sy ireo sazy mifandraika amin'ny heloka vita, fa toa tsy mahataitra ireo mpamerin-keloka intsony an. Tsara andro aby.PatrickLire la suite ...
Page 1 sur 35