"Ampiroborobointsika ny fizahan-tany", "Trandrahantsika Malagasy ny harena an-kibon'ny tany"

  • mercredi, 16 novembre 2022 22:21
  • Super User

Pilo kely : "Ampiroborobointsika ny fizahan-tany", "Trandrahantsika Malagasy ny harena an-kibon'ny tany"

Sao mba mpitari-bato vilam-bava, fa ny teny atao tokony hifanaraka amin'ny teti-bola iasana.

Nivoaka izao ny volavolan-dalàna laharana faha 017/2022 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna ho amin’ny taona 2023.

Teti-bola ho an'ny :


- Présidence : 338 487 175 000 ar (Raha 219 288 714 000ar taona 2022)
- Sénat : 19 107 696 000ar (Raha 19 982 670 000ar taona 2022)
- Assemblée Nationale : 79 560 837 000ar (Raha 79 505 006 000ar taona 2022)
- HCC : 9 060 896 000ar (Raha 9 741 361 000ar taona 2022)
- Primature : 235 430 850 000ar (Raha 162 635 886ar taona 2022)
- CFM : 6 795 931 000ar (Raha 7 011 074 000ar taona 2022)
- CENI : 68 668 822 000ar (Raha 12 228 605 000ar taona 2022)
- Ministère de la Défense nationale : 475 362 959 000ar (Raha 421 204 845 000ar taona 2022)
.....
- Ministère du Tourisme : 10 755 877 000ar (Raha 11 843 832 000ar taona 2022)
- Ministère de la Communication : 37 792 465 000ar (Raha 23 207 543 000ar taona 2022)
- Ministère des Mines : 19 821 819 000ar (Raha 21 882 225 000ar taona 2022)

Tsy mila mamaky ny 500 pejin'ny teti-bola izany dia ahita fa amidy amin'ny mpanam-bola vahiny izany ny sehatry ny fizahan-tany sy ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany, satria dia hany andoavana ny karaman'ny mpiasa sy ny fampandehanan-draharaha fotsiny ihany ny teti-bola atokana ho an'ireo sehatra stratejika ireo.

Matoria mihesona foana e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.