Nanafika olona, nandratra, namono olona ianao tsy niresaka Zon'olombelona

  • jeudi, 09 mars 2023 07:27
  • Super User

Ahoana moa no itakiana ny Zon'olombelona amin'ny olona tsy nieritreritra na ny kely aza ny Zon'olon-kafa, nandrava, nandratra, nanolana, eny namono ilay olona, nanapa-doha, dia mbola ilay olona ihany koa, na ny fianakaviany no andoa hetra hividianana gagazo hoaninao any am-ponja manaram-penitra, manaja ny Zon'olombelona, nefa ilay noratrana sy novonoina, mandry anaty trano vondro, bozaka tsy misy fanajana Zon'olombelona.

Mila dinihina ity resaka famonjana velomim-potsiny ity, sy ireo sazy mifandraika amin'ny heloka vita, fa toa tsy mahataitra ireo mpamerin-keloka intsony an.

Tsara andro aby.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.