Foano ny fourrière noho ny adisoan'ny mpamily

  • mercredi, 01 mars 2023 20:24
  • Super User

Raha niditra làlana tsy azon'ny fiara aleha ve ny fiara iray, na nijanona tamin'ny toerana tsy azo nijanonana, na nampidina mpandeha tsy tamin'ny arrêt ny mpamily taxibe, dia ny fiara tsy naninona tsy naninona no saziana, ka giazana fourrière hakana antapitrisany maro.

Iny fiara iny angaha nitondra tena nanao ny fahadisoana, sa tokony ny mpamily no voasazy, sy esorina ny permis ?

Raha fiara tsy ara-dalàna kosa ny taratasy fiantohana, ny fitsaràna tekinika, na hita misy fahavoazana ampitera-doza, dia rariny raha tazonina tsy azo andeha ilay fiara.

Fahadisoan'ny tompon'ny taxi-be angaha raha manao adalana ny mpamiliny, iny no saziana fa ny fiara miasa tokony hanohy hiasa amin'ny mpamily hafa raha ilaina. Ny mpanjifa avy no voasazy amin'izany.

Ilay fourrière, avy dia tsy maintsy vitaina koa aloha ny 7 andro raha kely indrindra, mba mila fiheverana ihany, raha andron'iny ve voaloany ny volan'ny sazy dia ilana vaniny 7 andro izy.

Mila fanovana io lalàna resaka fourrière io fa lasa atao biby fampitahorana, no manahirana ireo mpitandro ny filaminana ihany koa ny mampihatra azy, ka na lasa miteraka kolikoly, na lasa fifamaliana eny an-kianja, satria ny iray ampihatra lalàna, ny iray mahita fa tsy ara-drariny ny sazy omena azy miohatra amin'ny fahadisoana vitany.

Tafandria mandry e
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.