Marina fa be loha zahay Polytech, fa aza dia rangitina an

  • vendredi, 10 mars 2023 10:39
  • Super User

Nakaton'ny filohan'ny Oniversite ny Toeram-pianarana ambony eny Vontovorona noho ny hetsika fitakiana fanatsarana ny trano sy ny fandoavana ny vatsim-pianarana nataon'ny mpianatra.

Nalefa mody avokoa ny mpianatra hiala ny toeram-pianarana.
Tsy fahefan'ny Filohan'ny Oniversite irery anefa izany, fa tsy maintsy miantso ny Sojabe sy ny CONSEIL SCIENTIFIQUE izy, vao afaka mandray fanapahan-kevitra amin'ny fampiatoana fianarana.

Fanapahan-kevitra ara-pampianarana no raisiny, ka tsy maintsy ny CONSEIL SCIENTIFIQUE no manapaka izany.

Nandritra ny telo andro nisian'ny olana, ny mpanolo-tsaina sy mpiandraikitra tao amin'ny Ministeran'ny fampianarana ambony no hita hatrany namaha ny olana teny Vontovorona, tsy hita izay fandraisana andraikitry ny Filohan'ny Oniversite.

Aza adino fa fanakatonan'ny Prefen'Antananarivo ny sekoly fianarana dokotera sy farmasianina tao Befelatanana ny 11 martsa 1972 no nampidonaka ny tanàna, izay nihitatra tamin'ny tolona 1972, ka ity indray ny 9 martsa 2023, amin'ny alalan'ny Filohan'ny Oniversiten'Antananarivo no anakatona mandritra ny iray volana ny Ecole Supérieure Polytechnique eny Vontovorona.

Ho hita eo ny tohiny.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.